FOMF

FOMF

Share

Fikambanan’ny Olompirenena Mijoro amin’ny Fahamarinana

17/02/2026

Manoloana ity publication ity, dia mampahafantatra anareo mpanaraka ny pejy izahay fa mbola tsy nametraka mpitondra teny hatramin’izao ny FOMF. Tsy mbola misy andraikitra mpitondra teny ato anatin’ny FOMF, ary tsy mbola nisy akory ny eritreritra hametraka mpitondra teny ato amin’ny fikambanana.

Mpikambana tsotra no nandraisanay an’i Haingo Paradisa teo anivon’ny FOMF.

Ankehitriny kosa, noho ny fanakorontanana naterany tao anatin’ny fikambanana, dia nesorina tsy ho mpikambana intsony i Haingo Paradisa.

Mankasitraka anareo rehetra manaraka hatrany ny pejy FOMF izahay.

11/02/2026

Ny FOMF dia eo hatrany hifanampy amin’ireo mpiara-belona

Ary indrindra , hiara hisalahy amin’ny fiarovana ny tontolo ianana , izay iaraha manana , satria ho lovain’ireo taranaka amampara

17/01/2026

Impiry moa isika no lavo, fa tsy mila kivy
Isaia 60 : 1. Mitsangàna, mihazavà, fa tonga ny Fahazavanao, ary ny Voninahitr'i Jehovah efa miposaka aminao. Amen 🙏🏻

09/01/2026

Inona no antsoina hoe : FAHAMARINANA ???

Mba sorato ao anaty commentaires hoe

08/01/2026

Deoteronomia 18 : 13 : « Aoka ho tanterahin’ny Jehovah Andriamanitrao aminao izay irinao sy ny nangatahanao aminy. »

Amen!! 🙏🏻

31/12/2025

Ny FOMF dia miarahaba anao nahatratra ny taona 2026

Mirary soa hatrany ho anao ny fikambanana izay tarihin’ny Ramatoa Raïssa Esther RAZAIVOLA , izay filoha mpanorina no sady filohan’ny fikambanana

Mba ho taona zina feno fanambinana sy fitahiana

Ary hanjakan’ny fahamarinana

Samy tsara eee 🙏🙏🙏



2026

31/12/2025

Mitandrema hantrany amin’ny manodidina anao
Fa ny fahavalo anie ka olona namanao nivadika
Ny devoly anie ka anjely nivadika

De afaho tsy ho namanao intsony ireny @ 2026
Fa izay mifanampy sy mifankantia aminao ihany no avelao ho eo anilanao

Samy ho tratran’ny 2026 daholo ary isika

30/12/2025

𝐑𝐀𝐘 𝐀𝐌𝐀𝐍𝐃𝐑𝐄𝐍𝐘 𝐀𝐑𝐀-𝐃𝐑𝐀𝐙𝐀𝐍𝐀 𝐄𝐓𝐎 𝐓𝐎𝐋𝐈𝐀𝐑𝐀 : :
Mangataka ny Hampitsaraharana ny fampiadiana ny samy Malagasy .

Manameloka ny fampiadiana ny samy Malagasy indrindra fa ny samy zanakin'ny Faritra.

Miantso ihany koa ny
hampanjakana ny 𝐟𝐢𝐫𝐚𝐢𝐬𝐚𝐧𝐤𝐢𝐧𝐚 𝐞𝐨 𝐀𝐦𝐢𝐧'𝐧𝐲 𝐬𝐚𝐦𝐲 𝐌𝐚𝐥𝐚𝐠𝐚𝐬𝐲.
Mangataka Amin'ny Filoha 'ny fanavaozana mba ny hazahoana ny 𝗚𝗿𝗮𝗰𝗲 𝗣𝗿𝗲𝘀𝗶𝗱𝗲𝗻𝘁𝗶𝗲𝗹𝗹𝗲 hoan'ireo olona voaenjika aminy tsirariny ka niharany sazy tsy mifanaraka Amin'ny nataony indrindra n'y fanenjehana sy raraha sy valifaty politika .

29/12/2025

« Fa sambatra izay enjehina noho ny fahamarinana »

Ny marina tsy mba maty 🥰
Manaova ny Marina hatrany 🙏🙏🙏

28/12/2025

🟥 TSY MATY VONOINA NY AFON'NY FITIAVAN-TANINDRAZANA ARY HATREO AMPARA-FOFON'AINA IO 🇲🇬🔥

Miverina ato antsaiko ny resaka nifanaovanay Gadra pôlitika tao amponja rehefa Ilay manao revin-gadra iny hoe inona no hatao raha tahin'Andriamanitra ka mivoaka ato isika ???

dia hoy ny Ray aman-dReny hajaiko Lôla Rasoamaharo hoe : " Izaho rehefa mivoaka eto tsy hiaraka @ madinika na hanampy azy ireo intsony , fa hiaraka hiasa @ Mpanankarena aho tsy miverina aty intsony , voafonja aho izao angaha ireo mahafaka ahy aty 😰 ? rehefa miaraka @ mahantra ianao ka mitady sy mikendry ny ho tombontsoany dia tsy maintsy migadra hoy izy " ( Mialatsiny manonona anarana fa nanampy betsaka ahy ianao ary ato am-poko mandrakizay ireny ) 🥹❤️ .

Tsapako tena marina Ilay izy ankehitriny saingy efa vita voady hoan'ny Tanindrazana izahay ka tsy maintsy sedraina mafy , tsy mora ny fiainana ao amponja mantsy e ! fa tsy nitarainaina ary maro ny victime vokatry famoronana dossier rehefa tiana ho gadraina ianao ☺️ .

Mandroso sy manohy ny asa sôsialy hitaky ny tombontsoan'ny madinika hatrany ny fikambanana natsanagan'i Ramatoa Razaivola Raissa 🌸✊ .

Marihana fa i Daya kuffaly no Filoham-boninahitry FOMF .

Source : Haingo Paradis Madagasikara mpitondra teny ny fikambanana.

Want your business to be the top-listed Beauty Salon in Antananarivo?
Click here to claim your Sponsored Listing.

Category

Website

Address

Antananarivo
101