Altamirah La vezou

Altamirah La vezou

Partager

Altamirah ARTISTE MALAGASY❤❤(ANTSIMO)Tel:0329212145,0387111991

Photos from Altamirah La vezou's post 04/10/2026

Force a toi frero 💪💪💪💪

De tout coeur avec toi On lâche rien 💪💪

Aia Toliara mila antsika longotsika toy !!!
Fanadiova ny tananan'ny toliara ro ahita fiakara tribunal lahy ehhhh😰😰😰

Fanapia olo ro ahita problem mafy zao
A TOliara avao ahita an'zao hoe izay manampy sy manadio ny tanana manala ty loto tsy hay ny fomba hilazana azy no voa-antso hiakatra Tribunal 🙄

😎Ny tian'ilay pitory hiaviana tsy mbola fantatra mazava hoe inona fa hatreto aloha zany dia fantatra: fa tiany tsy handroso sy hadio Tanan-tsika Toliara io

👉 Ary satria tsy misy vola panjakana niditra ao fa volany ambatany manokana no anaovany asa soa hoan'ny Tanana niaviany dia lasa niteraka olana hoan'ilay pitory izay tsy fantatra hoe iza

Tsy maintsy ho fantatra anefa ilay pitory tsy miseho mivantana amin'ny ALAROBIA Izao

Miandry izahay fa koa ny havanay ,namanay tsy hiady irery ary tsy hijery fotsiny amin'zao izahay fa maharary anay ary mety aminay ilay fahadiovana sy fanatsarana 👌

👉Tsy hay ny tsy hiteny manoloana ny zava-misy ary tsy hay ny hangina hijery fotsiny ihany satria mahasoa ny rehetra no sady manadio ny tananan'ny Toliara tsy hitako izsy maharatsy azy 🙄

👉Eto zahay ary hanohana anao hatrany
Tsy misy miala andaharana raha tsy milamina ny toen-draharaha

👉 Tsy haiko na hazahoako fiakara tribunal koa ty fanaoko publication fa io tsy ahoako fa ty manao ny marina tsy mba ho very ary tsy misy marina izay tsy hiseho 👑👑

👉Nitory anao izy izay tsy fantatra hoe izay ilay pitory fa avy dia ny fampiantsoana anao hiatrika ny tribunal ny atalata izao ro taratasy convocation azo 😏

👉 satria hoy aho tsy nisy vola niditra ho azy ho haniny fa io tsy olana 👌
Arahinay baka afara ato avao zay omban'izao pitory zao ao
👉Toliara tsy an'ny pitory zao raiky fa eto zahay tanora ny Toliara miaraky aminao manohana anao ary mbola midera anao amin'ny fahendrena sy ny hafantsoram-ponao 💪💪💪

👉👉Efa andro ny fanavoazana izao mila mandroso koa ny toetsaina

👉Matoky an'izay ho pitsara ao amin 'ny tribunal ao Toliara ihany koa mba hanao ny asany aradalana sy hamoaka didy fanomezan-dalana azy hanohy ny fanadiovana ny tananan-tsika rolahy ehhhhh

Tsy misy maha ratsy ny tanana madio sy mivoatsy 👌

Mirary soa ho anao ny tenakChris Joany/chrisdit.panda.@ Chris Joany

fans
Altamirah La vezou
La vezou
Altamirah Soa Tsodrano

02/10/2026

> Ny fampirafesana tsy kisendrasendra fa safidy👌

> Tsy lavo tampoka amin'izany ny olona. Tsy hadisoana kely iny. Safidy nandraisana fanapahan-kevitra isan'andro iny.

> Safidy ny mamaly message amin'ny alina. Safidy ny mamafa ny resaka. Safidy ny mandainga. Safidy ny mivory miafina.

> Raha tena tia ianao dia tsy mamitaka. Raha tena manaja ianao dia tsy mamadika. Tsotra izany.

> Aza mitady excuse hoe "kisendrasendra", "voafitaka", "malemy aho". Tsia. Nifidy ianao. Nifidy ny handratra, nifidy ny handrava, nifidy ny hamitaka ilay olona natoky anao indrindra.

> Ary ny safidy dia misy vokany. Ary ny vokany dia ny fahatokisana potika, ny fo maratra, ary ny fianakaviana rava.💔

29/09/2026

```
Misy mitovy amiko ve ato ? 🙋‍♂️

Aleo manampy olona hafa tsy fantatra mba mahazo tso-drano mafonja, eny fa na io teny tsotra hoe misaotra io aza dia manome hery antsika hiezaka sy handroso hatrany .

👉 toy izay manampy ny havana sasany maramara saina, be resaka, sady tsy mahatsapa ny soa atao mihintsy.

👉Raha androany izy mila vonjy 10.000Ar, dia rahampitso izy mila 100.000Ar.
Raha manampy azy ianao anio, dia ny momba anao rehetra no tiany alaina.

~Ny vady sisa no tsy nindraminy sy alaina~
Fa na ny kapa eny atongotrao sy ny peratra eny antananao dia efa nangatahina🙄hoe mety be amiko alohanjy mody defa ana ireny
Atokano ao.

Nefa izy tsy olona sahira no sady mbola tanora toa anao ihany koa tseriky ty manahak'ahy 😏

zah nga moa kia nahalala hoe mbola velona aho dia efa misy manao reservation ny momba ahy ka maika raha zaho no maty de ngamba misy miady mifamono haka ireo rehetra momba anao

Mbo sanab。。。。。。koa

Aiza ilay hoe fitia mifamaly ?

Aza maika ny handotra olona fa mba mipetraha amin'toerany dia ho hitanao izy👉

👉Izay rehetra anananao dia tiany ho azy, nefa tsy tsapany akory hoe niady irery ianao, nitomany irery, niasa mafy vao mba afaka manampy azy.

👉Vao une fois ianao manda hoe "tsy afaka" na "tsy possible" dia asehony ny tarehy ratsiny, ary hadinony avokoa ny soa rehetra nataonao. 🙄

Tsy mety mankasitraka. Rehefa omena asa aza dia mbola milaza fa mety aminy ilay asa.

♥Koa aleoko ny momba ahy ihany no tohizako. Aleoko manampy ireo kamboty, ireo be antitra, ary ireo manan-kilema noho ny hanampy olona tsy mahalala fankasitrahana.

Ny sasany izany moa dia tsy mainky mihintsy fa tadiaviny tsy hikilaoty ianao erakan'ny lalana zay vo milentika ao antsainy hoe tsy izy irery no sahirana fa na ianao manampy azy io koa dia manana ny olanao manokana fa tsy be taraina 💪

Mba miady sy mizaka ny olanao koa ianao fa mijanona ho modely sy madio fona ary tsy.mampiseho hoe ity aho fa misy olana

Satria ny fiainana dia tsy vitan'ny mintaraina sy mangataka lava ,mety misy manampy sy mamonjy ianao anio fa ny olona tsy hijanona eo fona hataonao pamonjy voina na koa urgence tsy misy farany amin'ny fiainanao

👉Satria isika olombelona dia tena misy hafa raha samy olona.

Ny fo tsotra sy madio no mendrika ny soa atao. 🙏✨

Photos from Altamirah La vezou's post 27/09/2026

Very OLOBE koa zahay tanora ny Toliara lasa koa anao papanay maro anisa
Mbo mila anao zahay Nahoda 😭

Teo fona ho anay panakanto vao misondrotra zanak'i Toliara 💔

Very olo-manga sy olo pitarika zahay
toliara nouvelle Generation Madagascar TTNGM

Mafy zao mbola mila anao zahay 😭
Lasa koa anao Rainay tanora zanak'i Toliara nenganao zahay 😭

Mafy fa tsy maintsy zakaina
Teo fona ianao ho anay izay isan'ny vao misondrotra ,very olobe zahay 😭

Ilanay isanandro ny anatsinao sy ny torolalana omenao anay ary tsy voavidy jala fa gratuit 😭😭😭😭😭

Repose a paix anao Nahoda

Tsy maintsy manaiky ny fandaharana
Zahay na maharary aza 💔

https://www.facebook.com/profile.php?id=61557911754537

26/09/2026

RY SIPAKELY‼️

❌Tsy hafetsena velively ny mitazona lehilahy amin'ny zaza fa havendranana😌, ary fahadisoana lehibe mihintsy❌

👉Aleo izy hampakatra anao ho vady satria tiany ianao, ary sitrapony tsy noteranan'iza na iza izy ny haka anao♥️

👉💍. Mba ho fitiavana madio🤍, tokatrano mirindra sy milamina rahatrizay❤️

Fa tsy hoe : tsy maintsy nalainy ho vady ianao satria bevohoka😒.

👉Esory ao an-tsaina mihintsy ilay hoe: ahy irery amin'izay iny satria izaho efa bevohoka. Izaho miteny anao hoe raha tsy vokatry ny fony ny napekarany anao ho vady dia fijaliana no miandry anao ao an-tokatrano. Hiaina fampirafesana, ny karma rehetra iny ...

👉Koa aza manimba tena, manimba vatana, manimba ny ho avy izany. Ataovy am-pisainana foana aloha.
Rehefa tsy tia anao izy dia aleo handeha fa aza manapoizina fiainana😌

👉Aza atao fitaovana hitazomana lehilahy izany ny zazakely🥹 fa ny lehilahy tsy mila tazomina fa hainy ny mijanona eo aminao rehefa tsara fitondrantena ianao♥️🙏🏽

Mirary soa daholo🥰
Indrana ♥

Photos from Altamirah La vezou's post 24/09/2026

ZAVATRA 8 TENA TSY TIAN’NY VEHIVAVY

Indraindray, tsy hoe tsy tia anao intsony izy… fa misy zavatra ataonao miverimberina ka mampangina ny fony tsikelikely.

Mety mbola eo izy. Mbola miresaka aminao. Mbola mitsiky mihitsy aza. Fa ao anatiny, misy zavatra mihena.

Ireto misy zavatra 8 izay vehivavy maro mety tsy hahazo aina na tsy ho tiany ao anatin’ny fifandraisana:

1. LAINGA MIVERIMBERINA.
Tsy ny lainga iray ihany no maharary, fa ilay fahatsapana hoe tsy afaka matoky anao intsony izy.

2. TSY FANOMEZANA LANJA NY FIHAINOANA AZY.
Rehefa miteny izy dia tsy voatery mitady vahaolana foana. Indraindray, mila olona mihaino sy mahatakatra fotsiny izy.

3. FAMPITAHANA AMIN’NY VEHIVAVY HAFA.
“Jereo ange iny…” dia mety toa teny tsotra aminao, fa mety hahatonga azy hahatsapa fa tsy ampy izy.

4. TSY FIRAHARAHANA REHEFA MARARY FO.
Mety tsy mitaky zavatra lafo izy. Fa ny teny hoe “Azoko hoe marary aminao izany” indraindray dia manana lanja lehibe.

5. FANOMEZANA TENA HO AMIN’NY FIFANDRAISANA IRERY IHANY.
Tsy hoe satria olon-tianao izy dia afaka mifehy ny fiainany rehetra ianao. Ny fitiavana salama dia manana toerana ho an’ny fahatokisana sy fahalalahana.

6. FIFANDRAISANA REHEFA MILA ZAVATRA IHANY.
Raha rehefa mila zavatra vao mitady azy ianao, dia mety hahatsapa izy fa olona ampiasaina fa tsy olona tiana.

7. TSY FANOMEZANA EZAKA INTSONY REHEFA AZONAO IZY
Rehefa efa azonao ilay olona dia tsy midika izany fa tapitra ny fotoana tokony hanehoana fitiavana. Ny fifandraisana dia mila fikarakarana hatrany.

8. TSY FANAJANA.
👉Ny teny manambany
👉fanesoana, fandrahonana,
👉fanalam-baraka, indrindra rehefa misy disadisa, dia mety handratra lalina kokoa noho izay hita ety ivelany.😎

Fa misy zavatra iray tokony hotadidina: tsy mitovy ny vehivavy rehetra. Tsy ireo zavatra 8 ireo ihany koa no mamaritra ny zavatra tsy tian’ny olona rehetra. Ny tena zava-dehibe dia ny mahafantatra izay mahatonga ilay olona miaraka aminao hahatsapa ho voahaja, voaheno ary azo antoka.

Satria indraindray, ny olona tsy miteny hoe “reraka aho” dia tsy hoe tsy manana zavatra holazaina. Mety efa imbetsaka izy no niezaka nilaza… fa tsy nahatsapa hoe tena re.

Ary raha mbola misy zavatra azo amboarina, tsy voatery ho tara. Ny fitiavana matotra dia tsy ny hoe tsy manao fahadisoana, fa ny fahavononana hahita azy, hanaiky azy, ary hiezaka hanova izay azo ovaina.

Iza amin’ireo 8 ireo no hitanao fa tena manimba fifandraisana?

Zah: io faha 6 io no niainako tao anatin'ny taona maro ka aleoko nisitaka sy nandinitena mihintsy hoe aleo tsy misy toy izay hanan-dratsy😢

Dia ilay faha8 ihany koa satria dia sahiny ny nanambany ahy sy milaza tany aminireo vehivaviny maro anisa miaraka aminy sy ireo efa niaraka taminy fa hoe piara miasa fotsiny izahay ,business fotsiny ihany fa zah no mirediredy aminy fa tsy miaraka zany izahay roa 💔 ka zah ndray no lazainy fa mihaboka azy sy marary saina amin'ny fitiavana azy 💔

Nataoko lesona sy ampy ahy ireo

👉Ampy aloha ireo rehetra ireo raha zah manokana tsy vitako intsony ,fa asa ianao mahita ito publication ko ito raha mbola mahazaka ambaniana sy atao tsinotsinona 👉fa ny ahy ny kapoako mihintsy no feno
Ary ny foko no efa tsy mila izay finonana .
👉soa lavo hahay hamindra 💔

Tiavo izy....fa aza adino ny tenanao !😘

24/09/2026

---

Izao no Altamirah ambadiky ny caméra hitanareo isan'andro io. 😂

Simple kely, maka anjara masoandro eto, ary volo mihonahona tsy mihogo.

Ary ianao ao an-trano ambadiky ny findainao ao, mba manao ahoana? 😅

Alefaso eo amin'ny commentaire ho jereko!

🦁 ALTAMIRAH

22/09/2026

❤❤❤❤ La Lionne Altamirah La vezou

bonne soiree tsika iaby 😘

22/09/2026

---

*MAHAIZA MIAKANJO REHEFA MITADY ASA.*

Io fitafy io ihany koa no manamarika ny momba anao sy itsarana anao.

Maotina sy milamina ary madio.

Rehefa mitady asa dia manaova fitafy mendrika foana fa tsy hoe raha hanao fitafy mampiseho bika aman-batana ianao dia ho voaray. Asa no tadiavinao fa tsy sanatria hivarotena na hikoty ny mpampiasa anao.

Miezaha mba ho filamatra eo imason'ny rehetra.

Ny loko ihany koa, mila loko mazava sy tsy manaitra, fa tsy sanatria loko mainty avokoa no hita eny aminao. Tsy hamonjy fahoriana akory. 😁

Ataovy tsotra nefa milamina ny volo, akanjo, kiraro, eny fa na io hohon-tanana io aza, na tsy misy vernis dia mba ataovy madio.

*Ny fahadiovana no maha matotra anao voalohany.*

IO FOMBA famaly resaka io ihany koa dia mila amboarina 👑

Mirary soa antsika rehetra indrindra fa ireo mitady asa mba hahita asa tsara
Aza adino ny mivavaka fa tena manova zavatra 🙏🙏🙏

Vitanao io💪💪💪

Vous voulez que votre entreprise soit Salon De Beauté la plus cotée à Rouen ?
Cliquez ici pour réclamer votre Listage Commercial.

Site Web

Adresse


Rouen

Heures d'ouverture

Lundi 09:00 - 20:30
Mardi 09:00 - 20:30
Mercredi 09:00 - 20:29
Jeudi 09:00 - 20:30
Vendredi 09:00 - 20:30
Samedi 09:00 - 20:30

Notifications

Soyez le premier à savoir et laissez-nous vous envoyer un courriel lorsque Altamirah La vezou publie des nouvelles et des promotions. Votre adresse e-mail ne sera pas utilisée à d'autres fins, et vous pouvez vous désabonner à tout moment.

Souscrire

Nous vous informerons quand tout se passe à Rouen.