𝗠.𝗛 𝗠𝗼𝘁𝗶𝘃𝗮𝘁𝗶𝗼𝗻 - sens de la vie
👉Abonnez-vous☝️
🧠"Établir des liens intimes avec soi-même, les autres, la nature ou une réalité supérieure" 🧠🫀
🧘🍂🧠🫀
👉“Misy olona tsy ny fahasahiranany no mampijaly azy,
👉Fa ny fahitany ny hafa miakatra.
Na efa manana be aza izy, mbola tsy milamina ny sainy raha misy manodidina azy mandroso na dia kely aza.😌
Satria ny hafaliany tsy amin’ny fandrosoany...
fa amin’ny fijalian’ny hafa....🥹
Tsarovy anefa 🥰
👉Tsy mampihena ny hazavanao ny fahazavan’ny hafa.
Ary tsy misy olona tena sambatra raha ny faharavan’ny manodidina no hampitony azy am-pilaminana.😊
12/05/2026
💥 Rehefa lehibe ianao dia tsapanao fa tsy ny olona rehetra kay no tokony hitoetra eo aminy fiainanao.
👉Misy nampifaly dia nandao.
👉Misy nandratra dia nandao.
👉Misy nanome fahasambarana fohy dia nandao.
🍀Kanefa ireny rehetra ireny an! tonga nampianatra anao izy vao lasa....
🥹Rehefa mamadika anao ilay olona tena tianao…❣️
💔dia tsy ilay famadihana no tena maharary.
👉Rehefa tezitra ny vehivavy tsy ilay ianao tezitra aminy ihany koa no ilainy.
---Fa ilay ianao miheno azy eo
---Tsy mandositra azy
👉Ny fiainana tena tiany vehivavy dia ilay fitiavana mahay manome sécurité émotionnel azy ♥️
𝙼.𝙷......
07/05/2026
🌅 “Misy olona mifoha maraina mitady vola ampifaliana...
misy kosa mifoha mieritreritra olona tsy azy intsony.” 👀💭
Misy vao mifoha dia ny fiainany androany hoe anao ahoana?
(Saingy afeniny aminy tsiky)
Ny fiainana tsy mitovy amin’ny olona rehetra,
fa samy misy zavatra afenina ao ambadik’ilay tsiky maraina. ✨
💫Fa ny tena tsara sy mahasambatra dia ilay mbola io dia mbola eo dia mbola vonona.
03/05/2026
“Tsy ny fahafahanao no voafetra…
fa ny olona avelanao hanakaiky anao no manakana anao tsy androso” 🌿
Misy olona tonga dia manamaizina ny eritreritrao, mampihena ny motivation-nao, ary manakana ny fandrosoanao nefa tsy tsapanao akory. Tsy miteny ratsy mivantana izy, fa ny fihetsiny sy ny “énergie” entiny dia efa ampy hanapaka ny nofinao.
Indraindray, tsy mila miezaka mafy akory ianao fa mila manadio ny manodidina anao fotsiny dia mandroso.
🚫Alaviro ny olona négatif
🚫 Alaviro ny resaka manakivy
🚫 Alaviro izay tsy manampy anao handroso.
✨ Safidio ny fiadanana
✨ Safidio ny olona manampy anao hitombo
Tadidio: tsy voatery hiara-dia amin’ny rehetra ianao vao ho sambatra.
@ 𝙼.𝙷 𝙼𝚘𝚝𝚒𝚟𝚊𝚝𝚒𝚘𝚗-𝚜𝚎𝚗𝚜 𝚍𝚎 𝚕𝚊 𝚟𝚒𝚎
👉Ny olona tena tianao tsy mampisalasala anao.
Abonnez-vous 🥰
30/04/2026
🥀Tsy adidinao intsony ny manokatra varavarana efa nakatona taminy fanampahan-kevitra izay niaro ny fonao.
---Niverina niantso anao indray izy taty aorina kely satria mety efa nitony ianao!
👉Dia adino tanteraka ireo ratra taloha, Adinonao hoe impiry ireo alina tsy nahitana tory.
👉Adinao daholo izany aty aorina.
👉Rehefa sitrana tanteraka ianao.
🌿Miverina mitady anao indray izy satria efa sitrana ireo hirifirinao!
🌿Efa nianatra nijoro irery tsy nisy azy ianao,Dia aza mainka amaly nohony fitonianao na fahasitrananao.
(Fa mandiniha aloha)
👉Mila fahanginana ny valin'izany!
👉tsy midika hoe fahankahalana akory raha mangina sy tsy mamaly ny lasa intsony ianao!
💫Faaa midika izany hoe nanana ny fetranao ianao izay niarovanao ny tenanao tsy ho simbainy hafa.
Tohizo ny lalanao dia .... 🏃
👉Akimpio segondra vitsy ny masonao,
💧Eritrereto ireo ranomaso efa nalatsakao.
💧Tsy ranomaso fotsiny ireny, fa lesona.
💫Eritereto ireo alina nangina, ireo andro nahatsapanao fa irery ianao!
💪 Tao no nianaranao ny lanjan’ny tenanao.
💪 Tao no nanombohan’ny fahasitrananao.
👉Koa raha miantso indray izy, dia tsarovy fotsiny hoe efa nisy fotoana ianao nianatra nijoro irery.
👉 Efa nisy fotoana ianao nisafidy ny fiadanana noho ny korontana.
👉 Efa nisy fotoana ianao nisafidy ny tenanao.
💪Ary izany safidy izany, aza avela hisy handrava azy indray🪷
@𝙼.𝙷 𝙼𝚘𝚝𝚒𝚟𝚊𝚝𝚒𝚘𝚗-𝚜𝚎𝚗𝚜 𝚍𝚎 𝚕𝚊 𝚟𝚒𝚎
30/04/2026
🍂Aza miandry olona eo amin’ny fiainana.
🍂Raha tsy afaka manampy anao izy
🚶 tohizo irery ny lalanao
🤷Aza miandry olona hampiadana anao,
🏃 ianao ihany no mamorona ny fiadananao.
🧍Mijoroa, matokia ny tenanao💪,
🫴mandrosoa na dia irery aza👌
29/04/2026
💫Bonjour
🌿isakiny mifoha maraina ianao.
🌿Dia mahazo vintana vaovao.
👉Tsy mila miandry fotoana “tonga lafatra” ianao vao afaka manomboka ny tanjona irinao.
Ny tena zava-dehibe dia manomboka tsikelikely amin’izay anananao, ary amin’izay vitanao androany 🥰✨
🪷Ao anatinao ao ilay fifaliana afahanao miatrika io tanjona io.
Rehefa mifoha maraina ianao!
•••Mandamina fandriana: manome fahatsapana filaminana avy hatrany
•••Misotro rano iray vera anokatra ny vatana
•••Mihaino hira mampahery na mampientanentana anao
•••Manoratra zavatra 1 mampifaly anao na zavatra antenainao androany
•••Manao “respiration profonde”
(mifoka rivotra lalina) in-5 mba hanazava saina
Click here to claim your Sponsored Listing.
Telephone
Website
Address
Antananarivo