Altamirah La vezou

Altamirah La vezou

Share

Tu es la tranquille dans ta vie ,puis quelqu'un vient te mentir qu'il t'aime💔.

01/08/2026

Nilaza fa tia ahy izy ary ho mandramaty ny aminay
😢😢😢indrisy anefa hoy aho fa rehefa nandalo ady sarotra aho dia nitsoaka lavitra ahy izy
Tsy niaraka niatrika ilay onja tena nanonja no sady tsy niara ory tamiko

Niantso ihany aho mba niala nenina fa ehhhh tsy nisy nandray ilay atao hoe finday 😪😪😪

Nandefa hafatra miafina aho ary sms tsy nisy valiny ihany koa
Nanomboka teo aho dia nametraka fanontaniana hoe :
Izany ve no atao hoe tena fitiavana
Teo fona aho ho azy na inona no niseho nefa kousa tsy teo intsony izy ho ahy rehefa izaho no mandalo sy misedra olana 😭

Nanmboatra saina aho ary nanaiky ny handeha irery 💔
Tsy misy fo tsy harary ary tsy misy kousa anefa tsy ho sitrana izany
Nandeha ny fotoana hadinoko tanteraka ilay atao hoe fisianao ankehitriny

Omaly aho no taitra sy nisahirana taminao fa ankehitriny izao kousa dia efa novaiko ilay atao hoe pejy vaovao

Satria ianao any iny dia nihevitra fa tsy afaka miaina aho raha tsy misy nao 😃
Haaaa alaiko hehy ihany aloha

Tsy hiteny betsaka aho fa ny soa vitako taminao tsy very maina fa vao maika nazahoako tsara lavitra be tsy toy ny taloha izaho niaritra sy niady irery taminao 👊💣

Ho tampoka aminao imdray andro any fa ianao tsy maintsy hitady ahy fa izaho kousa dia efa miaina ao anatin'ny tantara vaovao
Efa zatra tsy misy anao💞

Mirary soa anao ary tsy handray anao ho fahavaloko aho fa teny antsipy dia ny hoe : mahaiza miaraka miarina amin'ilay miaraka aminao fa fandalovana ihany izao fiainana izao

Tsy mitazona alahelo aminao aho fa kousa misaotra anao satria raha tsy nataonao ireny aho tsy tonga amin'izao toerana misy ahy izao
Tsy nahay nandeha irery
.matahotra sao mbola ho very 💔

Ilay naka ny toeranao ato ,tsy mampahory ahy fa mankahery ,matahotra an ' Jehovah 🙏
Nanasitrana ireo fery sy ratra navelanao ka lasa nano***a akany vaovao mendrika 💪💖💖

Fitiavana amin'ny fo madio dia misy vokantsoa 🙏🙏 courage avokoa izay rehetra lasa celibat amin'izao .💔💔

01/08/2026

TIAVO NY TENANAO ALOHA💞🌺💪💪

Rehefa mitia olona ianao dia tiavo amin'ny vavony ny 70% amin'izay mba le 30% ihany no atao amin'io fo mamy kelinao io 💞

Matetik voadona ianao satria nahoana ?

Mitia amin'io fo io diso tafahoatra
Tsy tsaroanao ankory ny mitia ny tenanao fa izy no ataonao laharana 1

Efa 2026tsika zao aza varina sy matory intsony fa omeo lanja ny tenanao aloha zay vao ny hafa
Tsy ianao irery ihany no harary fo lava amin'olona iray izay efa tsy hiova intsony 💔
Marary zany neny aaaa😷😤

Fa mila mianatra mitia ny tenanao aloha ianao zay vao afaka manrna ilay fitiavanao ny hafa
Mba ataovy ndray ilay fiteny hoe moi aloha zay vao tu 👉

Mila mahita vokatra koa ianao raha zatra mampindrana vola ny hafa tsy misy farany koa dia aza mampindrana intsony
Vao misy vola mipetrakaavy dia atero any amin bank na koa ataovy anaty ny compte tahiry amin io finday nao io

Asio objectif ilay fiainana fa lasa ataon'ny hafa vonjy aina fona mandra-pahafaty ianao hamaha ny problem ny hafa nefa refa ianao misy olana ny courage sy ny mivavaha no teny fankaherezana azonao fa tsy solution ho anao mihintsy ny hafa 😁

Alohan'ny anapianao ny hafa amin'ny tanjony dia ametraho fanotaniana io tenanao io hoe maninona ianao no tsy afaka manangana zavatra ho anao nefa mahita hevitra tsara be hahasoa ny hafa ?

Miantomboka aminao aloha ilay asa sy traikefa dia manaraka hoazy ireo manodidina anao te hanao ilay izy
Fa tsy hoe ianao manoro ny hafa handroso nefa ianao mbola tsy mandroso 🙃😄

Ampandrosoy aloha ny tenanao mba ahafahanao manampy ny hafa handroso ,mil fitaratra ianao mba hanova ny fijerin'ny hafa 🙆💞

Anio dia mahaiza mitia ny tenanao
Ianao aloha vao ny hafa💖💖

Mahaiza mankafy ny fiainanao dia araho fahavononana hiatrika ny ampitso fa tsy hoe mazoto sy vonona be anio dia raham-pitso mandalo sendra kivy sy maiala andaharana 💪

Vitanao io 🌺🌺🌺

31/07/2026

REHEFA MITENY "TSIA" NY VEHIVAVY MATOKY TENA… DIA TSY MORA OVAIN'NY FIHETSEHAM-PO NA NY FANERENA IZANY.

Misy olona tezitra rehefa mandre "tsia". Misy koa mihevitra avy hatrany hoe lasa miavona ilay vehivavy.

Kanefa indraindray, ilay "tsia" dia tsy fankahalana... fa fanajana tena.

Satria fantany ny lanjany.

Fantany fa tsy voatery hanaiky ny zava-drehetra izy vao ho tian'ny olona.

Fantany koa fa izay olona tena manaja azy dia tsy hanery azy handao ny soatoaviny na hihoatra ny fetra napetrany.

Rehefa mahay miteny "tsia" ny vehivavy iray, dia matetika hita ao ambadik'izany ny fahatokisan-tena, ny fanajana tena, ny fahamatorana ara-pihetseham-po ary ny fitiavana ny tenany.

Tsy hoe tsy mahay mitia izy.

Fa tsy ekeny intsony ny fifandraisana mampandefitra ny hasiny, ny fampanantenana poakaty, na ny teny mamy tsy arahina fihetsika.

Ny olona matoky tena dia tsy mitady olona hanaiky azy amin'ny vidin'ny fahaverezan'ny tenany.

Satria fantany fa tsara kokoa ny mandà izay manimba ny fiadanam-po, toy izay manaiky ka hiaina nenina isan'andro.

Ary ianao... efa nisy fotoana ve nilazanao "TSIA", dia vao tsapanao hoe tamin'izay no tena nanomboka nanaja ny tenanao ianao?

Andao hiaraka aminay hiditra salle dw sport💪💪💪❤❤💣💣💣mamay fa vitanao io

M Fit itaosy merci ohhh💪💪👊

Tiavo izy....fa aza adino ny tenanao !

29/07/2026

Iza marina moa i Altamirah ary avy aiza fa tena ahitana endrika mifangaro ysy hay sinoa tsy hay karana ?

Zaza GASY tsara ohhh ,nangalatra kely sy maranitra endrika 😛🌺

Gara maso ,lava o***a ,be maso ngita volo🌺

Marangitr'endrika be ianao LA VEZOU😍

PAPA: Metisse vazah avy ao Farafangana (Antefasy)
MAMA : VEZO ,TANALANA (Toliara)

Teraka tao amin'ny faritra ny Bara aho (Ihosy)

Lehibe tao a Fianarantsoa ❤

Mahay teny paritra maro aho noho ireo toerana maro sy fiaviana mifangaro ireo .

Tsotra fitafy ary tena tia lokomena 😍

Loko tiako :FOTSY ,Manga,mena

Teraka volana : Jolay ❤ LION 🐯
Zay tia ahy dia tiaviko ,be fihantana be aho ary tena tia teny mamy 😍

Tia mangarika be sady be vanitika 😛
Kinjitim-belona nefa malefaka

Rehefa manasa ahy hisakafo dia anana sosy no ataovy laoka 😍
Cafe no arosoy refa vita ny sakafo fa ho tiko tsy ho foiko ianao
Tsy tia minama amin'olona panambola aho fa le olona tsotra no tiko ho namako satria ireny no tsy voavidim-bola fa tena fihavanana sy finamanana no ambony 🙏🙏🙏

Tsy tia olona manambony tena aho
Ary le aingitraingitra tsy maha lasa lavitra 🙄

Tsy mifidy saranga ny fahadiovam-po
Raha resaka fitiavana indray:

🙏Lelahy matahotra an'ANandriamanitra 🙏

👉olona tsotra toa ahy
👉lelahy tsy miavona sy mitovy tanjona amiko
👉manampy ara -kevitra amin'izay ataoko rehetra
👉tia manampy ny hafa
👉mahay mankahery sy mapiome ahy

Raha toetranao ireo dia ianao ilay tadiaviko ary mety ho ilay anjarako🙏😍

Tsy tanora mitovy amiko no sady tsy zokiko lavitra be ihany koa fa mba zokiko 5ans a 10ans 😘😘😘

Mirary soa antsika rehetra

29/07/2026

Fanontaniana matetika apetrak'olona matetika amiko dia hoe fa naninona kia ianareo nisaraka ?

Tsotra be kia malala ahhh
Niaraka dia tsy fanaraka dia nisaraka
Tsy akasarotina kia io aaaahhh

Tsy atao antery koa io rehefa tsy mety intsony dia samy mibarakay 😁💣

Samy manohy ny lalany ary samy manoratra ny boky vaovao
Niaraka niresaka tsara nifanaiky ary misaraka tsy misy maratra 👊👊

Samy tanora tsy mifanam-bitamby

Lasa eo fotsiny manakana ny te hiditra hoy aho
Samy tsy nanaiky diso izahay roa
Samy tsy nisy nahalefitra intsony koa

Mafy ilay hanadino ny taona maro nefa kousa tsy maintsy hanganana sy hano***a vaovao 💔

Ny lasa tsy fanadino fa ny ho avy koa anefa tsy maintsy jerena 🌺🌺

Zay aza manontany ana intsony hoe maninona zahay nisaraka fa samy nahay nionina izahay roa ary efa niaraka nanaiky fa samy hanamboatra fo 😘😘

Tsy misy lonilony 👊👊😃🙃

29/07/2026

👉ITANAO MALALA A...VAKIO TY 👇

🚫Ny ZATRA MPANDAINGA dia mitady ny CONFIANCE ANAO FOANA.. fa JAMAIS hitsotra ny MARINA AMINAO zany!

🚫Ny MANIPULATEUR dia mitady HO EO AKAIKINAO EO FOANA fa ny LAINGANY TOHIZANY ihany ...

🛑Ny olona Toxique dia manakana ny TENA anjaranao fotsiny!

🛑Ny tanjon'ireny dia NY HANASAROTRA NY LALANAO SY HANARARAOTRA ANAO FOTSINY...

🛑AJANONY NY MINO ny tenin'ireny olona reny,

🌟 Tsy ZAY MANGIRANA REHETRA NO VOLAMENA ,NONN'🪙🪙🪙

🛑 MODY MIALATSINY izy, fa tsy HIOVA ZANY! !!

🚫MAMPANANTENA poakaty izy , HAMPIESONANY ANAO FOTSINY

💝Ary aza adinoina mihitsy fa ny TENA FITIAVANA ❤️ DIA dia mitaky zavatra iray tena lehibe:NY FANDRAISANA ANDRAIKITRA sy FIFEHEZANTENA ...

Aza MANANTENA azy LAVA FA IALAO tsikelikely eny FOTSINY .....tsikelikely hoy aho 😉

✅Dia MAHAIZA MAMPIANDATENA 🙏🏻

AZA ANKININA AMIN'NY HAFA NY FAHASAMBARANAO FA ANKINO AMIN'ilay TOMPONAO ✅🙏🔥 🥹🔥❤️

❤️❤️✅HIFANENA AMIN'ILAY TENA ANJARANAO ANIE IANAO🙏

Indrana ary tena niainako ka zaraiko

28/07/2026

NIANDRY FOANA💔

Indraindray isika mandany taona maro miandry olona hanome ilay fitiavana sy lanja tadiavintsika.
Kanjo tara loatra vao tsapantsika fa ny fo izay tena nila notiavina indrindra dia ny fontsika ihany.

Tsy faharesena ny misafidy ny tenanao. Tsy fitiavan-tena koa izany. Indraindray aza, io no dingana voalohany mankany amin'ny fanasitranana sy fiadanam-po.

Ary ianao?
Oviana no tsapanao fa mendrika hotiavina koa ny fonao?
Zarao ao anaty commentaire. 🤍

28/07/2026

🌺Je tiens à tous vous remercier pour vos vœux d'anniversaire d'hier🎂❤️.
Ça m'a profondément touchée de voir que vous ne m'avez pas oubliée🥺❤️.

Grâce à vous, je me suis rappelé que j'ai la chance d'avoir de vrais amis et des personnes qui m'aiment sincèrement.❤️

Chacun de vos messages, de vos appels et de vos publications m'a touchée en plein cœur🥺. Je n'ai pas grand-chose à offrir en retour, si ce n'est mes sincères remerciements.🥰🙏

Que le Dieu Tout-Puissant vous guide, vous protège et réalise chacun de vos rêves. Encore un immense merci à vous tous❤️🥺🙏

27/07/2026

1ans de +🎂🎂🎂🎂

Dieu Merci je suis toujour en vie 🙏
Que Dieu remplisse ma vie de lumière et de joie.

Joyeux Anniversaire a Moi 👑

27/07/2026

Bonjour à tous!!!🎉🎉🎉👑👑

👉👉👉 Aujourd'huit est un grand jour exceptionnel ,une journee de plus que Le Seigneur a fait ,en ce 27juillet🎂🎂

Je celebre une nouvelle annee de vie avec un coeur rempli de reconnaissance ,de joie et d'esperance

Merci à Dieu 🙏🙏pour chaque année, chaque leçon, chaque personne qui m’entoure.

Merci à vous d’être présents pour partager ce moment avec moi.🍸🍸🎂🎂

Pour cette nouvelle année, je me souhaite la paix, la santé, et de continuer à avancer avec élégance et authenticité.

Parce que le plus beau cadeau, c’est d’être aimée et d’aimer.

Misaotra antsika rehetra.
À nous 🍻🍸

Merci pour votre présence, votre amour, et votre lumière.
Que cette nouvelle année m’apporte autant de beauté que vous m’en donnez aujourd’hui.

Santé à nous ! 💫

--

1ans de + 👑👑🎂🎂

JOyeuse anniversaire a moi 🎂🎂🎉🎉👑

Want your business to be the top-listed Beauty Salon in Antananarivo?
Click here to claim your Sponsored Listing.

Category

Website

Address

Antananarivo

Opening Hours

Monday 09:00 - 20:30
Tuesday 09:00 - 20:30
Wednesday 09:00 - 20:29
Thursday 09:00 - 20:30
Friday 09:00 - 20:30
Saturday 09:00 - 20:30