Direction du Centre d'Aide Médicale d'Urgence de Madagascar
DCAMUM
13/04/2025
20/02/2025
🏨Ny "Service d'Accueil et Triage des Urgences" na ATU no toerana voalohany ifandraisan'ny vahoaka sy ny mpitsabo eny @ Hopitaly.
👨🏻⚕👩🏻⚕ Ho fanamafisana ny traikefan'ireo mpiantsehatra ara-pahasalamana eny anivon'ny ATU dia nisy ny fampiofanana azy ireo mahakasika ny "Communication - Accueil et Triage".
💪Ny tanjon'ny Ministeran'ny Fahasalam-bahoaka moa ny mba hanatsara hatrany ny fandraisana ireo marary ary ahafahan'ny vahoaka misitraka ihany koa fitsaboana sahaza amin'ny fotoana faran'izay haingana. Izany no natao mba hampihenana ny taha-pahafatesana indrindra ireo mbola azo sorohana eny anivon'ny hopitaly. Ireo mpiasan'ny hopitaly ao amin'ny faritra Vakinakaratra izay notarihan' Andriamatoa DRSP indray no nanatanterahan'ny ekipan'ny DCAMUM izany fampiofanana izay notohanan'ny " Operation smile". Misaotra ny rehetra.
🏥Ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka eo anilanao hatrany.
10/12/2024
Ho fanokafana sy ho fampandehanana ny Centre de Réception et de Régulation des Appels na CRRA izay sampana iray ato amin'ny DCAMUM dia natomboka ny fampiofanana ireo mpiasan'ny fahasalamana izay voakasik'izany. Niompana amin'ny "communication, interaction professionnelle de santé - patient" ary ny fampianarana azy ireo ny "masque de saisie" miaraka amin'ireo fitaovana rehetra tandrify izany moa ny fampiofanana natao. Ny CHU Morafeno ho an'ny faritra Atsinanana, ny CHU Mahavoky Atsimo ho an'ny faritra Boeny, ary ny CHU Andrainjato ho an'ny faritra Matsiatra Ambony no nanombohana azy. Ny CRRA moa dia manampy be amin'ny fandraisana an-tanana haingana ireo marary rehetra mila vonjy. Hita ho liana avokoa ny mpandray anjara ary manantena ny isokafan'izany centre izany avokoa. Manantitra ny fisaorana anareo rehetra nahatontosa ny fampiofanana. Isaorana manokana ireo mpiara-miombon'antoka miara-miasa amin'ny Ministeran'ny Fahasalam-bahoaka. Ho avy tsy ho ela ny anjaran'ny faritra DIANA sy Atsimo Andrefana🏥🏥.
01/10/2024
30/09/2024
📢 Information importante
Afin de permettre à chacun de bénéficier pleinement des connaissances partagées lors du Second Symposium International sur l'HEMOPHILIE et les Autres Troubles de la Coagulation à Madagascar, le comité d'organisation est heureux de vous annoncer que l'entrée sera GRATUITE.
🔴 Toutefois, l'INSCRIPTION est OBLIGATOIRE et ne se fera qu'UNIQUEMENT en LIGNE via le lien : https://form.jotform.com/cthmadagascar/inscription-2024
Que vous voulez nous suivre en ligne ou assister en présentiel, les inscriptions seront toujours obligatoires
⚠️ Attention! Places limitées!
Ne manquez pas cette opportunité exceptionnelle ! Inscrivez-vous dès maintenant.
Fin des inscriptions le 05 Octobre 2024.
A très bientôt !
Click here to claim your Sponsored Listing.
Address
Andohatapenaka
Antananarivo
101