Salama ABY

Salama ABY

Share

Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Salama ABY, Health/Beauty, Ampitatafika.

07/12/2025

VACCIN CONTRE CANCER DU COL DE L'UTÉRUS. FISORATANA HOMAMIADAN'NY VOZON'NY TRANONJAZA 📍AZA ADINO📍 8-9-10-11-12 Décembre
Vaksiny Faobe ho fisorohana ny homamiadan'ny vozon'ny tranon-jaza ho an'ny zatovovavy 9-14 taona, tanterahina manerana ny Nosy, eny amin'ireo CSB sy Sekoly akaiky anao.
‼️ MAIMAIMPOANA ‼️
Koa entanina ary isika Ray aman-dreny sy Mpampianatra hitondra ireo zanakantsika satria Fahasalamana no voalohan-karena.
Vaksiny fisorohana ny Cancer du Col,azo antoka efa vita sedra. Firenena maro no efa nisitraka, anjarantsika eto Madagascar izao ka mahaiza manararaotra.

02/12/2025
02/12/2025

Salama ABY o

---

🌸 Œuf clair / Fitondrana vohoka nifarana aloha (Grossesse arrêtée) – Fanazavana sy Fampaherezana 🌸

Ny œuf clair dia toe-javatra miseho rehefa manomboka ny fitondrana vohoka, fa tsy mivoatra ny zaza ao an-kibo. Mety hita amin’ny échographie fa mivoatra ny kôka (sac gestationnel) fa tsy hita ny embryon. Matetika dia tsy noho ny hadisoan’ny reny izany, fa vokatry ny tsy fitoviana génétique na lesoka tamin’ny dingana voalohan’ny fitondrana vohoka.

🔍 Antony mety mahatonga azy

Olana tampoka teo amin’ny fizaràn’ny sela

Tsy fitoviana génétique

Tsy fahampian’ny fivoaran’ny atody na ny tsirinaina
➡️ Tsy vokatry ny sakafo, na fihenjanana kely, na hadisoan’ny reny izy ity.

🩺 Inona no fandraisana an-tanana (prise en charge) ?

Raha voamarina amin’ny fanadihadiana ara-pitsaboana (échographie sy prise de sang) dia mety omena ireto safidy ireto:

1. Miandry (attente) – Indraindray dia mivoaka ho azy ny kôka.

2. Fanafody hanampy ny vatana hanary ny tsy mivoatra.

3. Curetage / Aspiration raha ilaina, araka ny torohevitr’i dokotera.

Zava-dehibe:
👉 Mifanakalozeo hevitra amin’ny mpitsabo.
👉 Aza misotro fanafody na manao fitsaboana an-trano raha tsy avy amin’ny matihanina.

💗 Teny fampaherezana

Tsy mora ny mandalo toe-javatra toy izao. Manimba fanantenana, mankarary, ary mitaky fotoana hialana sasatra sy hanasitranana.
Tadidio, ianao tsy manirery.
Tsy fahadisoanao izany, ary mbola afaka miteraka tsara ianao amin’ny ho avy. Omeo fotoana ny tenanao, ary aoka ianao tsy hanala baraka ny alahelonao. Ny vatanao sy ny fonao dia samy mila fikarakarana sy fitiavana.

🌺 Mampahery anao izahay. Aza misalasala mitady fanohanana amin’ny fianakaviana, mpiara-miasa, na matihanina.

20/11/2025

20/11/2025

Salama daholo o . Sahirana enao vao bevohoka na vao mahazo zaza ? anisan'ny mahatonga izany ny " trompe bouchée" na tsentsina trompe.

🌸 1. Inona no atao hoe obstruction tubaire ?

🔍 Inona ny “trompes bouchées” ?
Ny obstruction tubaire dia fikatsoan’ny iray na ny roa amin’ny trompes de Fallope, ka misakana ny fihaonan’ny atody sy ny tsirinaina.
👉 Antony mahazatra mahatonga tsy fahazoana zaza.


🌸 2. Soritr’aretina

❗ Matetika tsy misy soritr’aretina mihitsy.
Fa mety hiseho ihany koa :
• fanaintainana kibo ambany maharitra
• fadimbolana tsy milamina
• tantaran’ny aretina ao amin’ny tranon-jaza
• fahasarotana miteraka


🌸 3. Antony mahatonga azy

Ireto no antony mety hiteraka trompes bouchées :
• Aretina (salpingite, IST tsy voatsabo)
• Endométriose
• Fandidiana tao amin’ny kibo na tranonjaza
• Vokatra navelan’ny grossesse extra-utérine


🌸 4. Ahoana no famantarana azy ?

🧪 Ahoana no ahitana azy ?
• HSG (hystérosalpingographie)
• HyCoSy
• Cœlioscopie
• Échographie manokana


🌸 5. Fiantraikany amin’ny fahavokarana

🌱 Raha trompe iray ihany no mikatona dia mety mbola azo atao ny bevohoka voajanahary.
Fa raha roa izy no voakasika, dia mila fampitsaboana manokana (toy ny FIV).


🌸 6. Fitsaboana

🔧 Misy vahaolana !
Miankina amin’ny toe-javatra :
• fandidiana hanokafana na hanamboarana ny trompe
• fitsaboana aretina sy fivontosana
• FIV raha tsy mety amin’ny fandidiana


🌸 7. Hafatra mampahery

💛 Maro ny vehivavy manana trompes bouchées nefa afaka mitondra vohoka noho ny fitsaboana mifanaraka aminy.
Samy hafa ny toe-javatra, fa misy foana ny safidy.


🌸 8. Fisorohana

🛡️ Mba hisorohana ny obstruction tubaire :
✓ mitsabo haingana ny IST
✓ mitantana tsara ny endométriose

17/11/2025

Salama daholo o . Mirary herinandro feno fahasalamana sy fahombiazana ho anao.
Hiresaka mahakasika ny fahasalaman'ny reny sy ny zaza isika mandritra andro maromaro.
👩‍⚕️👩‍⚕️Inona avy ary ire antony sy Fisorohana ny Fiterahana Tsy Tonga Volana (Accouchement Prématuré)

Ny fiterahana tsy tonga volana dia miseho rehefa miteraka alohan’ny 37 herinandro. Zava-dehibe ny fahalalana ny antony sy ny fomba hisorohana azy.

📌 Antony Mety Miteraka Fiterahana Tsy Tonga Volana

Areti-mifindra (urinaire, génitale, sns.)

Tosidrà avo na diabeta mandritra ny fitondrana vohoka

Fitondrana vohoka kambana

Fiakaran’ny adin-tsaina sy havizanana tafahoatra

Fihinanana toaka, sigara na zava-mahadomelina

Tsy fahampian-tsakafo

🟢 Ahoana no Hisorohana Azy ?

Fanaraha-maso tsy tapaka amin’ny mpitsabo

Fihinanana sakafo mahasalama

Fialana amin’ny sigara, toaka ary zava-mahadomelina

Fitantanana ny adin-tsaina sy torimaso ampy

Fisorohana sy fitsaboana areti-mifindra

Fitandremana ny fahadiovana manokana

👉 Ny fikarakarana mialoha no antoka lehibe amin’ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza.
❗ Manatona mpitsabo raha misy soritr’aretina mampiahiahy.

# salamaaby

10/11/2025

Pour votre santé
“Cette semaine, prends soin de ton corps et de ton esprit. De petits gestes chaque jour font une grande différence.”

10/11/2025

👋Salama ABY o
👉Fantatrao ve fa…
Ny torimaso tsy ampy dia manimba ny hery fiarovana (immunité)?
Miezaha hatory 7–8 ora isan’alina 💤
Mirary fahasalamana ho antsika rehetra hatrany o 🙏🙏

06/11/2025

👩‍⚕️👩‍⚕️Salama aby o
Ra miakatra na ambony ny tosidra rehefa mitondra vohoka
🙏Fanaraha-maso tsy tapaka ny tosidrà mandritra ny fitondrana vohoka
👉 Tena tsara manana ireny tensiometre electronique ireny ahafahana manaramaso tsy tapaka ny tosidraanao
🙏 Consultation gynécologue obstétricien

👉Mety misy fotoana mety hiditra hôpital
Ary mety mila fandidiana maika mba hisorohana ny fiantraikany grave amin'ny fahasalaman'ny reny sy ny Zaza na MBOLA TSY TONGA VOLANA AZA NY ZAZA INDRAINDRAY FA VONJY AINA NO ATAO
👉 Mety matetika hanao analyse maromaro sy échographie hanarahana maso ny fahasalaman'ny reny sy ny zaza
👉Fisotroana rano sy fihinanana ara-pahasalamana

👉Fandehanana manao consultation amin’ny mpitsabo

🙏 Araho maso Ary ny fahasalamanao


aby

31/10/2025

👩‍⚕️👩‍⚕️ salama daholo o . Andao hiresaka mahakasika ireo ANTONY HANDEHANANA ANY AMIN’NY GYNÉCOLOGUE

Vehivavy ve ianao? Mahafantatra ve ianao hoe maninona no ilaina ny manantona gyneco?

Ireto misy antony 8 mahazatra mahatonga ny olona ho any amin’ny gyneco:

1. Fanaraha-maso isan-taona – Hijerena ny fahasalamana amin’ny ankapobeny.

2. Pap test – Ho fisorohana ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza.

3. Fisorohana sy fitsaboana IST – Ho fiarovana ny fahasalamana ara-pananahana.

4. Olan'ny fadimbolana na hormonina – Toy ny fanaintainana, tsy fahatomombanana.

5. Fanomanana ho bevohoka – Na faniriana hiteraka na fanaraha-maso.

6. Fisorohana vohoka – Fomba maro azo isafidianana.

7. Fitarainana hafa – Toy ny fanaintainan-kibo na fivontosana.

8. Fanombohana fiainana ara-pananahana – Ho an’ny tanora sy izay te hahalala bebe kokoa.

Aza miandry olana vao manatona. Ny fahalalana no fiarovana!
Dokotera Antony, Gynécologue.


aby
salama

29/10/2025

Salama daholo o
Ireto misy fihetsiketsehana tsotra atao an-trano

> � Tsy mila fitaovana be, mila finiavana fotsiny!
Ataovy izao fanazaran-tena tsotra izao:

Squats (15x)

Plank (30 segondra)

March sur place (1 minitra)
Avereno intelo.

28/10/2025

Salama daholo o , maro ireo olana sy raritsaina am'izao fotoana izao izay mety hiteraka aretina ka noho izany dia ilaina ny fialan-tsasatra sy fitantanana adin-tsaina

> 😌 “Raha miala sasatra ny saina, miala sasatra ny vatana.”
Andeha haka aina kely: mankanesa any amin’ny toerana mangina, miala amin’ny finday 10 minitra.

Want your business to be the top-listed Beauty Salon in Ampitatafika?
Click here to claim your Sponsored Listing.

Category

Website

Address


Ampitatafika