Commune Rurale Agnaborano Ifasy Ofisialy
This page is for sharing news
06/07/2026
Ny Ben’ny Tanàna ny Commune Rurale Anaborano Ifasy dia mirary soa sy fahombiazana hoan’ny ankizy malagasy rehetra indrindra indrindra ny zanaka Ifasy izay hiatrika fanadinam-panjakana androany. BEPC
Bonne chance les élèves
25/03/2026
Ity Ben’ny Tanàna ity dia tena manampitiavana amin’ny Commune izay tantanany eto Anaborano Ifasy. Hita taratra amin’ny hezaka fanatsarana izay ataony izany raha oarina tamin’ny zava nisy nandraisany ny fitantanana. Hatsaraitsika ho izy ny Birao fiasatsika tsirairay ary indrindra indrindra ny fandraisana ny vahoaka ato amin’ny Birao satria izy ireo no taletsika, nametraka atsika eto araka ny tenininy tamin’ireo mpiasan’ny commune nandritra ny fivorian’ny mpiasa isambolana.
Jereo ny nandraisany azy sy ankehitriny izay mendriky Biraom-panjakana. Merci 🙏 Mr Le Maire Dorin Zaf
11/02/2026
Miezaka isan’andra ny Ben’ny Tanàna ny commune rurale Anaborano Ifasy manatsara ny fotodrafitrasa eto Antampontanana.
Anisan’ny kaominina tranaina ato amin’ny Distrika ny Ambilobe ny commune rurale Anaborano Ifasy, izao nasiam-panavaozana izao.
Potika tanteraka noho ny rivodoza nifanesy ity biraon’ny kaominina eto Anaborano ity ary ny cyclone DIKELEDI no namela takaitra mafy.
Nohon’ny fahaiza mitatana, dia vola madiodio ny kaominina no nanatsarana ity birao ity, ary ny hezaka manaraka dia ny fourniture de bureau, Tahaka ny armoire métallique, chaises, table de bureau,…sns hoy ny Ben’ny Tanàna. Fa mbola anatin’ny fanatsarana ny Birao atsika amin’izao sy ny manodidina.
Misy ny projet hanorenana Birao vaovao, izay iarahana amin’ny fanjakana foibe, financement Allemand, fa miandry kely isika fa miaraka amin’ny FDL ny fanantaterahana izany araka ny nambaran’ny Monsieur le Maire.
22/01/2026
Androany Alakamisy 22-01-26
Nitohy tao amin’ny lalana mampitohy ny Fokontany Antsiviranina sy Ambanikibo ny Asa fanamboaran-dalana izay no tarihin’ny Ben’ny Tanàna ZAFY Dorin. Andrano ampango izay agnisany point ratsy manahiragna ny mpitondra sarety mamoaka vokatra amin’io fokontany 2 ato amin’ny commune rurale ANABORANO IFASY no nangadina canal manala ny ranobe miandrogno.
Eo eo 300m eo ny canal voahady ary tsy ho sahirana intsony ny transporteur sy izay mampiasa ity lalana ity manomboko izao. Misaotra ny Tanora lahy namita ny asa ny Ben’ny Tanàna ary ny ekipa rehetra. Mitohy araka izany ny asa, eo amin’ny sekoly EPP ANABORANO ny fotoana amin’ny Alakamisy ho avy.
Koa manentana ny vahoaka mba ho tonga maro.
Miasa ho anao ny Commune.
15/01/2026
ASA TAGNAMARO CR ANABORANO IFASY.
Nidina ankianja ny Ben’ny Tanàna ZAFY Dorin niaraka amin’ny ekipa teknika, ny Lehiben’ny Fokontany sy ireo mpilatsaka antsitrapo izay nahatsapa ny Tanàna iarahana mampandroso nangady canal amin’ny pont ny Maman’i Joel iniany Alakamisy. Madret maromaro avy amin’ny Ben’ny Tanàna no nanamboarana tanteraka ity pont ity androany ka vita tanteraka ny asa. Mitohy amin’ny toeran-kafa ny asa araka ny torimarika nomen’ny Maire androany satria maromaro ny point Noir eto antampon-tanana. Koa amin’ny lalana makany Ambanikibo no atao amin’ny Alakamisy ho avy izao. Mbola manentana atsika jiaby araka izany ny commune ary mankasitraka tamin’ny asa vita androany. « VAHOAKA MAZOTO, TANÀNA MANDROSO »
Tombony ho anay vahoaka marigny ny maha eo anao Monsieur le Maire.🙏🙏🙏
10/01/2026
Efa manomboka amin’ny fanavaozana ny Biraon’ny kaominina eto ANABORANO IFASY ny Ben’ny Tanàna Dorin Zaf ankehitriny. Taona ifantoana tanteraka amin’ny asa fampandrosoana ity taona ity hoy ny Ben’ny Tanàna. Noho izany, dia natomboka amin’ny asa goavana dia ny fanatsarana ny Biraom-panjakana izay lasibatra ny cyclone farany teo. Hatsaraina tahaka izany koa ny manodidina ity Lapan’ny Tanàna ity araka ny nambarany. Tsy ny teo aloha no ifaninana hoy izy fa ny asa izay tsara efa nataotsika atrizay, izay nametrahan’ny vahoaka ny fatokisany sy ny fanantenana. Mila entitra koa atsika vahoaka amin’ny fiarovanana sy fikobabihana ny fotodrafitrasatsika hoy ihany ny Ben’ny Tanàna.
Mankasitraka Mr le Maire, tombony ho anay ny maha eo anao.
22/12/2025
Comité d’Orientation et Suivi (COS). Nandritra ny Réunion de coordination et de planification izay nikarakarain’ny Association FAMELOGNO izay miaro ny Ala GALOKO - KALOBINONO sy Ampansindava ao Ambanja dia lany ho Filoha mitariky ny OPCI ny Ben’ny Tanàna ny ANABORANO IFASY. Mahatoky ny fahendrena sy fahaizana ananan’ity Ben’ny Tanàna ity ireo Maire maromaro avy amin’ny district ny Ambanja satria 2 ihany ny Ben’ny Tanàna avy ato amin’ny district ny Ambilobe miombogno amin’ity faritra iarovagna ity. Efa nametraka centre de Pépinières ao amin’ny Fokotany Marovato ny Association Famelogno hoy ny Filoha vaovao fa mila atao à proximité izany mba afahan’ny rehetra misitraka satria ny tanjona dia ny fanaovana ny restoration ny bongotsika ho Rakotro kakazo. Hamolavola PTA na ny Plan de Travail Annuel 2026 atsika hoy ny filoha, ary hifantoko amin’ny resaka Agroécologie araka ny nambarany ny projet de reforestation ataotsika ary izay ihany no lalagna ialagna amin’ny dorotanety. Mirary fahobiazagna monsieur le President Dorin Zaf
28/10/2025
Mamerina tsikelikely ny fotodrafitrasa lasibatra ny Dikeledi ny Ben’ny Tanàna sy ny fokonolona. Ecole EPP Fokontany Maroriha izay anisan’ny lavitra ary miakatra bongo zay vao tonga aty amin’ny toerana aty. Ezaka ny Ben’ny Tanàna sy fokonolona ifotony no ahazoana indray manorina ity lakilasy ity. Ary miezaka ny Ben’ny Tanàna mitsidiky ny Fokontany rehetra, mijery ny lahara-pahamehana. Merci Mr le Maire Dorin Zaf
Miarahaba filoha hajaina. Vive État Fédéral
Click here to claim your Sponsored Listing.
Category
Website
Address
Ambilobe
204