Yanto Fit
Officium 🫡🏋️♂️
🎯Ton objectif, ma mission
💪Coach Fitness & Nutrition
🎓Biofit Academy
⚡Pro certifié NIF/STAT
25/08/2026
🏋️♂️ Leg Day omaly, mandady anio!
💀Iza avy no nanao Leg Day omaly nefa mangovitra tongotra anio?
Ny ahy aloha vitako ihany!
😂💪Jereo ity poziko mampianatra anareo ity! Tsy misy miangitraingina izany rehefa eo.
Izaho aza mandialika mihitsy mivavaka amin’ilay vy mba hahazoana ilay forme tiana!
🙏😂Misy karazany maro izy ity fa araho tsara ny zoro fa mahomby foana:
📐 Squat tsotra: Ho an'ny fe sy ny tavy aoriana. Ampidinina tsara!
📐 Sumo (mivela): Ho an'ny ao anaty fe. Mahatonga hitongilana rehefa vita!
🦀📐 Bulgarian (tongotra ambony seza): Zoro fijaliana mampiboribory tsara! 🍑🔥Avelao ny fialana bala, jereo tsara ny zoro dia alefa vy! 🛐💪
22/08/2026
Miarahaba antsika 'tsipikotrana' sy ny mpankafy bika tsara!
😂 Ho an'ilay nilaza hoe tsisy eritreritra sy ratsy endrika, dia izao no valiny ry azondamisiko:
jereo tsara fa mirafitra tsara ny ambony sy ny ambany, ary mbola hotohanana 'extrem' hatrany!
🏋️♂️ Raha ny miasa no fanatanjahantena ho anao, dia tohizo fa izahay mitady bika sy fahasalamana foana.
Ny bika sy ny endrika mbola azo amboarina amin'ny filtre, fa ny toe-tsaina kosa mitaky fanafody hafa mihitsy! 💆♀️✨
20/08/2026
Tsy misy kotrana mihoatra ny namany, fa samy manana ny anjarany daholo!
🏋️♀️🔥Raha te hahazo vokatra tonga lafatra sy vatana tsara rindra ianao, dia ilainao avokoa ireto karazana fampiofanana ireto:
🏃♂️ Ny Endurance: Mba hampitomboana ny hery sy ny faharetan'ny fo.
📈 Ny Performance: Mba hanosehana ny fetra farany vitanao sy hampitomboana hery.
⚡ Ny Intense: Mba handoroana tavy haingana sy hampisondrotra ny angovo.
Nahoana no atambatra izy telo?
🤔 Satria izay fampifangaroana izay ihany no mamolavola ny vatanao ho lasa tsara bika zay:
na ny hozatra amin'ny feny (quadriceps 🦵) izany, na ilay bika feso mibontsina tsara (fessier bombé 🍑)!
⚠️ FA TSIADINO ANEFA ILAY LEHIBE INDRINDRA:Na hanao kotrana mafy toy ny inona aza ianao, ny sakafo voalanjalanja (alimentation équilibrée
🍽️🥗) FOANA no miantoka ny vokatra voalohany indrindra. Ny ao an-dakozia no mamita ny asa natomboka tany amin'ny gym!Katrohy ny kotrana, tandremo ny sakafo! 🍎💪
17/08/2026
Manomboka herinandro vaovao indray isika izao, ary feno hafaliana sy fankasitrahana ny foko! 🌅 Rehefa mijery ny hoavy aho dia feno fanantenana, tahaka izao sary izao, satria fantatro fa eo foana ianareo manohana ahy.
Tsy misy teny ampy hanehoako ny fankasitrahako anareo amin'ireo teny feno hery sy fankaherezana tsy mitsahatra omenareo ahy amin'ity taranja mampitempo ny foko ity.
Tena sarobidy amiko ianareo rehetra! ❤️Hitambatra sy hifampisintona hatrany isika mba hampandrosoana ity taranja mampiray antsika ity.
Ny zokiko rehetra, eny, hatramin'ireo zandriko koa... tena mankasitraka anareo manokana ny foko ary voninahitra ho ahy ny manana anareo eo anilako! 🙏✨
💎 Ny vatanao no ravaka mahery sy mafy entinao miatrika sy mandresy ny fiainana.
Koa karakarao ho salama sy ho tsara izy! 🌟
Ny valisoan'ny fikoloana azy?
➡️ Fahasalamana azo tsapain-tanana
➡️ Fahavelomana maharitra ⏱️🌱Tsy misy dingana ariana, fa ireo ezaka kely isan'andro ireo no manatratra ny tanjonao. 🧗♂️🎯 Mavitasoa daholo! ✊
14/08/2026
Aza mbola leo ahy aloha fa vao fanombohana ihany ity kianjan’ ny tontoloko ity 😂🏋️♂️
Hoan’ ireo manontany afaka miditra hafatra miafina ; misokatra hatrany ny fampianarako ❤️💪🏽
Dia sary oa tsiadino mihitsy mijery ny vokatra azo nataonao ❤️
Matoa misy vokatra dia nisy fandaniana tao noho izany miantoka ny vokatsoa azonao ny fandaniana nataonao 🥗💵
13/08/2026
Maka sary mody mitodika any an-kafa... variana maminany ny commentaire hoavy eo aho! 😜📸
Fa fitsipika tsy maintsy arahina: rehefa vita kotrana, tonga dia alefa ny sary mbola mafana iny!
🔥 Naka sary avy eny ambony aho teo, dia hoatran'ny hita bokona be izany! 😂💪
Keep pushing ary, ankafizo foana ny sport ataonao ao! ⚡🏋️♀️
08/08/2026
Faranan'ny herinandro, fa ny tanjona tsy miova. Sary eo anoloan'ny milina fotsiny dia efa miteny ho azy. Eto no toerako!
⚡🎯
06/08/2026
🛑 AMPY IZAY!
Aza zarazaraina eto intsony ny sariko, na mahomby izany, na misy fiovana na tsia!
🚫👀 Hitako daholo ny commentaires-nareo rehetra any: ao ny maneso, ao ny manontany hoe amidy indray ve... 🍑
Ity misy valiny mazava ho anareo: NY PEJIKO DIA AHY!
😎👋Izay mifanaraka amin'ny pejiko ihany no zaraiko eto, ary izay mampety sy mahafaly ahy ihany! Izay tsy faly, afaka miala! 🎯✨
⚠️ FAMPITANDREMANA:
Diso hevitra amin'ny Tapis roulant ianao!
🛑🏃♂️Ny fanaovana échauffement dia dingana fohy ihany alohan'ny fanatanjahantena.
⏱️ 5 ka hatramin'ny 10 minitra dia efa ampy tsara!Mampalahelo anefa fa maro, indrindra fa ny tanora, no mampifangaro ny échauffement sy ny endurance.
🔥 Misy manao tapis 20 ka hatramin'ny 30 minitra mihitsy vao hanomboka hiasa!
💥 Inona ny vokany rehefa omen'ny Coach "mouvement" ianao?
Reraka loatra: Lany teo amin'ny tapis ny hery (énergie) tokony nentina niasa.
🥱May ny calorie: Tsy manana hery hampiasana ny hozatra intsony ny vatana.
📉Loza ho an'ny hozatra: Mety ho simba na rovitra ny "élastique" amin'ny hozatrao.
🚨Tsy misy fiovana: Reraka ny vatana manontolo nefa ny kibo tsy mety mihena!
🛑💡 Ny torohevitra tsara ho fantatra:Hajao tsara ny fotoana eo ambonin'ny tapis.
🎯 Ataovy mazava tsara koa ny tanjona: hanafana vatana fotsiny ve sa hanao endurance?
Rehefa madio ny tanjona vao misy vokatra! 🏋️♂️💪
Click here to claim your Sponsored Listing.
Telephone
Website
Address
Antananarivo
102