Centre Hospitalier de Référence de Distrct Ambatolampy

Centre Hospitalier de Référence de Distrct Ambatolampy

Share

minsan104

Photos from Centre Hospitalier de Référence de Distrct Ambatolampy's post 23/10/2025

Mankasitraka ny Association Miharo manohy hatrany ny fiaraha-miasa amin'ny CHRD Ambatolampy amin'ny fanomezana fanafody sy fitaovana itsaboana isan taona mba hanampiana ireo sahirana.
Andriamanitra hamaly fitia ary mangataka ny hitohizan' izany fanampiana ny CHRD Ambatolampy izany .
Nos sincères Remerciements à l'Association Miharo pour leurs dons en medicaments et consommables médicales.
Celà nous a aidés beaucoup pour la prise en charge des patients vulnerables et en urgence.
Nous souhaitons la perpetuité de cette collaboration pourquoi pas une extension de cette mutualité
Que Dieu vous benisse.

Photos from Centre Hospitalier de Référence de Distrct Ambatolampy's post 23/10/2025

Fanentanana momba ny fitsaboana Zaza mivadi-tongotra Kominina Ankaratra,
Misaotra ny mpandray anjara rehetra ,ny Ben'ny Tanàna Tiafajavona Ankaratra sy ny chef CSB ,ny ekipa CHRD Ambatolampy
Tadiavo ary ireo zaza manana tongotra mivadika mba ho entina tsaboina na toroina .hevitra .Emy amin'ny Service Kinesitherapie CHRD Ambatolampy isaky ny Talata
Tsinjovy ny ho avin'ny zanatsika.

Photos from Centre Hospitalier de Référence de Distrct Ambatolampy's post 21/10/2025

Sensibilisation sur la prise en charge pied bot Commune Sabotsy Namatoana District Ambatolampy avec AMPR, CHRD Ambatolampy, Delegué Communale,Chef CSB,Miracle Feet.
Remerciements à tous les participants.

Photos from Centre Hospitalier de Référence de Distrct Ambatolampy's post 15/10/2025

Mittohy hatrany ny fitsaboana Zaza mivaditongotra eto amin'ny CHRD Ambatolampy, Zaza 3 andro ka hatramin'ny 3 taona no voakasik'izany.Tongava ao amin'ny service Kinesitherapie CHRD Ambatolampy Maimaim poana ny fitaovana fa sarany kely dia kely no no aloha eo amin'ny cession

28/09/2025

Noho ny zava-misy eto amin'ny firenena dia tsy tontosa ny operation iharahana amin'ny Tsiky Run satria foana ny sidina tokony nandehanany ka ialàna tsiny indrindra ho an'ireo mpisitraka izany

Photos from Centre Hospitalier de Référence de Distrct Ambatolampy's post 23/09/2025
Photos from Centre Hospitalier de Référence de Distrct Ambatolampy's post 23/09/2025

Ilazana isika rehetra manodidina eto amin'ny faritra Vakinankaratra fa hisy indray ny fandidiana maimaimpoana iarahana amin'ny Association Tsiky Run avy ao La Réunion mpiara miasa hatramin'izay tamin'ny CHRD Ambatolampy sy ny ministeran'ny fahasalamana ny Alahady 28 Septambra 2025 ka hatramin'ny 04 Oktobra 2025 ho avy izao,ka io 28 Septambra io no atao ny fizahana rehetra.
Ireto avy no tolotra amin,izany
1.Fandidiana Sima sy lanilany (bec de lièvre, fente labio-palatine)
2.Fandidiana Hernie
3.fahasamponana eo amin,ny filahiana sy ny voa ary ny lalan'amany toy ny ectopie testiculaire(voany tsy ao amin,ny kitapony na bourse),hypospadias,phymosis.

Zaza latsaky ny 15 taona no atao ka milanja 10 kg mahery

Iantohana manontolo ny fandidiana rehetra sy ny fanafody ny miaraka amin'ny sakafo mpanaraka 1.
Tongava ary misoratra anarana haingana mivantana ety amin,ny CHRD Ambatolampy na ny CSB akaiky anao na alefa MP,na whatsapp fa herinandro sisa.
Ireto avy no ilaina:
1.Anarana feno
2.Taona
3.Lanja
4.Anaran"ny Ray sy reny
5.Adiresy mazava sy telephone ahazoana
6.Ilay aretina hodidiana ,anontanio ny mpiasan,ny fahasalamana akaiky anao aloha sao tsy anisan'ireo voalaza ireo alohan'ny hanoratana anarana
Tongava maro ary isika rehetra fa izahay eto amin'ny CHRD Ambatolampy dia tsy mitsahatra ny mirary fahasalamana ho antsika .Manonona ny Fiadanana ho amintsika rehetra
Ny CHRD Ambatolampy

Photos from Centre Hospitalier de Référence de Distrct Ambatolampy's post 22/09/2025

Fiadanana,Mitohy ny fiaraha-miasa iarahan'ny Hopitaly CHRD Ambatolampy sy ny Association Tsiky Run ,ka amin'ny 28 Septembre 2025 (mandritra ny 5 andro) izao indray no hisy fandidiana maimaimpoana ,Tongava misoratra anarana haingana ety amin'ny CHRD Ambatolampy ary.
Zaza latsaky ny 15 taona ary maherin'ny10kg
Misy sima sy lanilany vaky
Hernie
Fahasamponana hafa amin'ny filahiana
Vonjivonjeo fa herinandro sisa . AMPITAPITAO ,voafetra ny toerana.
Dr Antonia Marcelle

13/09/2025

Une de mes publications a obtenu plus de 100 réactions la semaine dernière. Merci à tout le monde pour votre soutien ! 🎉

07/09/2025

Koa amin'ny fifaliana no hantsakanareo rano amin'ny loharanom-pamonjena. — Isaia 12 : 3

Want your business to be the top-listed Beauty Salon in Ambatolampy?
Click here to claim your Sponsored Listing.

Category

Telephone

Website

Address


RN7
Ambatolampy
104