An'S Melody
😍 Andao isika hikarakara volo 😍
Coucou les chéries 👋😁.
Andao ary androany hiresaka momba ny "bain d'huile" , " leave-in" , ary " scellage" indray isika eh😊.
🌻 BAIN D'HUILE:
Ny bain d'huile dia huile végétale iray na maromaro ( 2 na telo ohatra), ahosotra amin'ny odi-doha (somary o***a kely), sy ny volo rehetra, izay atao alohan'ny hanasana loha, mandritra ny adin'ny iray na alina manontolo mihintsy. Manome sakafo ny volo izy(nutrition), ary miaro azy tsy ho mora simba (reparation). Arakaraky ny porosité hatrany ny menaka ampiasaina amin'ny volo😊, NB: tsy hoe rehefa maina be ny volo dia menaka no ilainy , aaa tsy voatery , mety hoe tsy ampy hydratation izy dia hydratation indray eo no omena azy.
🌻 Leave in:
Ny leave in dia soin iray atao amin'ny volo, mitovy fiasa amin' ny Apres-shampooing izy io, fa izany hoe soin tsy kobanina, rehefa voasasa ny loha dia asiana leave-in , ny leave-in dia mety ho gel, mety ho crème ( ohatra amin'ilay gel : gel de lin, gel d'aloe vera, sns.... natoraly hatrany ireo a, fa misy koa ny leave in efa vita).
Manome hydratation be ny volo ny fanaovana leave in( tena mety amin'ny volo maina izy noho izany), malefaka ery ny volo, mora bangoina, miaro amin'ny masoandro be sy ny rivotra be koa izy, mi-definir tsara ny boucle ihany koa izy ho an'ny volo de nature curly, mivoaka tsara ny ondulations ho an'ny volo wavy, dia tsara be koa ho an'ny lisse😁😍.
🌻Scellage:
Ny scellage indray dia afaka atao kanefa tsy voatery atao rehefa manao leave-in.
Menaka ahosotra amin'ny volo rehefa avy nasiana leave-in izy io, mba hitazomana tsara ilay hydratation( hi-scelle-na tsara ilay hydratation). Menaka mifanaraka amin'ny volo foana no ampiasaina a😍.
Misaotra anareo hatrany manaraka tsy tapaka oh🙏😍. Mirary soa be dia be dia bisous mamy be 😁💋💋.
Coucou! nareo😍✋. Salama va?, hihihi😁.
Ireo karazana soins tokony atao satria ilain'ny volo indray aza no resahintsika😍.
👉 Soins Clarifiants na Clarification: io tena tsara atao rehefa hanomboka hanao retour ianao👌( indraimandeha isam-bolana na indraimandeha isakin'ny roa volana ihany, miankina amin'ny fahasalaman'ny volonao ihany io, afaka tsy atao intsony ary rehefa hita sy tsapa fa tena efa salama ny volo. Tandremo fa tsy hoe isakerinandro dia hanao clarification foana😳, tsy mety izany)
👉Soins Hydratants na Hydratation:
Matoa izay ny volonao tsapanao hoe mora misaringotra be(vao jerena dia hita hoe ringitra be na miraikidraikitra sarotra bangoina be rehefa mibango volo), mibotsina be rehefa avy sasana, na hitanao hoe maina lava tsy mba mandina mihintsy , dia tsarovy fa tsy ampy hydratation izy izay. Akora natoraly manakarena rano eto no tena ilain'ny volo mba hanome hydratation azy😊( ohatra: vahona, Legume be rano(ohatra hoe cocombre), sns sns).
👉Soins nourrissants:
Matoa izay ny volonao hitanao hoe tsy mba souple mihintsy, mora tapaka sy vakivaky na Koa hoe tsy mba mangirana mihintsy dia tsy ampy sakafo izy izay, satria toa ny zava manan'aina rehetra dia mila sakafo koa ny volo😊, ny huile vegetale (ohatra: huile coco, olive , sns) dia efa mety ho sakafony, dia miankina amin'ny porosité ny volonao ihany koa ilay zavatra ampiasaina a😊.
👉Soins protéinés:
Matoa izay ny volonao tena hita simba be (noho ny coloration chimique ohatra, na noho ny fampiasana appareils chauffants matetika loatra na koa noho ny fampiasana produits chimiques be loatra amin'ny volo), tsy mitazona hydatation mihintsy dia tsarovy fa mila soins protéines izy izay. Ny atody, avocat, sns, ireo dia afaka atao soins protéines, izay marihana fa indraimandeha isam-bolana ihany ho an'ny faible porosité, ary indraimandeha na indroa isambolana mihintsy ho an'ny forte porosité.
Izay indray ary ny androany😁. Misaotra anareo manaraka ny page.
Bisous mamy be daholo ôôô😁😍💋💋.
Salam'eh!😁😍👋.
Tapak'hevitra hanao retour au naturel amin'izay izany ianao io ve?😁😊.
Efa noresahina tato amin'ny pejy ny fahazarana tokony hanana izay mahasoa ny volo toy ny fahazotoana misotro rano ohatra👌, dia efa samy mahafantatra ny type ny volony daholo koa angamba eh ( efa noresahana tato amin'ny pejy koa izay), dia efa niresaka momba ny porosité koa isika.
Resaka soins clarifiants na clarifications no noresahantsika farany, dia amin'ny publications manaraka aza dia hiresaka ny karazana soins ilain'ny volo indray isika😍.
Araho hatrany ary ny pejintsika, dia mba asaivo manaraka ny pejy ihany koa ilay namana mbola tsy manaraka iny raha mahafinaritra anao ny pejintsika eh😘. Mirary soa daholo namako oh😁.
Salama! Oh😊👋.
Somary hiato kely amin'ny fizarana aloha ny pejy mandritra ny fotoana ela ela kely 😁; fa mbola hiverina indray hizara ho anao amim-pitiavana be😁😊. Dia izay indray ary aloha fa mazotoa daholo mikarakara volo sy mitia azy, dia mirarisoa be dia be ho anareo💖. Tahin'i Jesosy daholo🙏😘.
Coucou!daholo😁😊👋
Rehefa fantatrao amin'izay aza ny porosité ny volonao sy ny soins mifanaraka aminy😊. Dia tsapanao hoe ampy izay fampijaliana azy, ny tsy fikarakarana azy, hitanao fa simba be izy dia tianao karakaraina amin'izay. Dia izao ary eh, atomboy amin'ny "CLARIFICATIONS"👌😁😊.
👉Ny soins clarifiants(clarifications)dia soins atao amin'ny volo , entina hanalana ny voka-dratsin'ny produits(na menaka na shampooing, na après shampooing na masque,sns) izay nampiasaina tamin'ny volo( ohatra hoe nampiasa produits misy silicone be dia manao clarifications mba hialan'ilay silicone amin'ny volo. Rehefa manao clarifications dia matetika maina be foana ny volo satria amin'iny fotoana iny tena trohan'ilay akora natoraly hanaovana clarifications daholo ny zavatra rejetra nipetraka tamin'ny volo, fa tsy maninona izany euh, afaka asiana crème kely na menaka kely ilay volo rehefa avy sasana ka maina😊.Tsy atao foana ny clarifications fa indrai-mandeha isam-bolana ihany na indrai-mandeha isakin'ny roa volana, tandremo sao hoe isak'izay manasa loha dia atao foana, aaa tsy mety izany😁, ary ny volo tena simba no mila manao azy fa tsy maninona raha tsy atao rehefa tena salama ny volonao👌.
Ny karibonetra dia afaka hanaovana clarifications😊. Tsotra ny manao azy: rano iray zinga asiana karibonetra kely, dia iny hanakobano volo farany(fatra kely fotsiny), na ihany koa hoe rehefa ilay manasa loha iny ianao dia asio karibonetra kely ilay shampooing hanasanao loha iny, tsy hoe ny shampooing anao iray tavoahangy asianao karibonetra daholo a, fa ilay fatra ny shampooing ampiasainao amin'iny fotoana hanaovanao clarifications iny ihany😁😊.
Manasa anareo hanaraka hatrany ny pejintsika😊. Dia mirary soa anareo rehetra indray ary oh😊😘.
Huuum😊😁.....Rehefa fantatrao aza ny mety ho porosité ny volonao dia andao indray hiresaka ny soins mifanaraka aminy👌.
-Raha POROSITÉ FAIBLE ny volo dia menaka maivana no ampiasaina(huile d'amande douce,huile de jojoba, huile d'olive,sns) fa tsy menaka mavesatra; tsy dia tsara ny manosotra beurre(beurre de Karité, sns) amin'ny volo faible porosité satria ireny mavesatra. Izay akora ampiasaina na natoraly na tsia dia atao maivana foana. Tsy dia mila soins protéines be loatra(fa une fois par mois dia ampy ny soins protéines), fa soins hydratants tena ilainy be mihintsy✊. Rehefa manisy menaka dia hafanaina kely ilay izy, somary saromana kely ny volo rehefa manao soins mandritra ny temps de pause satria tena tian'ny volo à faible porosité ny hafanana(mampisokatsokatra ny écailles ny hafanana kely). Rano matimaty no hanasana loha dia kobanina amin'ny rano mngatsiaka.
- Raha POROSITÉ FORTE ny volo dia menaka mavesatra no tena mety( huile de coco, huile de ricin,sns),afaka asiana beurre tsara(beurre de Karité,beurre de cacao,sns). Akora mavesatra no atao aminy na natoraly na tsia. Mila soins protéines be ny volo à forte porosité no sady mila soins hydratants be koa. Rano mangatsiaka no hanasana loha dia kobanina amin'ny rano misy vinaigre de cidre kely na citron(ny citron mantsy mampikatona ny ecailles dia tena mety amin'ny forte porosité fa tsy dia mety amin'ny faible porosité).
-Raha POROSITÉ MOYENNE ny volo dia mahazaka tsara izay soins eo izy amin'ny ankapobeny fa tsy dia misafidifidy be loatra( kanefa mety manana ny zavatra mety sy tsy mety aminy ihany izy fa mila mahay mamantatra tsara ny tin'ny volo fotsiny).😊
NB: Averina foana fa samy manana ny volony ny tsirairay, samy manana ny mifanaraka amin'ny azy, mila ianao no mamantatra izay mety amin'ny anao( satria na même porosité aza dia mety samy manana ny menaka maivana mifanaraka amin'ny volony). Fadio ny vokatra misy❌silicone,paraben,sulfate❌.
Araho hatrany ary ny pejintsika, mazotoa daholo ny namako😍😘
27/08/2022
Salam'eh!😁😍👋
Ialana tsiny aminareo mpanaraka tompoko ny amin'ny fisian'ny teny mifangaro, satria indraindray tsy hita ilay teny mahalaza ny tiana ho lazaina raha tsy mampiasa teny vahiny kely. Mialatsiny indrindra tompoko🙏.
Hiresaka momba ny porosité indray aloha isika😊😁.
Ny porosité dia ny fahafahan'ny volo mitroka ny produits hydratants na ny fitrohany ny rano.
Tena ilaina ny mahafantatra ny porosité mba ahafantarana ny soins tokony atao sy ny tsy tokony atao amin'ny volo.😊
Misy karazany telo ny porosité, dia ireto avy izy ireo:
👉POROSITÉ FAIBLE :
Ny hamamtarana hoe porosité faible ny volo dia sarotra mandray soins be izy satria mikatona be na tery be ny écailles de la cuticule ( izany hoe miadana be ny fidiran'ny soins atao amin'ilay volo, kanefa kosa rehefa tafiditra dia tena mipetraka tsara). Rehefa lena ilay volo dia tena ela be mihintsy vao maina.
👉POROSITÉ MOYENNE na NORMALE : io indray dia ny état normal ny fandraisan'ny volo ny hamandoana(hydratation), izany hoe amin'ny ankapobeny dia mety hifanaraka aminy izay soins atao aminy(tsy voatery koa anefa hoe hety daholo fa tsy dia misafidifidy be fotsiny izy)😊.
👉POROSITÉ FORTE :
Ny hamantarana hoe forte porosité ny volo dia mora miditra kely izay soins atao amin'ilay volo kanefa mora mivoaka aingana ihany koa satria misokatra be ny écailles de la cuticule (izany hoe tsy mandaitra ela ny soins, mila fikarakarana be). Rehefa lemana na sasana ny volo dia mora maina, tena mifanohitra ny faible porosité. Matetika dia ny volo simba be ny appareils chauffants, volo nolokoina tamin'ny colorations chimiques, volo simba ny produits chimiques no forte porosité, tsy voatery anefa a, fa ankapobeny io lazaina io.
NB: io amin'ny sary fanehoana io ilay"ecailles de la cuticule".😊
Dia izay indray ary aloha, ho hitantsika amin'ny fizarana manaraka ny soins mifanaraka amin'ny porosité tsirairay😊😁👌.
Mirary farany herinandro soa ho anareo oh😘, tahin'i Jesosy🙏.
Salama! Namako oh😁👋
Hiresaka momba ny volo miongotra indray ary isika oh.
Ety am-piandohana dia tiana ho marihana fa normal raha misy volo mihintsana kely isan'andro. Kely fa tsy betsaka ah, raha be dia be mantsy dia efa zavatra hafa mihintsy izany.
Ireo antony mety hampiongotra be ny volo:
1- Ny rarin-tsaina sy ny fiasan-tsaina be loatra ary indrindra ny tsy fahampian-torimaso dia mety hampihintsana be ny volo. Noho izany, miezaha mandamin-tsaina, dia matoria tsara😊.
2- Ny tsy fahampiana rano ihany koa dia mety ho antony mampiongotra ny volonao. Averina izany ilay torohevitra tany aloha hoe misotroa rano be(1,5 litres/jours ohatra), Amin'izay sady hydraté ny vatanao no mora salama ny volonao. 👌✊
3) Ny tsy fahampiana calcium.
4) Mety hoe misy aretina avy any anaty tokony ho tsaboina( ohatra hoe aretina aty , sns).
5) Mety hoe tsy mifanaraka amin'ny volonao ny zavatra ataonao aminy, eny fa na dia akora natoraly aza, dia lasa mitarika fihintsanany izany. Noho.izany fantaro tsara ny volonao sy izay zavatra tiany sy ilainy😊.
6) Mety koa hoe ilay volo efa tena simba, vakivaky be , sy maina no miongotra dia misolo vaovao indray. Izany no antony ilana manapaka ny volo efa tena vakivaky be😁.
Fehiny: afaka tsaboina tsara ny volo miongotra fa araho tsara fotsiny ireo torohevitra ireo, dia fantaro ny antony mety mampiongotra ny volonao. Dia aza mora kivikivy izany moa eh, ny volonao anie ka tsara euh😍, karakarao tsara fotsiny izy😁💖.
Dia mirary tontolo andro mahafinaritra ho antsika rehetra ary oh. Homba anareo Jesosy Kristy😊😘.
Salama! namako oh👋😁
Ny volo dia singa eo amin'ny vatantsika, izay tena manana anjara asa be amin'ny famaritana ny endrika, ohatra hoe rehefa tahak'izao ny voloko dia mivoaka tsara ny endriko na mamiratra kely mihintsy😊, dia rehefa tahak'izao indray dia toa hafahafa be ny endriko😳😁. Noho izany, karakarao sy kolokoloy ny volonao sao dia mba hitondra "bonne humeur" ho anao ny fahafam-ponao mahita ny hatsarany avy nokarakarainao😍👌.
Tiavo io volonao io amin'ny maha izy azy ( ilay izy natoraly iny mihintsy😊); misy mantsy isika tsy tia ny volontsika dia ampijaliana izy; aaa ka, tiavo amin'ny maha zao azy izy, tsara be anie ny volonao na ahoana na ahoana karazany eh💖, fa ianao hankafia azy sy hikarakara azy fotsiny sisa no andrasany👌😍😁.
Dia mirary tontolo andro soa ho anao indray ary oh😘.
Click here to claim your Sponsored Listing.
Category
Website
Address
Antananarivo
TANA105