Dina Fidinarivo
#santé
#partage
#conseils
#humour
#fahasalamana
#fizarana
#fifaliana
#cheveux#curly#bouclé
Rendez grâces en toutes choses, car c’est à votre égard la volonté de Dieu en Jésus-Christ.
Thessaloniciens 5:18
E KOA HAGNAIKY VA MOA TSA HAGNAIKY???
08/22/2025
Sambatra kokoa ny mpifankatia mampihatra ireto zavatra 5 ireto raha araka ny fanadihadiana nataon’i Mark Travers, psychologue:
Tsotra nefa hitondra fiovana be dia be eo @ mpifankatia indrindra ny mpivady, izay toa manadinodino fa mila kolokoloina hatrany ny fifankatiavan’izy roa na efa ao antokatrano ary, ny fampiharana izany. Mazàna manko rehefa mifangaro ny asa, ny ankizy ary ny raharaha an-trano, dia toa sarotra ny mitady fotoana hiaraha amin'ny olontiana. Raha manana ireto fahazarana na hoe rituels kely ireto ny mpifankatia izany dia hahatsiaro sambatra kokoa.
1. Manomboka ny tontolo andro miaraka (na dia 5 minitra fotsiny ary)
Afaka atao ohatra io @ fiarahana fandaminana ny fandriana rehefa mihofa, manao ny café maraina.
2. Mahatsiaro ny iray mandritra ny tontolo andro :
@ alalan’ny message na appel kely toy ny hoe: mahatsiaro anao aho, na mandefa sary na fo na zavatra mety hoe nampiomehy na nahafaly anareo 2.
3. Maka fotoana hitokanana kely alohan'ny hihaonana rehefa avy miasa:
Hanalavirana ny asa sy ny zavatra mety hoe nandreraka na nahasosotra tany @ asa tany. Afaka atao io na ao anaty bus, na mitondra fiara na hoe mandeha tongotra kely rehefa avy miasa io.
4. Manokana fotoana ho anareo roa: "fotoanantsika"
Afaka atao io ohatra @ fiarahana misakafo, tsy misy finday, mety misy koa hoe zavatra tianareo 2 hiarahana atao kely @ hariva.
5. Mifampihaino harivariva
Fanontaniana alohan’ny hatoriana hoe: manahoana ianao? Inona ny zavatra tena nahafinaritra anao androany? Misy zavatra mety hoe tsy dia nahafinaritra anao androany? Misaotra t@ ilay message nalefanao t@ atoandro iny…
Tsy mandany fotoana ela ireo kanefa mety hampiova be ny fifandraisanao @ olontianao. Andramo, na dia manomboka @ iray fotsiny ary aloha. Dia zarao @ izay mety hila azy!
Mirary soa indray ary!
08/18/2025
08/17/2025
📖 Matio 5 :13
08/11/2025
🩷 karakarak ny tenanao: nahoana ary ahoana no hanaovana fizahana nono!
Ny homamiadan'ny nono no homamiana voalohany mety hitarika fahafatesana any @ vehivavy .
Ny vaovao tsara: raha hita aloha ny homamiadan’ny nono dia mbola azo tsaboina tsara. Izany no maha-zava-dehibe ny fanaraha-maso sy ny fitiliana.
Taham-pahavelomana araka ny stade (pronostic) ohatra raha any Canada:
- stade I ≈ 100% ny tahan’ny fahavelomana ao natin’ny 5 taona ,
- stade II ≈ 92%,
- stade III ≈ 74%,
- stade IV ≈ 23%.
• Ny homamiadana hita amin'ny fizahàna dia matetika eo amin'ny dingana voalohany (stade 0 na I), ary ireo homamiadana ireo dia manana taham-pahasitranana sy fahavelomana avo kokoa.
Inona no azonao hatao - torolalana tsotra
1. Fizahana ny tena isam-bolana (herinandro eo ho eo aorian'ny fadimbolanao)
2. Fizahana any @ mpitsabo: manatona mpitsabo raha mahatsikaritra fiovana @ nono ianao
Ireo fambara tokony hojerena (mila anantonana toeram- -pitsaboana haingana raha misy)
• Fahitana fivontosana vaovao na fivontosana mitombo
• Fiovana hita maso eo amin'ny hodi-tava eo @ nono
• Fivoahana tsiranoka tsy mahazatra ny nono (afa-tsy ny rononon-dreny)
• Tsy fitovizan’ny haben’ny nono vaovao na fanaintainana eo an-toerana maharitra
08/06/2025
Izao miara-azo ny fandriana mafana sy ny valala manatody!!! 😆
Ny fankasitrahana dia fomba iray anekena ny fisian’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra.
08/05/2025
Et il séparera les gens les uns des autres, comme le berger sépare les moutons des chèvres. Il placera les moutons à sa droite et les chèvres à sa gauche. Alors le roi dira à ceux qui sont à sa droite: “Venez, vous que mon Père bénit. Recevez le Royaume que Dieu vous a préparé depuis la création du monde.”
Jésus de Nazareth
08/02/2025
Koa amin’izany miambena ianareo, fa tsy fantatrareo na ny andro na ny ora.
Jésus de Nazareth.
Click here to claim your Sponsored Listing.