Rasazy Larissa

Rasazy Larissa

Share

Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Rasazy Larissa, Health/Beauty, Antananarivo.

12/03/2026

Mention spéciale à mes nouveaux(elles) super fans ! Lossy Lammy, Maÿah Arison, Sandra Finaritra Nomenjanahary, Yvette Tamanadaha, Solofo Aina, Annie Makoavavy, Prisca Faratiana, Sarah Vonjiniaina, Mandeha Mahitsy, Ryah Candyh, Aina Raharijaona, Elson Ramiarinjakasoa, Falintsoa Diamondra, ɸʬɸ Fiderana ɸʬɸ, Ginõ Farashoü, Nyrina Laryssa, Natinah Charmëllah, Zo Rak, Marie Soamampionona, Mickael Junior, Maraj Giovanni, Fameno Nomenjanahary, ʚʆʚ Maman Kennedy ʚʆʚ, Vero Nica, Landy Frdn

06/03/2026

🍏 Mihinana paoma 1 na 2 isan'andro ry bevoka fa tena tsara ho an'ny fahasalamana 👍

🍏Tsara ho an'ny fandevonana kanina sy maha mora voky 👉 nohon'ny fananany fibres betsaka dia mampihena ny fitohanana ny paoma ary mitazona ny lanja tsy hiakatra be loatra

🍏 Manankarena rano ny paoma, miaro amin'ny tsy fahampina rano ao anaty, misy vitamine A,C,E,B sy mineraly tena ilaina (potassium, calcium, magnésium, fer)

🍏Manamafy ny hery fiarovana ihany koa 👉 misy antioxydant sy vitamine C sy ny flavonoïdes izay manampy rehefa reraka

🍏 Tsara ho an'ny hoditry ny bevoka ihany koa 👉 misy polyphenol ao anaty paoma izay miaro ny fahanteran'ny mialoha be hoditra

🍏 Tombotsoa ho an'ny zaza ao ankibo 👉 mampihena ny areti-koditra ho an'ny zaza ao ankibo ihany koa ny fihinanan'ny bevoka azy

🍏 Tena tsara hohanina miaraka amin'ny hodiny satria iny betsaka antioxydant, mila diovina tsara anefa alohan'ny hihinanana azy

🍏 Mirary soa hatrany, inona koa ny tombotsoa hitanao sy voankazo nety tsara taminao tamin'ny nitondra vohoka 👉 zarao anaty commentaires sao manampy ny hafa🙏

24/02/2026

Marary kibo mandritra ny fitondrana vohoka ve?
ao amin'ny publication farany ao ny fanazavana 👇👇👇

24/02/2026

💞 Ny marary mandritra ny fitondrana vohoka dia vokatry ny fiovana natoraly eo amin'ny bevoka 💞

💕Ny fanaintainan'ny vanintaolana 👉 matetika re rehefa eo amin'ny 24-27SA (4-6bolana) nitondrana vohoka, mifanitontsitona sy manaintainana toy ny tselatra herinaratra ao amin'ny ambany kibo na valahana nohon'ny fihitaran'ny hozatra izay mitazona ny tranonjaza

💕 Marary ny vavony 👉 ny progestérone dia mampihena ny fandehanan'ny rivotra izay mahatonga fitohanana ny fisian'ny rivotra anaty kibo ary ny fiverenan'ny sakafo ao amin'ny tenda

💕Ny contractions de Braxton Hicks 👉 mia mafy ny tranonjaza miovaova tsy de marary be izay manomana ny vatana amin'ny fihetsehan-jaza

💕 Mitombo ny tranonjaza 👉 vao manomboka ny tranonjaza dia miangeza ary manantona ireo taova manodidina izay heno mavesatra

💕 Rehefa misy ireto tranga ireto dia mila manantona tobim-pahasalamana aingana 👉raha marary ny kibo no mandeha ra na Kely aza no mandeha, marary be tsy zaka amin'ny kibo (hita tsara ny toerana marary ary amin'ny ilany ihany), mafana hoditra sy mangovitra, misy rano mandeha amin'ny fivaviana na Kely aza, marary andoha be sy tsy mahita tsara ny maso,tsy mihetsika tsara ny zaza ao ankibo (raha mihotra ny 24-28 SA ny kibo)

🌸 Inona no atao hampitoniana ny marary

💕 Mila maka aina tsara, matory mihorirana miankavia mba tsy ho voatsindry ny lalandra lehibe ao amin'ny lamosina sy hikoriana tsara ny ra

💕 Mila misotro rano betsaka mba hampihenana ny crampe sy ny fitohanana

💕 Asina rano mafana anaty tavoangy eo amin'ny faritra marary ambany kibo mba hampitoniana ny marary

🌸 Mirary soa hatrany

19/02/2026

Te ho sambatra sy ho tony tsara ve mandritra ny fitondrana vohoka ?
misy fikafika ao amin'ny publication farany ao 👇👇👇

19/02/2026

💞 Te ho sambatra sy ho tony tsara rehefa mitondra vohoka ? fikafika Kely hanampy ny bevoka 👇

🌸 Maka aina tsara 👉 henoy ny vatanao indrindra amin'ilay latsaky ny telovona nitondrana vohoka iny (1er trimestre) maka aina matetika mba hahazo hery tsara

💞 Mila mihetsiketsika moramora 👉 manaova fanatanjahantena maivana mandritra ny 20-30 minitra isan'andro (mandende tongotra ohatra) mba hampihenana ny marary sy hanatsarana ny torimaso

🌸 Fomba fisakafoanana 👉 mihinana sakafo ara pahasalamana, araho maso ny fahadiovan'ny sakafo (sakafo atao masaka tsara, sasana madio tsara) mba hisorohana ny listériose sy ny toxoplasmose

💞 Mila karakaraina ny vatana 👉 mila atao ampy rano tsara ny vatana mba hampihenana ny tsatsakohatra, afaka mihotra Kely ihany koa mandritra ny fandrohana mba hampahazo aina tsara

🌸 Arovy amin'ny masoandro ny vatana 👉 mampiasa crème solaire mety ho an'ny bevoka (hanontaniana eny amin'ny pharmacie) mba hiarovana ny tasy mainty mandritra ny fitondrana vohoka (masque de grossesse)

💞 Aza maka lagy 👉 aza miasa saina na manenjika asa tsy vita, hajanony izay azo hajanona, hampandraiso anjara mifampizara amin'ny fianakaviana ao antrano ny raharaha

🌸 Maka fotoana ho anao 👉 maka aina, mamaky boky, mandro sns...

💞 Tsara manantona mpitsabo na rasazy hizarana izay mampiahiahy

🌸 Fadio mandray zavamahadomelina rehetra

💞 Ataovy madio tsara ny rivotra ao antrano, aza mampiasa vokatra simika be loatra, tsara vokatra natoraly hatrany no hampiasaina

🌸 Misotro rano betsaka mandritra ny tontolo andro

💞 Tandrovy hatrany ny fahasalaman'ny ativava, satria ny hormones dia mety hamparary ny hihy sy ny nify 👉 manantona dentiste ra ilaina

💞 Identifier o ny bevoka namanao sao mahasoa azy ny torohevitra

🌸Inona koa no fikafika hitanareo fa nahasambatra nandritra ny fitondrana vohoka ? zarao ao amin'ny commentaires 🙏

19/02/2026

Mention spéciale à mes nouveaux(elles) super fans ! Lossy Lammy, Maÿah Arison, Sandra Finaritra Nomenjanahary, Yvette Tamanadaha, Elson Ramiarinjakasoa, Solofo Aina, Prisca Faratiana, Sarah Vonjiniaina, Mandeha Mahitsy, Ryah Candyh, Aina Raharijaona, Falintsoa Diamondra, ɸʬɸ Fiderana ɸʬɸ, Ginõ Farashoü, Nyrina Laryssa, Natinah Charmëllah, Zo Rak, Marie Soamampionona, Mickael Junior, Maraj Giovanni, Fameno Nomenjanahary, ʚʆʚ Maman Kennedy ʚʆʚ, Vero Nica, Landy Frdn, Annie Makoavavy

15/02/2026

Mention spéciale à mes nouveaux(elles) super fans ! Lossy Lammy, Maÿah Arison, Sandra Finaritra Nomenjanahary, Elson Ramiarinjakasoa, Solofo Aina, Prisca Faratiana, Sarah Vonjiniaina, Mandeha Mahitsy, Ryah Candyh, Yvette Tamanadaha, Aina Raharijaona, Falintsoa Diamondra, ɸʬɸ Fiderana ɸʬɸ, Ginõ Farashoü, Nyrina Laryssa, Natinah Charmëllah, Zo Rak, Marie Soamampionona, Mickael Junior, Maraj Giovanni, Fameno Nomenjanahary, ʚʆʚ Maman Kennedy ʚʆʚ, Vero Nica, Landy Frdn, Annie Makoavavy

06/02/2026

💞 Fikafika mampihetsika tsara ny harena kely ao ambohoka ry bevoka 💕

🌸 Safosafoy ilay kibonao 👉 ny fikasihana no fahaizana mampiasa ny taovam pandrenesana voalohany indrindra mivoatra ho an'ny zaza ao ankibo noho izany aza misalasala misafosafo ny kibo na apetraka fotsiny ambony kibo ihany koa ny tanana ho tsapan'ny harena kely ao ny hafanany ka hovaliany amin'ny fihetsika ihany koa

💞 Mihinana zavatra mamy 👉 mihinana sakafo mamy toy ny confiture, ranom boankazo (voasary) ohatra, raisin'ny ranondoha avy hatrany ilay tsiro hohaninao ka mihetsika amin'ny alalan'ilay mamy avy hatrany ilay harena kely tsy miandriandry

🌸 Resahana ilay harena kely na hampihainona mozika malefaka 👉 manomboka faha dimy volana eo dia efa mivoatra ny sofin'ny zazakely ao ankibo ary afaka mandre tsara ny feo ety ivelany sy ny feon'ny ray aman-dreniny, ho tsapanao fa mihetsika amin'ny fandrenesana izany izy

💞 Ireo fihetsika toy ny mihorirana miankavia sady misafosafo ilay kibo no asiana ondana kely, io fihetsika io izay mamela malalaka ny lalandra lehibe mba hanamora ny fifanakalozana amin'ny ahitra, afaka mihetsika malalaka ny harena kely amin'izay sady mihetsika tsara, tsara ihany koa io position io rehefa matory amin'ny alina ho an'ny bevoka

🌸 Mila maka aina tsara 👉 sarotra aloha ny aheno tsara ny fihetsiky ny zaza raha mitsangana sy manao raharaha, raha te handre tsara ny fihetsiny dia mila matory maka aina tsara eo ambony fandrina na ihany koa mandro amin'ny rano matimaty, hietsika tsara izy amin'izay fotoana izay

💞 Mirary soa hatrany

05/02/2026

Mention spéciale à mes nouveaux(elles) super fans ! Lossy Lammy, Maÿah Arison, Ryah Candyh, Sandra Finaritra Nomenjanahary, Solofo Aina, Prisca Faratiana, Sarah Vonjiniaina, Mandeha Mahitsy, Yvette Tamanadaha, Aina Raharijaona, Elson Ramiarinjakasoa, Falintsoa Diamondra, ɸʬɸ Fiderana ɸʬɸ, Ginõ Farashoü, Nyrina Laryssa, Natinah Charmëllah, Zo Rak, Marie Soamampionona, Mickael Junior, Maraj Giovanni, Fameno Nomenjanahary, ʚʆʚ Maman Kennedy ʚʆʚ, Vero Nica, Landy Frdn, Annie Makoavavy

Category

Website

Address

Antananarivo