Sage Femme Elanie
Sage-femme à Ambaniala, Antananarivo. Contactez-moi pour un rendez-vous ou un conseil.
J’accompagne les femmes et futures mamans avec écoute, bienveillance et confidentialité : suivi de grossesse, planification familiale et conseils en santé féminine.
21/07/2026
. 🛏️ Fomba fialan-tsasatra tsara ho an’ny reny bevohoka
Mila fialan-tsasatra ampy ny reny bevohoka satria miasa mafy ny vatana mandritra io vanim-potoana io.
✅ Matory ampy ary mialà sasatra rehefa reraka.
✅ Aza mijoro ela loatra na manao asa mandreraka be.
💙 Ny fikarakarana ny vatana dia manampy ny reny hiatrika tsara ny fitondrana vohoka sy ny fiterahana. ,,en français
🛏️ Les bonnes habitudes de repos pour la femme enceinte
La femme enceinte a besoin d'un repos suffisant, car son corps travaille intensément pendant toute la grossesse.
✅ Dormez suffisamment et reposez-vous dès que vous vous sentez fatiguée.
✅ Évitez de rester debout trop longtemps ou d'effectuer des travaux très fatigants.
💙 Prendre soin de son corps aide la future maman à mieux vivre sa grossesse et à mieux se préparer à l'accouchement.
20/07/2026
👶 Fikarakarana ny fihetsiky ny zaza ao an-kibo
Ny fihetsiky ny zaza ao an-kibo dia iray amin’ireo famantarana mampiseho fa salama tsara izy.
✅ Tandremo ny fiovan’ny fihetsiky ny zaza, indrindra rehefa efa lehibe ny fitondrana vohoka.
✅ Raha mihena be na tsy tsapa intsony ny fihetsiky ny zaza dia manatòna mpitsabo avy hatrany.
💙 Ny fahafantarana ny fihetsiky ny zaza dia manampy amin’ny fahitana haingana ireo olana mety hitranga.
👶 Surveiller les mouvements du bébé dans le ventre
Les mouvements du bébé sont l'un des signes qui montrent qu'il va bien et qu'il est en bonne santé.
✅ Soyez attentive aux changements des mouvements du bébé, surtout à partir de la fin de la grossesse.
✅ Si les mouvements diminuent nettement ou si vous ne les sentez plus, consultez immédiatement un professionnel de santé.
💙 Connaître les habitudes de mouvement de votre bébé permet de détecter rapidement d'éventuels problèmes et d'agir à temps.
20/07/2026
🩸 Fisorohana ny tsy fahampian-drà mandritra ny fito14ndrana vohoka
Ny tsy fahampian-drà dia mety hahatonga ny reny ho reraka, malemy ary mety hampidi-doza mandritra ny fiterahana raha tsy voatsabo.
✅ Mihinàna sakafo manankarena vy toy ny hena, atody, tsaramaso ary anana maitso.
✅ Raiso ara-dalàna ny fanafody vy raha nomen’ny mpitsabo na mpampivelona.
💙 Ny fanaraha-maso ny rà mandritra ny fitondrana vohoka dia manampy hisorohana ny fahasarotana.
🩸 Prévention de l'anémie pendant la grossesse
L'anémie peut rendre la future maman fatiguée, faible et augmenter les risques de complications pendant l'accouchement si elle n'est pas prise en charge.
✅ Mangez des aliments riches en fer, comme la viande, les œufs, les haricots et les légumes verts.
✅ Prenez régulièrement les comprimés de fer prescrits par votre médecin ou votre sage-femme.
💙 Le suivi du taux d'hémoglobine et des analyses sanguines pendant la grossesse permet de prévenir les complications et de protéger la santé de la mère et du bébé.
18/07/2026
🚶 Fanatanjahan-tena sy fihetsika mety ho an’ny vehivavy bevohoka
Ny fihetsika malefaka mandritra ny fitondrana vohoka dia afaka manampy ny reny hahatsapa ho salama kokoa sy hanomana ny vatana amin’ny fiterahana.
✅ Afaka mandeha tongotra moramora na manao fihetsika tsotra araka ny fahafahana.
✅ Aza manao asa mavesatra loatra na zavatra mety hampidi-doza ny vatana.
💙 Raha misy fanaintainana na fahasarotana rehefa manao fihetsika dia tsara ny manatona mpampivelona mba hahazoana torohevitra.
🚶 Activité physique et mouvements adaptés pour la femme enceinte
Pratiquer une activité physique douce pendant la grossesse peut aider la future maman à se sentir en meilleure santé et à préparer son corps à l'accouchement.
✅ Vous pouvez marcher tranquillement ou effectuer des exercices simples adaptés à votre condition et à vos capacités.
✅ Évitez les efforts physiques intenses ainsi que les activités pouvant présenter un risque pour votre santé ou celle du bébé.
💙 En cas de douleur, d'inconfort ou de difficulté pendant l'activité physique, il est recommandé de consulter une sage-femme afin de recevoir des conseils adaptés.
17/07/2026
🤰 Torohevitra ho an'ny vehivavy bevohoka mba hisorohana ny loza mandritra ny fitondrana vohoka
Ny fitondrana vohoka dia fotoana mila fitandremana manokana satria misy fiovana maro mitranga eo amin'ny vatana.
Ny fikarakarana tsara ny reny bevohoka dia manampy amin'ny fitomboan'ny zaza sy ny fiarovana ny fahasalaman'ny reny.
✅ Manaova fizahana ara-pahasalamana tsy tapaka.
Ny fitsidihana mpampivelona na mpitsabo mandritra ny fitondrana vohoka dia manampy hahitana mialoha ireo olana mety hitranga ary hahazoana torohevitra mifanaraka amin'ny toe-pahasalamana.
🤰 Conseils aux femmes enceintes pour éviter les complications pendant la grossesse
La grossesse est une période qui nécessite une attention particulière, car de nombreux changements se produisent dans le corps.
Prendre bien soin de la femme enceinte contribue au bon développement du bébé et à la protection de la santé de la mère.
✅ Faites des consultations prénatales régulières.
Les visites chez la sage-femme ou le médecin pendant la grossesse permettent de détecter précocement les éventuels problèmes et de recevoir des conseils adaptés à l’état de santé de la mère.
10/07/2026
💊 AZA MISOTRO FANAFODY RAHA TSY NAHIZANA TORAHEVITRA
Mandritra ny fitondrana vohoka dia misy fanafody mety hanimba ny zaza ao an-kibo.
✔️ Manontania mpampivelona na mpitsabo foana alohan'ny hisotroana fanafody.
✔️ Aza manao fitsaboan-tena.
✔️ Lazao amin'ny mpitsabo raha bevohoka ianao rehefa manatona tobim-pahasalamana.
💙 Ny fitandremana dia miaro ny reny sy ny zaza
💊 NE PRENEZ PAS DE MÉDICAMENTS SANS L'AVIS D'UN PROFESSIONNEL DE SANTÉ
Pendant la grossesse, certains médicaments peuvent être dangereux pour le bébé.
✔️ Demandez toujours conseil à une sage-femme ou à un médecin avant de prendre un médicament.
✔️ Évitez l'automédication.
✔️ Informez le professionnel de santé que vous êtes enceinte lorsque vous consultez un centre de santé ou un hôpital.
💙 La prudence protège la santé de la maman et celle du bébé.
09/07/2026
👩⚕️ Rahoviana no tokony hanatona mpampivelona?
Tsy mandritra ny fitondrana vohoka ihany no ilàna mpampivelona, fa amin'ny dingana rehetra eo amin'ny fiainan'ny vehivavy.
✔️ Rehefa mikasa hitoe-jaza.
✔️ Raha vao ahiahiana ho bevohoka.
✔️ Mandritra ny fitondrana vohoka, hanaovana fanaraha-maso tsy tapaka.
✔️ Rehefa misy soritr'aretina mampiahiahy.
✔️ Aorian'ny fiterahana.
✔️ Raha mila torohevitra momba ny fampinonoana na ny fandrindram-piterahana.
💙 Ny mpampivelona dia miaraka aminao amin'ny dingana rehetra: alohan'ny fitondrana vohoka, mandritra izany, ary aorian'ny fiterahana. Ny fanaraha-maso ara-potoana dia manampy hiaro ny fahasalaman'ny reny sy ny zaza.
👩⚕️ Quand faut-il consulter une sage-femme ?
La sage-femme ne vous accompagne pas uniquement pendant la grossesse, mais à chaque étape de la vie de la femme.
✔️ Lorsque vous avez un projet de grossesse.
✔️ Dès que vous pensez être enceinte.
✔️ Pendant toute la grossesse pour un suivi prénatal régulier.
✔️ En cas de signes ou de symptômes inquiétants.
✔️ Après l'accouchement, pour le suivi de la mère et du nouveau-né.
✔️ Si vous avez besoin de conseils sur l'allaitement ou la planification familiale.
💙 La sage-femme est à vos côtés à chaque étape : avant la grossesse, pendant la grossesse et après l'accouchement. Un suivi régulier permet de préserver la santé de la mère et de son bébé.
08/07/2026
Fikarakarana ny reny aorian'ny fiterahana
🌸 Aza hadino ny fahasalaman'ny reny aorian'ny fiterahana.
Na efa niteraka aza ny reny dia mbola mila fanaraha-maso ara-pahasalamana.
✔️ Mihinàna sakafo ara-pahasalamana sy voalanjalanja.
✔️ Mialà sasatra araka izay azo atao.
✔️ Tandremo hatrany ny fahadiovan'ny tena.
✔️ Tohizo ny fampinonoana ny zaza raha azo atao.
✔️ Miverena manao fizahana araka ny fotoana voatendrin'ny dokotera na ny mpampivelona.
🚨 Raha misy rà mivoaka be, tazo, fanaintainana mafy, na tsiranoka misy fofona ratsy mivoaka avy amin'ny fivaviana, dia manatona tobim-pahasalamana avy hatrany.
Prise en charge de la mère après l'accouchement
🌸 N'oubliez pas la santé de la mère après l'accouchement.
Même après avoir accouché, la mère a toujours besoin d'un suivi médical.
✔️ Mangez une alimentation saine et équilibrée.
✔️ Reposez-vous autant que possible.
✔️ Veillez à une bonne hygiène.
✔️ Continuez l'allaitement maternel si possible.
✔️ Revenez aux consultations de suivi aux dates fixées par le médecin ou la sage-femme.
🚨 En cas de saignement abondant, de fièvre, de douleurs intenses ou de pertes vaginales malodorantes, rendez-vous immédiatement dans un établissement de santé.
Category
Address
Antananarivo
102
Opening Hours
| Monday | 08:00 - 17:00 |
| Tuesday | 08:00 - 17:00 |
| Wednesday | 08:00 - 17:00 |
| Thursday | 08:00 - 17:00 |
| Friday | 08:00 - 17:00 |
Alerts
Be the first to know and let us send you an email when Sage Femme Elanie posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.