Ikala Jejo
Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Ikala Jejo, Health/Beauty, Antananarivo.
08/04/2024
Ny mpivady tsy miray hevitra dia tsy ho lasa lavitra.
Raha te hampivoatra haingana ny fiananareo ianareo dia mahaiza miray hina.
Tsy misy dikany ny ezaka ataon'ny iray raha ohatra ka ny ankilany manao kilavaka.
Na hiezaka hitsitsy aza ianao ka ny vadinao miezaka mandany dia tsisy dikany fa ohatran'ny ianao manivana rano amin'ny passoire ihany, lany fotoana sy hery eo fotsiny.
Ary miezaha mba mampitovy fahalalana satria anisany miteraka olana be tsy hampivoatra anareo koa izay. Ka mba hampitovitovy ny niveau anareo dia izao no atao
1. Mifampizara
Raha misy zavatra hain'ny iray dia mba mizara sy miady hevitra kely mampitatra ny atidohan'ny iray.
2. Identifieo izy raha mahita zavatra tsara vakiana ato amin'ny facebook ianao. Aza tazomina ho anao irery fa mba tarito koa izy mba ahita na hanaraka page tianao arahina.Toy izao ity pub ity, tokony identifie-nao kely ato izy mba hampisokatra kely azy.
3. Miaraha mba mamonjy séminaires / conference na manao formation. Tandremo kahihitra ka manao hoe izaho ihany no manao dia avy eo mizara aminy, tsara izay fa miditra kokoa aminy raha olona no mampita azy ka aza misalasala mba miaraka mamonjy ireny formation mahasoa ireny fa tsy handeha restaurant foana vao miaraka.
4. Miaraha mba manangana zavatra miaraka.
Ny fananganana zavatra miaraka dia mety ahatonga anareo roa hiaraka hifehy tena ary mampiakatra ny firaisan-kinanareo kokoa.
Izay fa zarazarao raha nahasoa anao fa anjaranao sisa na tazominao ho anao irery ity fampianarana ity na identifier azy ao amin'ny kaomantera.
Fa tadidio ity zavatra ho lazaiko ity '' Tokony vetivety ianareo dia tafita amin'ny tanjonareo raha miray hina sy samy miezaka ''
Source Réussir avec Martin
07/04/2024
Aza manao tahaka ny atody, rehefa mianjera dia tsy tafarina intsony, fa
Manaova tahaka ny baolina sponde, arakaraky ny hianjerany mafy no hiakarany ambony kokoa,
Enao koa tahaka izany! arakaraky hamafin'ny dona mahazo anao no tokony hanananao hery hiezahana noho ny teo aloha !
Ny fiainana manko tsy voatery hifanaraka amin' izay noeritreretitsika foana, kanefa na inona na inona miseo dia manàna foana herim-po mba tsy ho kivy fa handroso hatrany.
Efa niainanao ve ilay hoe nivarotra hani-masaka dia tsy lany akory ny atsasany ary maty antoka?
Efa niainanao ve ilay nanangom-bokatra,na mba niopy akoho, nanatena hivarotra lafo mba hahazo tombony kely kanjo voamaika nidina ny vidin'entana ?
Efa niainanao ve Ilay voafitaka,nisy nisoloky,nisy nangalatra ka very izay vola kely sisa tahiry?
Fantatrao ve fa efa nandalo an'ireo avokoa ireo olona rehetra mahomby sy misongadina hitanao ankehitriny ?
Noho izany, mila fantatrao fa lalana io, andalovana fotsiny fa tsy hijanonanana mandrakizay, lalana , fa tsy lalana mahavery, tsy mahapotika fa afahanao hiarina sy handroso kokoa noho ny hatrizay.
Hoavy ny andro, ho lasa témoignage mafonja be hampahery ny hafa ny zavatra mafy rehetra nolalovanao ☺️
Fa androany aloha, miareta kely, mianàra foana, mampiàra ireo lesona voarainao, mahaiza mifehy tena ary manaova dingana tsikelikely mandrapaha tratra ilay tanjona.
Indrana
27/03/2024
Raha tianao ho avotra ny fiainanao
1. Manàna fahaleovan-tena.
Aza miantehitra amin'olona fa manàna fidiram-bola.
Aza kamo fa mila miasa ny olona te-ho mpanan-karena.
2. Fehezo ny fandaniana
Jereo tsara ny fandanianao isam-bola
Ahenao izay fandaniana tsy mitondra vokatra toy ny fividianana kiraro lafo vidy, ny shooting, ny fandehanana restaurant.
3. Mianara mba manangom-bola
Tsy izay vola rehetra tonga eo am-pelatanana dia lanina daholo fa mianara mba mitsinjo ny rahampitso.
Ametraho kely foana ny karamanao fa tsy lanina daholo.
4. Ahodino ny ampahany amin'ny vola voahangona.
Aza tehirizina ela ny vola fa avelao hiasa. Mianara mampiasa vola.
Ohatra raha manana vola miangona ianao dia ny 25 % tazomina dia ny 75 % ahodina.
5. Ampitomboy foana ny vola miasa
Raha mpiasa tena ianao ka nahalafo maromaro androany dia aza maika manao fety fa avelao ny tombony azonao hanampiana ny vola miasa mba mitombo amin'izay ny orinasakelinao.
6. Ampitomboy ny fototrin'ny fidiram-bola.
Miezaha mba mamorona fidiram-bola iray na roa isan-taona. Tsy tsara ny mijanona amin'ny fidirambola iray na 2 fa mba 4 farany kely mba ahafahanao manana stabilité financière.
7. Ny farany dia tohizo foana ny fianarana na miala ny sekoly nianarana aza.
Mianara zavatra ilainao hampivoatra anao.
Mianara momban'ny fandraharahana
Mianara momban'ny fampiasana vola
ary indrindra indrindra mianara mivarotra satria ny harena miafina ao anaty varotra. Na zavatra tsisy dikany hampanankarena anao raha voafehinao io varotra io
Tadidio fa tsy ho mahantra foana ianao
Tsy hiaina anaty fijaliana foana ianao
Mila miaritra kely fotsiny manatanteraka ireo dia avotra ny fiainanao
Zarazarao mba hanavotra ny fiainan'ny hafa
Source Réussir avec Martin
24/03/2024
Aza miasa loha amin'ny vavan'olona raha te ho mafy amin'ny fiainana ianao
Ataovy izay hampivoatra ny fiainanao
Aza manantena olona hanampy fa ataovy izay vitanao.
Aza miandry zavatra mora fa miezaha manao zavatra sarotra mba hiavahanao amin'ny maro..
Tiava manao zavatra vaovao fa aza sakanan'ny tahotra.
Aza tia manambitamby olona loatra fa raha tsy te hiaraka aminao izy dia avelao any fa izay hampiakatra ny fiainanao no ataovy.
Aza mandatsaka ranomaso amin'olona maniry ny fifalianao izany.
Tsikio foana ny fiainana na inona ady sarotra an-dalovanao.
Mianara foana isan'andro fa aza mijanona.
Aza miteny mafy rehefa misy olona mitrerona mafy anao ary ny tena tsara dia tsy miteny mihitsy fa mitsiky kely dia ampy.
Manàna tanjona enjehina fa tsy olona no henjehina
Matokisa ny tenanao fa mahavita zavatra nohon'ny eritreretinao ianao.
Source Réussir avec Martin
23/03/2024
Fomba fiady tena mahomby amin'ny fiainana
Manana projet ho tanterahina , tanteraho mangina ao
Manana eritreritra ny hividy fiara, vidio mangina ao
Mampidi-bola be ianao, aza atao fantatrin'ny manodidina
Indraindray io vava io koa no tena mahavoa antsika
Maika loatra ny vava milaza izay ho atao hany ka fantatrin'ny fahavalo ny haleha.
Tsy izay mitsiky aminao mantsy no tia anao.
Ary tsy izay mihomehy aminao dia hitantarana ny hatsipirim-piainanao
Tena voamarina ity zavatra lazaiko anareo ity fa ny fomba fiady mahomby indrindra dia ny fanakombonanao ny vavanao raha misy zavatra ho atao.
Avelao ho tampoka amin'ny fahavalonao ny hahafantatra hoe kay niketrika mangina kay ianao tsy henoheno io.
https://www.facebook.com/profile.php?id=61557380904780
Source Réussir avec Martin
21/03/2024
Maninona ny mpanan-karena no tsy mazoto ny hiara-hiasa aminao?
Satria:
Tu te comportes comme un pauvre,
Tu penses comme un pauvre
Tu marches comme un pauvre.
Tu raisonnes comme un pauvre.
Tu t'habilles comme un pauvre
Anisany mots tena tsy tianay mpanan-karena ny hoe:
-Omeo kely any letsy e.
-Arroseo any letsy e
-Anipazo kely any letsy e.
Izahay tompoko tsy mipetapetaka amina mpangataka azafady.
-----------------------------------------------------
Mandehana nge ianao mitety banque dia manaova mody malahelo, manaova mody mahantra, manaova mody kere mihitsy e.
Hanome vola anao ve izy?
-TSIA
Tadidio fa ny investisseur dia tsy miara miasa amina mahantra fa miara-miasa amina mpanan-karena.
Tsy miara miasa amina mpangataka fa miara miasa amina mpanome.
Ny mots tena tianay mpanan-karena?
-Inona ny zavatra afaka hanampiako anao tompoko.( Misy zavatra mila omenao, tsy voatery ho Boby)
Rehefa miditra Banque ianao,
Ny zavatra anotaniany anao voalohany dia hoe:
-Inona no afaka omenao?
Inona no antoka omenao?
Inona ny hanananao?
Tsy misy Banque hiteny aminao izany mihitsy hoe: Afaka omenay vola ianao an..
fa tsy maninona na tsisy antoka, tsy maninona na tsy manana n'inona n'inona omena antoka aza ianao, tsy maninona na mahantra.
Hey,
Ny mpanan-karena tompoko dia miara-miasa amina mpanan-karena ihany.
Mahaiza manao technique d'approche rehefa mifanena amina mpanan-karena.
-Atsaharo ity manao mimi lava ity.
Tadiavo ny zavatra afaka omenao fa aza mitady zavatra afaka raisinao.
Tsy ny fandraisana zavatra no mampanan-karena anao fa ny fanomezana zavatra.
Tsy ny mpandray velively no manana fa ny mpanome.
-Inona ny zavatra afaka omenao ?
-Inona ny zavatra afaka hanampianao?
(Tsy voatery ho vola)
Aza mijery ny tenanao ho ambany.
Aza mitondra tena toy ny mahantra.
Saino ny zavatra ambony.
Mpanan-karena ianao.
Source Joël Razafindralema
20/03/2024
Tsy miaina hafa tsy indray mandeha isika eto antany
Aza lanina amin’olona mampijaly ny fotoana anao
Aza miaritra fiainana tsy ahitana fiafanana izany
Aza miaritra fijaliana ela zany raha azo atao ny miala
Halaviro ny namana mpanambany sy mpanaratsy
Tsy miaina hafa tsy indray mandeha isika ka ataovy izay mahasambatra anao ary aza avela hisy olona hanakorontana ny fahasambaranao
19/03/2024
Hoanao vehivavy te ahomby
Na manam-bola tahakin’ny inona no olotinao na ny olona hiaranao dia mitadiava ihany asa hampidi-bola hoanao.
Na dia karama kely aza ny azonao dia hafa ihany ny vehivavy manana fidiram-bola na 200 000 ar
Satria manana fianakaviana ianao , manana zandry miantahanta, manana olona akaiky mba tianao hampiana.
Raha ianao zatra mangataka vola aminy foana hanampianao ny zandrinao sy ny fianakavianao dia tsy hasian’olona hasiny ka raha mbola azo atao dia manàna fidiram-bola sady tsy fantatrao ny fiovan’ny fiainana rampitso
Misy vehivavy tsy variana niantehitra taminy vadiny satria nanam-bola be ny vadiny dia 5 taona taty aoriana maty ny vadiny , ny zanany 2 nefa izy tsisy asa
Ny fomba fitaizana zanaka hatonga azy ho kinga sy olombanona.
1. Rehefa miditra ao an-tranonao ianao, dia arahabao amin’ny oroka ny zanakao. Mba hatonga azy hamboly fitiavana ao anatiny
2. Aoka ho tsara fanahy amin'ny mpiara-monina aminao. Aza miteny ratsy ny olona manodidina anao fa resaka tsara atao aminy mba hatonga azy hankafy ny hafa.
3. Rehefa miantso ny ray aman-dreninao ianao, dia ampirisiho ny zanakao hiresaka aminy. Toy izany koa, rehefa mamangy ny ray aman-dreninao ianao, ento miaraka aminao ny zanakao, arakaraka ny fahitany anao mikarakara aminy ray aman-dreninao no hianarany hikarakara anao.
4. Rehefa mitondra azy ireo ianao, ohatra, any am-pianarana, dia aza avahana be hoe ity mahay na ity tsy mahay. Satria hisy fiantraikany lehibe aminazy izany
5. Mamakia andininy iray avy ao amin’ny Boky Masina isan’andro ho azy ireo. Tsy mila fotoana be izany, fa misy fiantraikany lehibe aminy
6. Manaova volo, miborosy nify ary manao akanjo mendrika, na dia mijanona ao an-trano aza ianao na tsy mivoaka mandritra ny tontolo andro; mila mianatra ry zareo fa tsy misy ifandraisany amin'ny fandehanana any ivelany ny fitandroana ny fahadiovana sy ny fahadiovana
7. Miezaha tsy hanome tsiny azy ireo amin’ny teny na fihetsika rehetra lazainy na ataony. Mianara manafoana. Manangana ny fahatokisan-tenany izany.
8. Mangataha alalana amin'ny zanakao alohan'ny hidirany ao amin'ny efitranony. Aza mandondona fotsiny rehefa hiditra, andraso mandra-panomezany alalana am-bava anao aloha. Hianatra hanao toy izany koa izy ireo alohan’ny hidirany ao amin’ny efitranonao
9. Mifona amin’ny zanakao raha nanao fahadisoana ianao. Ny fangatahana famelan-keloka dia mampianatra azy ireo hanetry tena sy hahalala fomba.
10. Aza maneso na maneso ny heviny sy ny fihetseham-pony.
11. Hajao ny fiainan'ny zanakao. Zava-dehibe ho an'ny fiheveran-tenany izany.
12. Milalao miaraka amin'izy ireo. Avelao izy ireo hankasitraka sy hankafy ny orinasanao. Hahatsiaro izany rehetra izany izy ireo rehefa lehibe.
13. Raha mila fananarana izy ireo dia ataovy izany. Ahitsio avy hatrany ny fahadisoany. Aza miteny mihitsy hoe oh fa mbola zaza izy na hianatra rehefa lehibe. Tsia! Fotoana hianarana izao. Raha tsy mianatra izao izy ireo dia tsy hianatra mihitsy.
14. Ampianaro hanam-paharetana sy hankasitraka izy ireo. Aza omena azy izay rehetra angatahiny. Asio fetrany. Mandà zavatra sasany na dia manana fahafahana hanome azy aza ianao. Lazao izy ireo mba hisaotra an’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra.
15. Farany, mivavaha mandrakariva ho azy ireo, amin’ny fonao lalina.
Mety hahomby tokoa ny vavaka ataonao.
Tsy misy vavaka mahery toy ny an’ny ray aman-dreny ho an’ny zanany.
Aza adino fa miankina aminy fomba fitaizana ny azy androany ny fiainana raha lehibe izy.
Source Mr Martin
Tadidio fa ny karamanao dia toy ny anesthésie / calmant mampitony fahantrana.
Fa ny investissement ataonao ivelan'ny karamanao no fanafody manasitrana sy manafaka anao ao anaty fahantrana.
Source Joël Razafindralema
Click here to claim your Sponsored Listing.
Category
Telephone
Website
Address
Antananarivo