Miss Manja
Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Miss Manja, Health/Beauty, Ambohidratrimo.
03/12/2025
🙏🙏🙏
Andriamanitra tsy Andriamanitry ny lasa ka liana ny amin'ny tantaram-piainanao fa Izy dia Andriamanitry ny hoavy ary Andriamanitry ny famindram-po ka manome anao izay tsara indrindra amin'ny hoavy.
03/12/2025
👌👌🤞🏾
👉Ndao hiaraka hilaza hoe : Tsy matahotra aho
Rehefa mitady hatahotra sy ho kivy dia tonga dia lazao hoe « Tsy matahotra aho »
Satria Jehovah no momba ahy, satria Jehovah no miaraka amiko, satria Jehovah no manohana ahy
Tsofintsika rano ilay namantsika nahazo ilay entana🎁💐
Mirary soa sy fahombiazana be ho antsika rehetra✅♥️🏆
08/10/2025
Fiadanana💐💐💐
AZA ATAO LATSA-DANJA NY FIAINAM-PANAHINAO!!!
NA SAMY MIASA, MIANATRA, MIKARAKARA TOKANTRANO…….DIA ATAO VONONA FOANA NY MOMBA ANAO RAHA TONGA JESOSY✅
MIANÀRA, MIASÀ, RAISO NY ANDRAIKITRA TOKONY HO RAISINA, FA TANDROVY NY FAHADIOVANAO MBA TSY HANAN-TSINY IANAO RAHA TONGA NY MPAMPAKATRA❤️✅💍
11/09/2025
Fa tena marina anie ilay hoe ataon’Andriamanitra miavaka ny manompo AZY eh💐❤️🫶🙏
heyyy!!!
adidiny anie ho'ah ny zanaNY sy ny asan'ny tànaNY eh💐🥰♥️
ny anjarantsika dia ny Mino-Manaiky-Mankatoa ny teNINY🤗🙏👼
05/09/2025
Hey!!!=> Jaona 1: 12«Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery(anarana, fahefana) ho tonga zanak’Andriamanitra dia izay mino ny anarany»
WoW 😍, mahalaza zavatra be dia be ilay Teny, tamin’ny fotoana aho izany nandray an’i JESOSY teo amin’ny fiainako, dia niaraka tamin’izay ihany koa ny nanomezana ahy fahefana lasa ZANAKA,tsy hoe mpanompo, mpiasa, mpiandraikitra, fa ZANAKA
ZANAKA=> Romana 8: 17«Ary raha ny zanaka, dia mpandova; eny, sady mpandova an’Andriamanitra no mpiray lova amin’i Kristy koa, raha miara-miaritra aminy isika mba hiara-manam-boninahitra aminy koa.»
NANDRAY AN’I JESOSY= ZANAKA->MPANDOVA: manana fahefana
Tamin’ny fotoana nandraisako an’i JESOSY izany kay dia voasoratra fa mpandova aho(fiainana ara-panahy) marina tokoa satria izay manana ny ZANAKA(JESOSY) ihany no manana ny FIAINANA, sarobidy ny mandrakizay, aiza no andaniantsika azy???
Fa fantaro fa tsy mila manao didy miafina, mandoa vola, manao kolikoly vao afaka ny hanana ny fiainana sy hahatonga ho mpandova, FA NY FANANANA AN’I JESOSY, fiaretana( manohatra fahotana, miala amin’ny fahazaran-dratsy,…mety hisy fanenjehana, tany efitra: FA AMIN’NY FOTOANA IANAO MANANA AN’ILAY FIAINANA DIA MANANA FIADANAM-PO SY FITSAHARANA NA DIA MIATRIKA AN’IZANY AZA, ARY NY VALISOA LEHIBE INDRINDRA DIA IANAO HIARA-ANDOVA AMINY WoW💐🗝🎁
Tahaka ny vehivavy miteraka : miaritra fanaintainana, fangirifiriana, misotro ny rano tsy tiana, fa rehefa tonga ny harena kely toa sady tsy narary izany no sady feno fifaliana, tsy tsaroanao intsony ilay ora naharariny teo❤️, toy izay ilay fiaretana,
RAISO NY FANALAHIDY AHAFAHANA HO MPANDOVA!!!
🕊JESOSY NO FIAINANA🕊
👸🫅🤴⚜️🔑
👦👧❤️
🫅💐🗝
04/09/2025
❤️9 taona….❤️🤞ny tantaranay🫣😏
Hirehareha kely ny amin’ny fitiavan’i JESOSY anay mivady aho androany💯 eny e tsy androany ihany fa isanandro dia ho hirainay fa IZY no nahatoy izao anay💐
Mpinamana tsotra tsy nisy fangarony izahay taloha(samy mpidera)🤭
Samy nanana ny olon-tinay izahay😌, fa asa hoe inona angah ilay zava-nitranga fa vetivety teo dia samy tsy nanao sipa indray de hoe niaraka😂( niaraka mangingina)
Izahay moa izany dia nifanohitra be tamin’ny lafiny rehetra:toetra, fiainana,….
Nandeha ny fotoana dia nisy sedra nolalovanay tao anatin’ny fiarahana❤️🩹
Za olona mbola lycéenne tamin’izany(vao avy tsy afaka bacc de namerin-taona😂🙄)(za amin’ilay tsy mba nahay nandanjalanja an’ilay fianarana sy fitiavana dia olona faha 3 sy mba nahay tao am-pianarana lasa tarÿ amin’ny faha 32 amin’ny ankizy 50😭😴( andrekaikooo)
Ozy aho ny farany ô ry Jesosy ah, rehefa anabe problème anah ohatr’izao ty lelah ity de esory tany fa manahirana be🤧,
Vao maika tsy niala, oadrayyy😂😂😂, ny olana dia izahay tsy nisy olana fa ny fiarah-monina no nisy olana😂( mba enjana anie)
Fotoana lavalava vitsy taty aorina dia nasianay porofo ilay Love Love, nifanaiky sy nifanao sonia teo anatrehan’ny Tompo sy ny fanjakana hoe Zahay tsy maintsy miaraka dia teboka🤭( mifona mifona)
Fa ity teboka ity anie mba raiso eh:Hay ty tokantrano tsy kilalao😏, tsy vitan’ny je t’aime, dia varina nitady vola sy vahaolana sy niezaka nietsika tamin’ny fahalalanay sy ny fahaizanay izahay, adinonay ilay anjara asa sy fahasoavana nomen’Andriamanitra anay ny amin’ny maha MPIDERA ahy sy ny andraikitra nametrahan’Andriamanitra azy tamin’ny fanompoany, varina loatra….hany ka na nifankatia sy nifanaja aza dia tsy nisy fiadanana be satria tsy tena ilay FIADANANA no navelanay nitondra ny fiainanay fa izahay, tsy ILAY FIAINANA nanorenanay ny tokantranonay no navelanay nanjaka fa izahay sy ny fahaizanay, vao maika navelanay teo ny asa fanompoanay sy ny antsonay fa varina tamin’ny fiainanay izahay, niala tamin’ny sitrapon’Andriamanitra mihitsy🤧😭…….
Fa soa Andriamanitra fa mpamindra fo sy tena naneho fa mbola tia anay dia tamin’ny fotoana izahay niverina TAMINY dia hay IZY efa niandry anay fotsiny🎁😭 efa voaomany ilay akanjo, peratra,….ny foNY tsy niala taminay fa izahay no niala taminy😴
Dia tafaverina tamin’ilay lalana sy planina ary drafitr’Andriamanitra ho amin’ny fiainanay izahay=> nanome mission anay IZY, tsy ho fampandrosoana ny fiainanay na hikarakara ny fiainanay sy ny taranakay, fa ho anao🤞💯
Fantaro fa tsy misy tian’Andriamanitra hiaina fiainana feno alahelo sy fahoriana ary ranomaso ary sento, fahamoizam-po izany(ENY TOMPOKO)
Za androany te hanambara aminao 100% fa raha tsy niverina tamin’Andriamanitra ny fonay tsy afaka ny niainana an’izany atao hoe fiadanam-po izany izahay, ary na za aza tsy afaka ny hampahery sy hijoro vavolombelona toy izao akory(wow Misaotra JESOSY)🕊🗝
Ho anao androany, na inona fijaliana, olana, aretina, fahoriana, NY VAHAOLANA TOKANA AZOKO OMENA ANAO ANDROANY DIA MIVERENA AMIN’ILAY FIAINANA (JESOSY NO LALANA SY FAHAMARINANA ARY FIAINANA)
Raha mety ianao dia sokafy ny fonao, dia omeo an’i JESOSY HO TONGA SEZA FIANDRIANANY,
Mety hoy ianao hoe, za anie mpanota e, za mpijangajanga, za efa tsy misy jerena intsony, FA FANTARO ANDROANY FA IZAY MIHITSY NO NAHATONGA AN’I JESOSY NANAIKY HO VONOINA SY MATY DIA NY HANOME FIAINANA HO ANAO
Ahoana ary ny tokony ataoko raha te ampiditra an’i JESOSY amin’ny fiainako aho?
=>1- [ Isaia 59:1-2]= esory ilay efitra mampisaraka aminao sy Andriamanitra=> fahotana, raha tsapanao fa mbola misy fahotana, fahalotoina dia mila ialana aloha izany: mibebaka=> manenina ny amin’ny ratsy natao, mifona sy mibebaka marina, ary tsy mamerina izany intsony(Sarihako ianao hamaky ny Lioka 19:1-10, ny amin’ny tantaran’i Zakaiosy)….atolory an’i JESOSY NY FIAINANAO REHETRA, raha tsapanao fa ny fonao foana no olana sy efitra dia ento eo amin’i Jesosy, dia manomboka raiso amin’izay JESOSY hanjaka amin’ny fiainanao
=> ny fahotantsika dia tahaka ny fako be ao anaty efitrano iray, sady tsy afaka ny hatoriana, hisakafoanana, hampidirana fanaka vaovao sy entana raitra mihitsy aloha raha tsy afaka ilay fako, dia toy izay koa, miala ny fahotana dia izay vao afaka ny androso JESOSY❤️🕊
Izahay vavolombelona fa raha tsy afaka aloha izay fako tamin’ny fiainanay tsy mba afaka ny nanana sy niaina ilay teny fikasana izahay hoe IZY AVY MBA HANANANAY FIAINANA SADY HANANANAY BE DIA BE ❤️❤️❤️
Fehiny: Genesisy 1: 31, Genesisy 1:26-30
Ho aminnny fahatsarana ny namoronana antsika, ho amin’ny fahatsarana ny nanomezan’ANDRIAMANITRA ny fiainantsika fa vokatr’ilay fahotana dia very izany fahatsarana izany,
Ny ahafahantsika ho tafaverina amin’izany dia tokana ihany, MIVERINA AMINY🤝💐
Lava be ve, hinoako fa raha mangetaheta ianao tao anatin’izany dia handray fanapahankevitra entitra ny amin’ny fiainanao❤️❤️❤️
Tian’ILAY NAMORONA ANAO IANAO HIAINA AMIN’ILAY TENY FIKASANY
TIA ANAO LOATRA IZY💯🎁
🎁
😇
🤝❤️🩹
🤞🤞🤞
03/09/2025
❤️MIZARA NY SOA❤️ (somary lavalava kely)
24 taona izay no niainako teto an-tany🤭, tena betsaka ny zavatra niseho, niainako, nolalovako, nodinganiko,…..
Efa nandalao fifaliana be aho, nandalo ranomaso be ihany koa, efa nilavo lefona aho, efa tafitohina aho, efa nankahala aho, efa nizara fitiavana aho, efa nanampy olona aho, efa nampian’olona aho, raha tanisaina dia mbola mila fotoana lavalava mihitsy,….
Raha ny zavatra efa nolalovana sy niainana dia nisy fotoana efa saika nampamoy fo ahy mihitsy😏, maro ny olona mahafantatra ahy nahatsapa sy nahita fa izaho dia olona mora milavo lefona, be ranomaso, mora voadona,…
Fa wow ity zaho mbola eto satria nisy mpanohana aho ary mbola misy hatramin’izao😇❤️: iza?????(ho valiako etsy ambany)
Tamin’ny fotoana za tena hoe tany amin’ny farany ambany indrindra, efa diso fanantenana, efa nanamelon-tena no indro fa nisy RAY nisintona ahy hiverina amin’ILAY lalana sy planina efa voaomana ho ahy🫶😭
Nomeny fiainam-baovao, fifaliana, fiadanana…😇izay ILAY MPANOHANA AHY VOALOHANY, ILAY ANDRIAMANITRA TOMPOIKO
Tiany loatra aho dia tsy vitan’izay hoe novonjeny fa mbola nofenoiny ny banga rehetra❤️, nomeny CADEAUX be ihany koa aho ho mpanohana ahy faharoa dia ireo vady aman-janako👨👧👦❤️
Fa teo koa anie ny mpiray tampoa, ankohonana, fianakaviana, namana nahatoky: nanampy sy nanosika ahy hatrany
Raha ny fananganana vaovao niainako dia tsy ampy fotsiny ny fisaorako, fifaliako sy fankasitrahako🥹,
Mafimafy ny vaninandro iainantsika izao,
Maro be ny vehivavy toa ahy any ambadika any, eny mety hoe mpanaraka ato, mety niatrika fahalavoana ihany koa, fa mety hoe tsy misy na dia ny hampahery sy hampianatra na hanome torohevitra aza🥺
Mety ho lehilahy ihany koa🥺
Mahatsapa sy manaiky aho fa manana trosa mila aloa aho manoloana an’izany rehetra izany😍
Nomena maimaim-poana aho dia hizara maimaim-poana🎁
Ary tsy afaka ny hilaza fa nahatratra ny tanjoko aho raha tsy efa vita ny iraka nampanaovina ahy😇😌 MIZARA NY SOA💯
Efa tamin’ny 2022 aho no namorona an’io Page «Mizara ny Soa» io, ny tanjoko tamin’izay dia mba hamoaka vidéo ako mihira sy manao publication hisarihana abonnés fotsiny ihany, fotoana fohy anefa dia nofafako ilay page fa KAMO aho🙄😒😏, tena hoe hanala andro fotsiny
2023 indray aho nanokatra ity «miss manja» ity nataoko hivarotana sy hizarana fikafika=> tombontsoa ho ahy manokana no nanokafako azy hatrizay🫣
Na manao partage momba ny fampaherezana sy fijoroana vavolombelona aza aho dia tamin’ny compte-ko manokana foana😴
Ankehitriny izaho mahatsapa hoe tsy ny Rouge à lèvres sy poster pvc sy ny robe sy ny fanomezana ara-materialy ihany no tena ilaintsika fa mbola misy mihoatra izany😌😇, any ohhhhh🥰🥰🥰
Hifanome tànana isika, hifanohana, hifanampy, hifanarina💯
Zaho miteny aminao hoe raha misy olona
hitanao na fantatrao fa mila fanohanana dia aza misalasala sy manao andraso andraso❤️❤️❤️❤️ zarao fitiavana, fifaliana, izarao soa ny manodidina anao😘😘😘
Mety tsy ara-materialy ihany no ilainy, ary mety tsy ahavita izay ilainy akory aza raha ny vola sy materialy hananantsika fa indraindray na fanohanana ara-bavaka, ara-môraly dia efa zava-dehibe ho azy
Izaho manokana dia vonona ny hifandray tanana sy hizara aminao hoe AIZA ary IZA ILAY FIAINANA🤞🤝
Izay ilay MIZARA NY SOA❤️💯
😘Fihina mamy 😘
🍀💐
🌹❤️
🕊🗝
03/09/2025
🥰Akoryyy 🥰
Ny antony nanokafako ity «page» ity moa izany dia hifampizarantsika zavatra mahasoa, varotra, resadresaka,….🫶🫶🫶
Raha somary nifantoka kokoa momba ny varotra isika hatramin’izay dia misy «projet» kely iray indray tianay ho asongadina manomboka androany😊😇
=>❤️ « MIZARA NY SOA»❤️
Mandeha foana ihany ny varotra annn, fa mitombo indray ny fifampizarana atao ato😍
Mety hisy fotoana hihaonana isika, iresadresahana, fotoana hifampianarana, hifampizarana traikefa, hifampaherezana, be dia be….🥹😇(mety hoe hisy liana ve raha ho avy izany fotoana izany😌😉?)
Raha izaho aloha dia vonona sy mba te hifankahita aminareo ehh😁🫶,
Mbola ho azavainay eto ihany moa ny antony sy ny tanjona ao anatin’io «MIZARA NY SOA»io😘🫶(ianareo ve liana?)
❤️Oroka sy fihana mamy❤️
Click here to claim your Sponsored Listing.
Category
Culinary Team
Attire
Website
Address
Ambohidratrimo