Rasazy Nata

Rasazy Nata

Share

Tongasoa eto amin'ny pejy 🥰 Reny sy zaza salama 💊🩺🩷

14/08/2026

🔴CONSTIPATION APRÈS L' ACCOUCHEMENT 💩

🫧 Iza no efa tratra ❓

05/08/2026

🔴Zaza vao teraka kanefa efa misy nify sahady, tranga tsy dia fahita firy izy ity fa andao ho resahina kely 👶🏻

🌸Na dia tsy fahita firy aza, misy tokoa ny zaza teraka efa misy nify, na miseho ao anatin'ny 30 andro voalohany aorian'ny nahaterahany. 🤱🏻

🌸Tsy aretina akory izany na zavatra natao hampatahotra, fa tranga azo lazaina ho ara-dalàna.Matetika dia nify ronono mipoitra aloha loatra fotsiny izy ireny. 👶🏻

💬Efa nahita na nandre izany tranga izany ve ianao ⁉
Ao mba zarao ao amin'ny commentaire ao 😚❤

02/08/2026

🔴Antony iray lehibe tena tokony ihinanana FER: HIROROHANA NY FAHAVEREZAN-DRÀ BE LOATRA EO AMPITERAHANA❗(na aloha na aoriana) ❤

01/08/2026

🌸Ity volana vaovao ity anie hitondra fahasalamana sy fahombiazana ho antsika tsirairay avy ✨💙

28/07/2026

FANTATRAO VE FA... 😳

🤰🏻Ny zaza ao an-kibo dia afaka mandre ny feon-dreniny rehefa mandroso ny fitondrana vohoka? ❤️
🌸Ary fotoana tena mamy indrindra izany, no anisan'ny mahatonga ny zaza ho matsilo saina. 🥰

🩺🩷

24/07/2026

salama arivariva ô 😚🩷

Ndao isika iresaka ity zavatra mampatahotra be anareo ity rehefa ilay miteraka, kanefa dia antoky ny fahasalamany maman aorian'ny fiterahana 😅🩵

🚨 RÉVISION UTÉRINE (RU) :
📌Inona izany Révision Utérine izany ⁉

🔴Ny RU dia geste médical atao aorian’ny fiterahana, rehefa misy antony ara-pitsaboana manamarina azy, mba hijerena ny ao anatin’ny tranon-jaza sy hanesorana izay mety ho ambina ahitra (débris placentaires) tavela. ✨

📌Rahoviana no tsy maintsy atao ?

👉 Raha misy ahiahy fa mbola misy ahitra (placenta) tavela ao anaty tranon-jaza.
👉 Raha mitohy na be loatra ny rà mandeha aorian’ny fiterahana.
👉 Raha nisy fahatapahana na tsy mivoaka tanteraka ny ahitra.

📌Nahoana no zava-dehibe?

⚠Raha sanatria ka misy ahitra tavela ao amin'ny tranon-jaza dia mety hiteraka fahaverezan-drà be (Hémorragie Post-Partum), ary mety hiteraka hatramin'ny fahafatesan' ny Reny.

❌Ny rà mandeha betsaka loatra aorian'ny fiterahana dia isan'ny toe-javatra sarotra izay mila fandraisan-tanana aingana mba ho fiarovana ny ain'ny Reny.💚

💬Noho izany, aza toherina rasazy rehefa ilay mampiditra tanana kely iny, miaritra kely dia lahy kely hoy ny fitenenana 🥴💙





💬Zarazarao mba ahita koa ny hafa 🥰
🩺🩷

N.B: Sary fanehoana

23/07/2026

Bonsoir 😙🩷

🌸Ndao mba iresadresaka kely aloha eih! 😊

➡Nisy fotoana tany aloha tany nandalo zavatra mafy be 🥲
➡Rehefa mahatsiaro na mahatadidy ilay zavatra niainana tamin'zany aho indraindray aty aoriana dia tena mbola mivoarahotsana.😱
➡Tena lasa saina mihitsy hoe vitako ve niaina sy niatrika an'zany tamin'ireny fotoana ireny 🥲
➡Fa tsy vita tokoa raha tsy nankinina tamin'ilay Ray tao ambony 🥹🙏🏻
➡Raha miaina zavatra mafy be ianao amin'izao fotoana izao, aza kivy fa ankino amin'ilay Ray ao ambony ao 💚
➡Mandalo fotsiny iany io, sady fitsapana fa ianao mafy sady manana an' Andriamanitra afaka anampy sy anolon-tsaina anao 😊❤





Soava ny alina indray aloha ✨
Bisous 😘❤

21/07/2026

Salama daholo ve ô ❓
Ndao ho resahin-tsika ary ny mikasika ity grossesse extra-utérine ity 🤰🏻

🚨 GROSSESSE EXTRA-UTÉRINE (GEU) – FITONDRANA VOHOKA ivelan’ny tranon-jaza

❗ Fantatrao ve fa mety hampidi-doza ny ain’ny reny ny grossesse extra-utérine raha tsy misy fandraisan-tanana ara-potoana?

⚠Ny grossesse extra-utérine (GEU) dia firaiketan'ny atody ivelan'ny tranon-jaza, izay efa voaforona taorian’ny fihaonan’ny atody sy ny tsirinaina, izay hita ao amin'ny lalan'atody (trompe de Fallope) matetika. Tsy afaka mitohy ara-dalàna io fitondrana vohoka io ary mila fitsaboana haingana.

🔴 Ireo famantarana tokony hampitandrina:

✔Fanaintainana mafy amin’ny kibo, indrindra ao amin’ny ilany iray.
✔Rà mandeha izay tsy ara-dalàna amin’ny fivaviana.
✔Fanina, fahalemena ary mety hitarika hatramin'ny fahatoranana tampoka.

N.B: Tsy voatery hisy ireo soritr'aretina rehetra ireo anefa fa ny fitiliana na échographie no tena manamarina azy 🩷

💬Ho anareo maman efa niatrika ity tranga ity, mba lazao ao amin'ny commentaire hoe ny toe-javatra niainanareo tamin'izany ⁉







💬Zarao mba ho hitany hafa 🌸🩷

20/07/2026

❌ GROSSESSE EXTRA-UTÉRINE ❌
👉🏻Ataovy ao amin'ny commentaire hoe ny fahafantaranao izany 🩷

Website

Address

Antsampandrano
Antananarivo

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Rasazy Nata posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Subscribe

We will notify you when anything happens in Antananarivo.