Rasazy DIMBY
Pejy natao ho an'ny tanora mila fanampiana,manana olana,vehivavy bevohoka,ireo rehetra mila soins.
Coucou daholo isika,maro be ianareo ao amin'ny hafatra miafina ao,mety betsaka ny tsy ho voavalin'i Rasazy satria sady mandray olona koa Rasazy,ka manainga antsika ary tonga dia hiantso ny laharana📞0340997241 ho an'izay manana olana na fanontaniana.
Mankasitraka tompoko🙏
18/05/2026
Coucou daholo isika rehetra ato o
Ndao ndray ho averin tsika ity fa mbola maro no ts MAHAZO azy.
Tsy Tonga Règle nefa Test de Grossesse Négatif: Inona no Antony?
Vehivavy maro no mety manahy rehefa tara na tsy tonga ny règle, nefa rehefa manao test de grossesse dia négatif no valiny.
Tsy voatery hoe bevohoka foana anefa no mahatonga ny fahataran’ny règle.
Misy antony maro mety hiteraka izany.
😟 Adin-tsaina sy havizanana
Ny stress be loatra, alahelo, na havizanana ara-batana sy ara-tsaina dia mety manakorontana ny hormones ka mahatonga ny règle tara na tsy tonga mihitsy.
⚖️ Fiovana tampoka amin’ny vatana
Mihena na mitombo tampoka ny lanja
Sakafo tsy voalanjalanja
Fanatanjahan-tena tafahoatra
Ireo rehetra ireo dia mety hisy fiantraikany amin’ny cycle menstruel.
🧪 Tsy mbola ampy fotoana nanaovana test
Indraindray mbola ambany loatra ny hormone de grossesse (hCG) ka tsy hitan’ilay test.
Raha vao tara andro vitsy monja ny règle dia mety mbola négatif ilay test na dia misy grossesse aza.
👉 Tsara raha averina atao indray ny test afaka 5 ka hatramin’ny 7 andro, indrindra amin’ny maraina.
🩺 Olana hormonale
Mety misy tsy fifandanjan’ny hormones toy ny:
Syndrome des ovaires polykystiques
Olana amin’ny thyroïde
Fiovana hormonale hafa
💊 Fampiasana fanafody sasany
Misy fanafody mety manova ny cycle menstruel:
Pilule contraceptive
Injection contraceptive
Fanafody sasany mahery
👩⚕️ Rahoviana no tokony hijery mpitsabo?
Tsara manatona mpitsabo na sage-femme raha:
Mihoatra ny 1 na 2 volana tsy tonga règle
Miverimberina matetika ny cycle tsy ara-dalàna
Misy fanaintainana mafy
Misy soritr’aretina hafa mampiahiahy
✅ Fehiny
Tsy voatery grossesse foana rehefa tsy tonga règle.
Mety ho vokatry ny stress,
fiovan’ny hormones,
na antony ara-pahasalamana hafa izany.
Raha mbola mitohy ny fahatarana dia tsara manao fitiliana fanampiny sy manatona mpitsabo.
18/05/2026
Coucou daholo isika rehetra ato o 😘😘 🌸 HIRESAKA MOMBA IREO FAMBARA METY MANAMBARA FA BEVOHOKA INDRAY ISIKA🌸
Ny fitondrana vohoka dia mety hiseho amin’ny alalan’ny fiovana maro eo amin’ny vatana sy ny fahatsapan’ny vehivavy. Samy hafa amin’ny olona tsirairay anefa ireo soritr’aretina ireo.
✅ Tara fadimbolana na tsy tonga fotoana
✅ Maloiloy sy mandoa, indrindra amin’ny maraina
✅ Mahatsiaro reraka sy te hatory matetika
✅ Marary na mivonto ny nono
✅ Mivalana na manina sakafo hafahafa
✅ Mahatsiaro ho fanina na marary loha
✅ Mandeha mikiky matetika
✅ Miovaova toe-po sy mora tezitra
✅ Mahatsapa fanaintainana kely eny amin’ny kibo ambany
⚠️ Raha ahitana ireo fambara ireo dia tsara manao test de grossesse na manatona mpitsabo na sage-femme mba hahafantarana mazava ny toe-pahasalamana.
🤱 Ny fanaraha-maso ara-potoana ny vohoka dia manampy hiaro ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza ao an-kibo. 💖
18/05/2026
Coucou daholo isika rehetra ato o 😘😘
🌸 Torohevitra ho an’ny reny mitondra vohoka 🌸
Ny fitondrana vohoka dia fotoana sarobidy sy mila fitandremana manokana ho an’ny reny sy ny zaza ao an-kibo.
Koa ilaina ny mikarakara tena tsara mba hahasalama sy hampandeha tsara ny fitondrana vohoka.
✅ Mihinàna sakafo ara-pahasalamana sy voalanjalanja : legioma, voankazo, proteinina ary misotro rano ampy isan’andro.
✅ Mialà sasatra tsara ary aza manao asa mavesatra loatra
✅ Manaova fitsidihana ara-potoana eny amin’ny mpitsabo na sage-femme mba hanaraha-maso ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza.
✅ Aza misotro toaka, mifoka sigara, na mihinana fanafody tsy nahazoana torohevitra ara-pitsaboana.
✅ Mitandrema amin’ny adin-tsaina ary miezaha hitazona toe-po milamina sy falifaly.
✅ Raha misy fanaintainana hafahafa, rà mivoaka, na tsy fahazakana dia manatona tobim-pahasalamana avy hatrany.
🤱 Ny reny salama no antoka voalohany ho an’ny zaza salama. Koa tandremo ny tenanao, satria sarobidy ianao sy ny aina entinao. 💖
😘😘😘😘
05/05/2026
03/05/2026
Coucou daholo isika rehetra ato o 😘😘
Alahady ndray😊😊
Andron'Andriamanitra, andro fialan_tsasatra😊
Bon Dimanche daholo o😘😘
01/05/2026
Coucou daholo isika rehetra ato😘
Elaela aho tsy nitafatafa teto amin'ny pejy .
Samia hoe manao coucou zay rehetra mbola manaraka ny pejy ary inviteo ny namana rehetra mba hanaraka.😘😘
21/04/2026
Merci du fond du cœur à toutes celles et tous ceux qui ont pris le temps de me souhaiter un joyeux anniversaire 😘🎂🎉
Vos messages, appels et attention m'ont énormément touchée.
Je me sens vraiment chanceuse d'être entourée de personnes aussi formidable ❤️
Que la vie vous rende au centuple toute cette gentillesse. 🙏❤️😘
🥰❤️😘🎉🍾🎂
Click here to claim your Sponsored Listing.
Category
Contact the business
Telephone
Website
Address
Antananarivo
101