Mazava loha
❤️Mpanompo Razana Fanjakana Malagasy
🇲🇬
21/07/2026
Ho an'ireo efa nahazo fambara fa misy fanahy na raha mipetraka
Izy koa anao mbola tsy nampifadianiny raha mipetraka aminao resaka sakafo , ankoatrany fady izay efa hainao...
Hoano daholo izay mbola azo hoanina ary profiteo pro max👌🤣 , fa lerany anao azon'aretina avy @ ny sakafo noaninao iny , indrindra fa matetika miverina aretina io isaky anao mihinana sakafo iny... fadio iny donc fa na allergique azy iny ny vatanao na efa misy hidirany raha mipetraka koa izy amin'izay...
Henoy tsara foana koa tsindrimandry fa any no ahafantaranao ny marina rehetra...!
NB: sary tsisy hidirany
Mahazoa ny maiva ry havako🤲
😂Misy ery sasany vao niakatra doany 1 volana dia efa lasa moasy be hikoizana... Antena ty efa firy taona nanompoana mbola eto fou...🤣🤣
Maro raha hita , fa maso mizah , vava hafody hoy dadilahiko zay👌
18/07/2026
Hiresa-dresaka kely antsika niany ty :
"Alohan'ny hanompo razan'olo , ninao tompoina tsara!"👌
Fanjava vaovao tsika io ka ary matanjaka be ny vibration amin'izao ka mazotoa midio sy manao hataka ry havako... 🌒
Maro ireo olona miloloha Razan'Andriana , Razan'Moasy ,...sns ireo miloloha Razana Fanjakana tsy voatanisa no diso lalana ... Nanjary adinony Razany nipoirany...
Tadidio fa matoa Tromba ireo navy taminao , dia tsy maintsy nangataka halalana tamin'ny Razanao ireo io izay vao afaka nahazo toerana taminao, raha tsy nanaiky izany Razanao donc tsy navy taminao mihitsy fanahy hafa ireo...
Ka tiako hatongavana hoe aza adino Razanao na inona na inona ataonao : koa fa hanao hataka , hanao fomba , hanomboka zavatra , hanangana zavatra...sns
Ireo no tompon'ny teny farany aminao , ary ireo ihany koa no tompon'ny varavarana aminao🥰
Samy hahazo ny maiva🤲
07/04/2025
🤲
14/01/2025
❤️ FITAMPOHA
Ity ny programme mahakasika fanompoambe @ amin'ity taona ity
Efa paré jiaby antsika ?
Manompo tsy very anjara ry havako tiako ary fombandrazana tsy azo ariana na dia eo ary ny fandrosoana!
Mandrosoa hasina jiaby 🤲
ALAKAOSY BE
SAMY MAKAIZA DAHOLO?
MITOMBOA HASINA JIABY❤️
08/11/2024
MBA FANTATRAO MOA IREO NJANAHARY AMBONY ???
Mba fantatrao moa ireo njanahary agnambo ireo?
Tsarovy fa misy ireo fanjakana antsoina hoe njanahary ambony, misy efa razan'andriana izy ireo, misy koa ireo mbola velona; Fa ireo Razan'andriana avy any ambony no asiantsika resaka eto, ireo tromba avy any an-danitra sy any amin'ny avo tsy takamaso any(lanitra, habakabaka, masoandro, kintana, planeta, sns....):
Raha eto Madagasikara no resahina dia nisafidy ny faritany MAHAJANGA ireo njanahary agnambo mba hanorenana doanin'izy ireo ety an-tany ary ao Ambaravaravalo Ankaboka MAROVOAY no tany masina nankatoavany natsangana mba hifanatrehana amin'ny olombelona.
Ireto avy ireo njanahary avy ambony lanitra:
• Tsorabolamena
• Tsorabolafotsy
• Ndramitetikintana
• Ndramandravalanitra
• Ndramitetilanitra
• Ndranitsiriandanitra
• Ndramangodohodo
• Korododontany
• Zafindravaratra
• Tselatselatany
• Ndramandrefilanitra
• Ndramanitolanitra
• Jaobendanitra
• Bibilahindanitra
• Ndramitetiavoavo
• Betsibeza
• Lakolako
• Tsimijongy
• Tevateva
• Ndramitetihiaka
• Ndramitetihiboka
• Saresa
Noho izany, mikoezy mangataka ny meva aminareo njanahary agnambo izahay olombelona velona tompoko ô!🤲🤲🤲
(Indrana)
30/10/2024
⭐Calendrier lunaire Novembre 2024🌙
Samy ahazo ny maiva antsika havako aby⭐
03/10/2024
Io calendrier lunaire octobre 2024 ry havako aby e🥰
🥰Samy ahazo ny maiva antsika jiaby🤲
Click here to claim your Sponsored Listing.
Category
Website
Address
Radama 1
Antananarivo