Greffe pour Anay
Anay souffre d'insuffisance rénale chronique, il a besoin d'une greffe rénale.
17/07/2023
Joyeux anni-greffe anay 🥳🥳🥳
Isaorana Andriamanitra fa feno eritaona izay no nanaovana greffe renale an’ i Anay 😍❤️
Salama sady mavitrika aloha ny tovolahy kely hatreto ary enga anie mba hitohy foana izany 😃😊
Entina mampahery ihany koa ho an'ireo izay sedra tsy fahasalamana na manana havana, namana tsy salama fa mahay zavatra Andriamanitra ary tsy manary antsika izy indrindra amin'ny ady sarotra hatreantsika !
« Ceux qui comptent sur l’Eternel renouvellent leur force. Ils prennent leur envol comme les aigles. Ils courent sans s’épuiser, ils marchent sans se fatiguer. »
Esaïe 40:31
25/03/2023
Mila fanampiana avy amintsika i Johary kely
Partageo reto izay afaka mizara 🙏🙏🙏
Mirary soa sy fahasalamana ho azy
Fanentanana avy amin'i Anay amin'izao fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an'ny Voa (rein) izao 😄❤️❤️❤️
25/12/2022
Noely fitiavana
Noely fifaliana
Noely fanantenana
07/11/2022
Miarahaba antsika rehetra
Androany aho dia anao fanentanana momban'i Johary kely.
Zazalahy kely 12 taona izy, voan'ny aretina insuffisance rénale chronique stade terminale, mila fitsaboana maika izy. Tsapako be ny toerana misy azy ireo satria iarahatsika mahalala moa fa tena sarotra ny mitsabo io aretina io ary lafo dia lafo ny sara-fitsaboana no sady tsy vita eto an-toerana. Ny erikerika mahatondra-drano koa mba manentana antsika izay malala-tanana mba hanampy azy sy ny ray aman-dreniny ary indrindra indrindra mba hitondra am-bavaka azy ireo.
Io ambany io ny lien page misy ny momban'i Johary koa manasa antsika hitsidika izany.
https://www.facebook.com/greffedereinjohary
02/11/2022
Miarahaba o ! Efa miverina tsikelikely amin'ny fiainana mahazatra azy i Anay. Marihana fa tsy mbola afaka mandeha mianatra izy fa mbola mila fitandrema be ka ato an-trano ihany no mianatra. Ny hita aloha hatreto dia miha mahazo aina izy, mazoto misakafo ihany koa ☺
Mirary tontolo andro mahafinaritra ho antsika rehetra 😉
09/10/2022
Salama o !
Misaotra an'Andriamanitra fa tonga soamatsara eto Mada i Anay kely.
Rehefa natao moa ny contrôle voalohany teny @ HJRA dia hita fa mandroso fahasalamana izy.
Mbola mitohy foana aloha hatreto ny fanaovana analyse isam-bolana mba hanarahana maso ny fivoatran'ny Greffe natao taminy.
Mirary soa ho antsika rehetra o 🙂
01/08/2022
salama daholo 😃😁
am-pifaliana lehibe no ilazana amintsika fa vita soa aman-tsara ny famindrana voa ho an’I Anay (Transplantation rénale)
efa hita moa fa niharatsy ny fahasalamany ka tsy maintsy natao izay nandehanana aingana sy ny nanafainganana ny fandidina ka taty Inde no nanaovana izany.
Isaorana be dia be Andriamanitra fa izy no nitahy sy nitsimbina ka nahavitàna izao fandidiana an’I Anay izao
tsy ho voalaza tsirairay fa dia misaotra ireo rehetra izay nanampy sy nanohana
misaotra tamin’ny vavaka nasetrinareo anay mianaka
misaotra an’I Neninay nikarakara, mikarakara ary mbola hikarakara anay mianaka
dia mbola mangataka vavaka avy aminareo foana satria mbola tsy tapitra hatreo fa mbola lava ny lalanay.
misaotra, mankasitraka, mankatelina tompoko!
Maman’I Anay 🥰
❤️❤️❤️
07/06/2022
Salama daholo ô 😄
Efa amin'ny sabotsy reto ity hetsika hiarahana amin'i Farakely ity ah😊
Dia misaotra be dia be ireo efa nandray anjara 🙏🙏❤️
dia mbola manentana sy manasa antsika foana handray anjara fa mbola misy ny tapakila 😊
👉Point de vente : Aérovillage Talatamaty
👉 PAF: 20000 Ar ny billet tsotra
30000 Ar ny réservation
Dia misaotra mankasitraka amin'ny fanohananareo 🙏❤️🥰
30/05/2022
Salama daholo o! Efa vonona sy azotsika jifaina eo amin'ny Aérovillage Talatamaty ny tapakila.
Amin'ny 11 juin izao ny fotoanatsika miaraka @ Farakely. Manantena ny fahatongavantsika maro ❤️🙏
Click here to claim your Sponsored Listing.
Category
Contact the business
Telephone
Website
Address
Talatamaty
Antananarivo
101