Fantatrao ve Fa ?

Fantatrao ve Fa ?

Share

Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Fantatrao ve Fa ?, Antananarivo.

12/06/2026

🚹Jiron'akoho

Fa lasa mety indray ve le fizarana jiron'akoho fa maka tahaka an'i Andry RAJOELINA indray anie i Kolonely Michael izany e 😂😂

12/06/2026

🚹Kopi kolĂ©

Tsy vitan'ny efa misalovana ny asan'olona ry Con-Lonel Michael fa mbola manao kopi kolé ihany.
Na tianareo na tsy tianareo dia i Andry RAJOELINA no angady nananana sy vy nahitana ny fahavitan'io RN13 io.
Ny zava-bitan'i Andry RAJOELINA avokoa no tokanana sy lazaina fa asa vita.
Tsy nahavita na inona na inona izany fitondrana Fanavaozana izany fa misalovana ny asan'ny hafa foana.

11/06/2026

🚹Nomena toerana ny vadin'i Gascar Fenosoa

Efa lasa raharaham-pianakaviana mihitsy ny fitondrana firenena amin'izao.
Ny vadin'i Lily Rafaralahy manaraka azy amin'ny fivoahana rehetra any ivelany sy miasa ao amin'ny Minisitera izay tantaniny.

De izao indray ny vadin'i Gascar Fenosoa no nomena toerana ao amin'ny Minisiteran'ny Fampianarana Teknika.
Feno "kiantranoantrano" ny fizotry ny fanendrena. Voahilika amin’izany ireo tanora maro manana fahaiza-manao, diplaoma ary traikefa afaka hitondra fanavaozana eo amin’ny fitantanana ny raharaham-panjakana.

11/06/2026

🚹Rosia

Inona tsara hoe ry Fanirisoa Ernaivo no takalon'ilay miaraka amin'i Rosia ⁉

10/06/2026

🚹Fahafetsan'ny dĂ©putĂ© Jean Jacques Rabenirina

Manomboka mivoaka tsikelikely ny marina mahasika ny raharaha nahafatesan'ny député Jean Jacques Rabenirina rehefa nivoaka tamin'ny fahanginana ny fianakavian'ilay saofera voalaza fa nitondra ilay camion voatondro ho nandona azy.

Tsy mitombona ny fanenjehana ilay saofera camion ary tsy meloka ny tenany satria moto efa tsy nisy nitaingina no mody nakasoka tamin'ilay camion.
Ny alin'ny 25 Septambra 2025 no nitrangan'ny loza kanefa ny 12 Aprily 2026 vao natao ny constat.
Ny fisian'ny andian'olona nitondra kibay sy nandrahona azy no nahatonga ilay mpamily nitsoaka fa tsy nandona olona izany mihitsy.

Niakatra fitsarana omaly ny raharaha ka natao fanadihadiana avokoa ireo olona voakasika tamin'izany.
Tafiditra ao anatin'ny raharaha nahafaty ny député Jean Jacques Rabenirina i Siteny sy Afakandro Christian ary ny gardes corps-n'i Siteny 2 lahy.
Tsy accident ilay izy fa vono olona satria ny député Jean Jacques Rabenirina no tokony ho PAN fa tsy i Siteny. Ka izao niafara tamin'ny famonoana azy izao.

Talohan'ny nahafaty azy dia nasain'i Siteny nisakafo tany an-tranony i Jean Jacques Rabenirina, nanatrika tao i Afakandro Christian.
Rehefa niakatra fitsarana omaly ny raharaha dia sahirana ireo gardes corps-n'i Siteny namaly ireo fanontaniana.

Marihana fa tsy navelan'i Siteny nataon'ny zandary fanadihadiana ireo gardes corps ireo fa ny commissaire responsable ny fiarovana ao amin'ny Antenimierampirenena no nasainy nanao intervention tany amin'ny zandary.

Olona voahitsakitsaky ny camion ve dia tsy nisy naratra fa teo amin'ny lohany no nisy lava izay mazava fa notsindromina vy maranitra.
Nalain'i Siteny ny téléphone an'i Jean Jacques Rabenirina rehefa maty izy, nomen'ny gardes corps azy.
Dia nofafainy daholo izay zava-misy tao vao naveriny tamin'ny fianakavian'ny maty.

Tsy nanatrika na mba namangy na dia indray mandeha akory ny razana i Siteny, tsy nandevina, nefa samy zanaky ny faritra Atsimo ry zareo.
Mazava hoazy fa tsy maintsy ho afa-maina ireo voasaringotra amin'ity raharaha ity satria hiditra an-tsehatra i Fanirisoa Ernaivo hiaro azy ireo.

10/06/2026

🚹 Kianja Barea Mahamasina

Tena enjana raha hanao bizina ry mpitondran'ny Fanavaozana fa tapitra hanaovana sera sy hitadiavana vola ho any am-paosin'i zareo daholo io zavatra rehetra io e!

Lasa handoavam-bola ny mihazakazaka eo amin'ny piste tartan an'ny kianja Barea Mahamasina.
Tarif journalier ihany no misy fa tsy mbola misy abonnement hoy ireo mpitantana ny kianja.

Toy izao ny tarif rehefa te hiazakazaka ao ianao :
âžĄïž5000 Ar/Heure ho an'ny mpiasa
âžĄïž2000 Ar/Heure ho an'ny mpianatra (CollĂ©giens/LycĂ©ens)
Ora fisokafana : 07h Ă  18h
Misokatra isan'andro.

Merci Kolonely Michael 👏
Merci Gen Z 👏

09/06/2026

🚹Taxes sur le vĂ©hicules Ă  moteur

Mihatra manombok'izao ny hetra alaina amin'ny fitaovam-pitaterana misy motera.
Ireo mampiasa fiara na moto maherin'ny 20 taona (niasa talohan'ny 2006) no mandoha vola betsaka indrindra.

Ho an'ny fiara ohatra (mihoatra ny 15 CV), 280 000 ariary isan-taona ny hetra raha Essence, ary 340 000 ariary raha Diésel.
Ny fitaterana Diésel no lafo indrindra ny hetra, ary ny "électrique" no mora indrindra, ho fanentanana amin'ny fiarovana ny tontolo iainana.

Voakasika avokoa moa na ny fiara, moto, scooter, sambo misy motera, fiaramanidina, amin'izao fampidirana fangalan-ketra vaovao izao (Taxe sur les véhicules à moteur) .
Tsy andoavan-ketra sy haba araka ny fifanarahana iraisam-pirenena toy ny Ambulance sy ny Pompiers, ny fiaram-panjakana ary ny fiara ampiasaina amin'ny fambolena.

Bravo fitondrana FAHAVOAZANA 👏
Merci Kolonely Michael 👏

09/06/2026

🚹Fanesorana ny immunitĂ© parlementaire ny dĂ©putĂ© Antoine Rajerison

Mitady handika Lalàm-panorenana i Siteny sy FidÚle Razara Pierre ary ny birao maharitry ny Antenimierampirenena momba ny fanesorana ny immunité parlementaire an'ny député Antoine Rajerison rehefa nangataka izany ny Minisitra Fanirisoa Ernaivo.

Tsy misy dikany aminay birao maharitra ny manala ny immunité parlementaire an'ny député Antoine Rajerison hoy i FidÚle Razara Pierre.
Fa adinon'i FidĂšle Razara Pierre sahady ve ny vavabe-ny tao amin'ny Miara Manonja hatramin'izay hoe mila hajaina ny LalĂ m-panorenana e ?
Fa angah tsy ny fandikĂ na ny LalĂ m-panorenana no nanenjehanareo ny teo aloha ?

Voafaritra mazava ao amin'ny andininy faha 73 ny LalĂ m-panorenana fa :
âžĄïž" Aucun dĂ©putĂ© ne peut, pendant les sessions, ĂȘtre poursuivi et arrĂȘtĂ© en matiĂšre criminelle ou correctionnelle, qu'avec l'autorisation de l'AssemblĂ©e, sauf en cas de flagrant dĂ©lit."

Voafaritra ao amin'ny andininy 112-4 ny RÚglement intérieur an'ny Antenimierampirenena ihany koa fa :
âžĄïžAnjaran’ny Vaomiera itambarambe ao amin’ny
Antenimierampirenena no manapaka ny fanesorana immunitĂ© parlementaire rehefa anaty fe-potoana fivoriana ara-potoana fa tsy an’ny Birao maharitra.

Mazava izany fa tsy manana fahefana hanaisotra ny immunité parlementaire an'ny député Antoine Rajerison ny birao maharitry ny Antenimierampirenena mandritra izao fotoam-pivoriana izao.
FandikĂ na ny lalĂ m-panorenana ny fanaovana bontolo sy tery vay manta amin'ny fanesorana izany ataon'ny birao maharitry ny Antenimierampirenena.

08/06/2026

🚹Fanirisoa Ernaivo : Tsy manaja ny zon'olombelona

Mibaribary tanteraka ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona ataon'ny Minisitry ny Fitsarana Fanirisoa Ernaivo.
Voasokajy ho "torture morale" na fampijaliana ara-mÎraly sy "traitements inhumains dégradants" na fanimbazimbana ny maha olona sy fanalam-baraka ny zavatra nataony tamin'ireo voafonja tao Tsiafahy.

Niharan'ny fampitahorana sy fampihorohoroana ara-mÎraly ireo voafonja sy ny fianakaviany ka noterena hanao vidéo mba hilazana fa voahaja ny zon'izy ireo.
Hita sy tsapa tamin'ny feo sy fomba firesak'ireo voafonja tao Tsiafahy anefa fa mafy ary tsy voahaja ny fepetra fitazomana azy ireo ao am-ponja.

Madagasikara dia isan'ireo firenena nanao sonia ireo fifanaharana iraisam-pirenena izay manameloka ny fampijaliana sy ny fanimbazimbana ny maha olona, ary voafaritra ao anatin'ny LalĂ m-panorenana Malagasy ihany koa izany.

Ireto avy ireo lalĂ na sy fifanarahana iraisam-pirenena izay nosoniavin'i Madagasikara izay nodikain'i Fanirisoa Ernaivo tanteraka :

👉LalĂ m-panorenan'ny Repoblika faha 4 an'i Madagasikara, article 8 alinĂ©a 2 :
« Nul ne peut ĂȘtre soumis Ă  la torture ni Ă  des peines ou traitements cruels, inhumains ou dĂ©gradants. »

👉Pacte international relatif aux droits civils et politiques, article 10 :
« Toute personne privĂ©e de sa libertĂ© doit ĂȘtre traitĂ©e avec humanitĂ© et avec le respect de la dignitĂ© inhĂ©rente Ă  la personne humaine. »

👉Convention contre la torture, article 16 :
« Chaque État partie s'engage Ă  prĂ©venir tout acte constitutif de peines ou traitements cruels, inhumains ou dĂ©gradants qui ne constituent pas une torture, lorsque de tels actes sont commis par un agent public ou avec son consentement. »

👉Charte africaine des droits de l'homme et des peuples, article 5 :
« Tout individu a droit au respect de la dignité inhérente à la personne humaine et à la reconnaissance de sa personnalité juridique.
Toutes formes d'exploitation et d'avilissement de l'homme, notamment l'esclavage, la traite des personnes, la torture physique ou morale, et les peines ou traitements cruels, inhumains ou dégradants sont interdites. »

08/06/2026

🚹Fanehoan-kevitry ny Dr. Ramadany Abderman Omar :

Ireny fampisehoana gadra amin'ny vidĂ©o ireny no antsoina hoe : « traitement inhumain et dĂ©gradant ». Io irery anefa ny Droit sans exception. Conventions des droits de l’homme rehetra nosoniavin’i Mada sy constitution dia manameloka an’io daholo!!

Want your business to be the top-listed Beauty Salon in Antananarivo?
Click here to claim your Sponsored Listing.

Website

Address

Antananarivo