Beauty And'Ntsoa
Beauty AND'NTSOA is a beauty salon located in Faravohitra - Antananarivo.
Beauty AND'NTSOA est un salon d'Esthétique qui propose aux femmes et aux hommes différents types de soins du corps de la tête aux pieds, à l'exception des cheveux.
01/07/2026
Feno 23 taona androany Beauty And'Ntsoa 🎉🍾🎊
23 taona nikolokoloina ny tarehy sy vatana, nifankalalana tao anaty fo feno fitiavana anareo.
Manao jery todika izay fotoana izay aho dia mahatsiaro ireny fifankahitana voalohany taminareo tsirairay avy. Ianareo izay lasa toa fianakaviana fa tsy namana fotsiny. Nifanakalo ny soa sy ny mamy rehetra ary nahita ny fivoarana nisy ka niaraka namindra tamiko hatramin'izao. Tao no mbola mpitovo efa lasa mananjanaka ary lasa ato koa ny zanaka. Ao ireo izay mpianakavy sy mpinamana ary lasa mpinamana nifankahita tato.
Tsy haiko ny tsy hisaotra ny Ao Ambony fa izy no nahatoa izao ahy. Nanoritra ny lalantsika tsirairay avy ka nifankahitantsika. Tsy misy n'y kisendrasendra fa ny fandaharana no mahery. Ianareo koa raha tsy nisy efa tsy hita intsony teto aho ka hisaorako tsirairay avy.
Singaniko manokana eto koa ny Gazety izay mpiaramiasa tamiko nanomboka ny taona 2009 ka hatramin'izao sy ireo mpanaraka azy ka nahalala ahy tao izay isaorako manokana ireo mpanao Gazety maro bé nifarimbona tamiko isananandro manome izay soa ho anareo tsirairay avy ka nanolotra ahy fahatsiarovana izany fiarahamiasa izany izay mañana anjara toerana manokana ato amiko.
Efa nahalalanareo ahy hatramin'izay moa ny marque LCP izay tsy mitsahatra mivoatra ka mbola ireny ihany no ampiaisaintsika ato.
Mbola hitohy hanome izay mahafapo anareo foana aho toa ny mahazatra.
Mandrampihaona Ary Mankasitraka anareo tsirairay avy.
Ambinintsoa
Aujourd'hui, Beauty And'Ntsoa célèbre ses 23 ans.🎊🍾🎉
23 ans de passion, d'esthétique, mais surtout 23 ans de rencontres inoubliables.
En regardant en arrière, je ne peux que rendre grâce à cet Univers qui a su tracer ma route qui m'a amené à chacun de vous. Il n'y a pas d'hasard, il n'y a que des rendez-vous. Je ne vois pas seulement des prestations ou des rendez-vous, je vois des visages, des confidences, des rires et, surtout, des fidélités qui ont traversé le temps. À vous, qui êtes à mes côtés depuis le tout début, qui avez vu le salon grandir et qui êtes toujours présentes aujourd'hui : un immense merci. Vous n'êtes pas seulement des clientes, vous êtes devenues des amies, des piliers de cette belle aventure.
Cette longévité, je la partage aussi avec un partenaire historique : Jejoo, le quotidien des femmes . 📰 Depuis 2009, nous avançons main dans la main. Je suis encore très émue en repensant à ce cadeau mémorable qu'ils m'ont offert, symbole de notre collaboration (et qui a une place spéciale dans le salon). Je le partage avec vous en photo, aux côtés des produits L.C.P. que j'utilise avec amour pour prendre soin de vous.
Merci à vous toutes, mes fidèles amies, et merci aux journalistes qui m'ont accompagner dans cette mission : prendre soin de vous, tout simplement.
C'est grâce à vous tous que cette passion reste intacte, et j'ai tellement hâte de continuer à écrire cette histoire à vos côtés. ✨
Avec toute ma gratitude,
Ambinintsoa.
Miarahaba ny mpanaraka ny pejy.
Hiresaka momba ny lokon'ny koditra isika androany.
Raha mpanaraka ny pejy ianareo na efa niresaka tamiko mivantana dia mahalala tsara fa io lokon'ny hoditrintsika io dia tena fahasoavana lehibe no ananana azy satria io dia fiarovana natoraly hoan'ny vatana.
Misy ny olona izay tonga manantona ahy manontany raha manao ireny soin mampafotsy ireny aho ary miverindalana raha vao mamaly hoe tsia. Manazava foana aho anefa fa na ny renouvellement cellulaire aza dia 28 andro ary mety mbola ela noho izany aza raha toa ka efa mitombo ny taona dia ahoana moa no hanafotsiana olona iray ao anaty soin? Eny fa na erinandro aza nefa tsy hanimba ny hodiny?
Ambetiteniko foana ny hoe na inona na inona lazaina dia mahery foana na koa hoe manakorontana ny hoditra ireny produit manafotsy na anti tache ireny. Marina fa misy dokotera izay niofana manokana no mampiasa azy ireny fa amin'ny maha dokotera azy dia misy fanarahamaso akaiky izy ireny fa tsy hataotao foana.
Mety misy tokoa vokatra azo anaty fotoana fohy Ary tena tsara amin'ny fampiasana ireny akora mahafotsy ireny saingy nokosehina ary nopotehina ilay couche miaro ary mampatsiahy aho fa mitanjaka ilay hoditra avy eo. Izay no mahatonga ireo mampiasa azy hitsoaka masoandro satria tonga dia may ilay hoditra. Tsy vitan'izany anefa fa maratra izy io ary rehefa miverina amin'ny lalana tokony ho izy dia tsy maintsy mihamatroka Ary mety ho mena alohan'izay. Ny antony dia tsotra dia tsotra toa ny hoditra avy maratra manakopery. Eo anefa ilay tena ho olana satria Raha tokony hajanona avy hatrany ilay nahatonga ny fery dia tohizana foana ary mihalalina ilay izy ary ho ela vao sitrana.
Tadidio anefa fa ireny akora ampiasaina Sady efa voararan'ny OMS ireny dia tsy manimba ny hoditra fotsiny fa tonga mipaka hatrany anatiny any.
Tao anatin'ny 27 taona niasako tamin'ito sehatra ito ka nifaneraserako tamin'ny olona maro no nahitako mivantana ireny karazan'olona nampiasa ireny akora voarara sy manimba ary ireny karazana crème sy pommade afanharo ireny ka tena mamotika tanteraka io lokonkoditra io satria averiko ihany manala sy mikiky ary manimba tanteraka ny couche voalohany Ary mety n'y couches rehetra eo amin'ny hoditra ka hampitanjaka azy ary tena maharitra Ilay hoditra vao tafaverina amin'ny laoniny.
Eto ampamaranana aho dia manentana antsika rehetra tia mikolokolo tarehy mba hanantona matihanina ary hampiasa ireny vokatra efa voasivana amin'ny laboratoire fa tsy voatery izay hahitambokatra haingana akory no tena tsara fa mila mitsinjo ny ao aoriana ihany koa isika Ary indrindra ny fahasalamana.
Mirary erinandro feno fahombiazana ho antsika rehetra ary tontolo andro mahafinaritra.
Ambinintsoa Rasoanaivo.
27/01/2026
Miarahaba ny mpanaraka ny pejy.
Hiresaka momba ny hoe "produits" isika androany.
Maro ireo manontany ahy na amin'ny alalan'ny sms na mp na miantso hoe inona no produits ampiasaiko? naturels vé?
Vao maheno hoe tsy produits naturels no ampiasaiko manko ny olona dia toa matahotra foana. Marihiko anefa fa ireo ampiasaiko dia produits nivoaka avy am laboratoire ary mañana tarikefa amin'ireo aho.
Tsiahivina fa ny akora natoraly fampiasana hita eny dia tsy voatery hahazoana Ilay vokatra tadiavina satria izy ireny dia tsy hoe vao hahosotra dia tonga dia iny ilay singa ao anatiny fa mihazakazaka manao ilay asa andrasantsika aminy. Io hoditsika io ihany koa dia tsy izay hahosotra eo akory dia tonga dia hiditra any anatiny any hiasa fa manana ny fiarovana azy manokana izy.
Eo indrindra no mahatonga hoe ny vokatra azo avy amin'ny laboratoire no ampiasana satria ireny dia efa voatokana n'y singa tena ilaina hiasa any ary afaka miasa amin'ny toerana spécifique hahazoana vokatra nefa tsy manimba Ilay barrière hydrolipidique miaro ny hoditra.
Raha atao ambangovangony izany dia mety hiteraka vokadratsy sy hanimba hoditra aza ny fampiasana ireny akora natoraly ireny tsy ampiheverana ka hahatonga fahasimbana goavana hitarika fahasimbana lalina.
Tao anatin'ny 27 taona niasako tamin'ito sehatra ito nifaneraserako tamin'ny olona maro no nahitako mivantana ireny karazan'olona nampiasa ireny akora ireny ary hafahako milaza fa fahasoavana lehibe io lokonkoditra izay ananantsika Io ary tsy mahasoa velively ny fanalana sy fanimbana azy fa ny fiarovana azy tsy ho simba aza no atao.
Mirary tontolo andro sy erinandro mahafinaritra ho antsika mpanaraka.
Misaotra ireo efa nanome fahatokisana hatramin'izay sy ireo ho avy.
01/01/2026
Miarahaba ny mpanaraka ny pejy rehetra tratran'ny taona vaovao. Ho taona feno hafaliana sy hombampahasoavana anaty fahasalamana ho antsika rehetra ito taona ito.
Maneho etoana ny fisaoarana feno fankasitrahana ireo izay efa mpikarakara tarehy sy vatana ato amiko nametraka ny fahatokisany feno ary ireo izay efa tapakevitra ka efa namandrika toerana s'y izay mbola ho avy.
Ny sary hoentiko anio dia sary tamin'iny volana décembre iny maneho ny vokatrin'ny fikarakarana nandritra ny efatra erinandro. Ary sary eo ampamaranana ny fikarakarana izay maharitra mihoatra ny adiny roa.
Mirary soa antsika rehetra. Mandrampihaona.
19/07/2025
Miarahaba ny mpanaraka ny pejy. Ho anareo izay mikasa hitafa dia amin'ny alarobia izao no fotoanantsika.
✅ Sarobidy ny tarehy ka tsara raha manantona matihanina alohan'ny hanosorana ny ''produit'' maro isankazany. ☝️
✅ Raha manana olana toy ny mony, tasy, na fahasimbana amin’ny hoditra ianao, dia tokony hanao diagnostic aloha.
✅ Amin'ny alarobia ho avy izao dia hisy matihanina manokana ao amin’ny 𝘾𝙚𝙣𝙩𝙧𝙚 𝙙’𝙀́𝙘𝙤𝙪𝙩𝙚 𝙄𝙧𝙖𝙮 𝙁𝙤 hanome fanazavana sy torohevitra ho an’ireo manana olana amin’ny hoditra, mony, tasy, sns. ''𝐆𝐑𝐀𝐓𝐔𝐈𝐓'' hatrany ka tongava fa mety hanova ny tarehinao izany ❤️😘
📍𝙎𝙤𝙖𝙣𝙞𝙚𝙧𝙖𝙣𝙖, 𝙄𝙢𝙢𝙚𝙪𝙗𝙡𝙚 𝙏𝙊𝙋 𝙍𝙖𝙙𝙞𝙤
🕑 𝟐 𝒐𝒓𝒂 𝒕𝒐𝒍𝒂𝒌𝒂𝒏𝒅𝒓𝒐
📞 𝙁𝙖𝙠𝙖𝙣𝙖 𝙧𝙚𝙣𝙙𝙚𝙯-𝙫𝙤𝙪𝙨 : 𝟬𝟯𝟯 𝟭𝟱 𝟯𝟬𝟬 𝟴𝟵
🍀IRAY FO “ Mihaino anao - Manohana anao - Miaraka aminao “🍀
🌸 Jejoo, le quotidien des femmes !
04/06/2025
Dia mbola mamerina foana fa manao soin anakiray amin'ny hydrafacial isika dia tahaka izao ny vokatra azo.
Mankasitraka ny mpandray anjara sy ny fiarahamiasa amin'ny Jejoo, le quotidien des femmes.
18/05/2025
Miarahaba ny mpanaraka ny pejy rehetra.
Hilalao isika mandritra ny herinandron'ny fetin'ny reny.
Manome soin hydrafacial izay mitentina 250 000ariary maimaimpoana😱 izay manao partage en mode public ka mi taguer namany betsaka indrindra 🥰 mandritra ny herinandron'ny reny.
Ny alarobia 28mai amin'ny 8h kosa no anaovantsika izany soin izany.
Ndao ary oooo. 😎🚶
29/04/2025
Miarahaba daholo.
Efa hanitsaka ny volan'ny fetin'ny reny isika. Dia aza misalasala manantona miresaka momba ny tolotra manokana hoan'i neny sy ny zanany vavy na lahy manolotra azy koa.
Eny, tena misy Ary maro mihintsy ny tovolahy mikarakara fa tsy vehivavy ihany.
Miverina matetika ny fanontaniana hoe tena tsy misy atahorana ve ny fikarakarana tarehy amin'ilay fitaovana satria dia tena madio tanteraka hatrany fotony Ilay izy Ary tena miova be manomboka iny Andro voalohany iny Ary mandritra ny telo andro ao aoriana mbola tsy mitsahatra miova izany. Ny valiny dia: tsy misy atahorana. Efa novokarina manokana mba tsy hanimba nefa hanana vokatra tsara toa ny hoditra mifintina tsara, malefaka, hydratée, ahitana fiovana goavana na ny kentrona na ny volokoditra, na ireo mony, manala ireo sela maty Ary manampy ny élasticité hiverina hitazona tsara.
Tsy adino ihany koa ny fikarakarana ny hoditra amin'ireo produits izay vokarin'ny laboratoire efa matihanina tanteraka.
Aza misalasala miantso ary.
0320261149 0344384655
Miarahaba ny mpanaraka ny pejy.
Miverina matetika apetrakin'ny olona amiko Ilay fanontaniana hoe: fa maninona no misy hafa mampiasa ilay karazana fitaovana farany nivoaka io no tsy mitovy ny vokatra azo?
Valiny : eo aloha ny fahaizana mampiasa azy araka ny hilana azy. Ohatra handiovana ny hoditra ve sa hanalana mony sa hanalana ireo tasy sa hanalana ireny miroraka sy kentrona ireny.
Faharoa manaraka izay dia misy lanjany be ko ny karazana akora (produits) ampiasaina miaraka aminy.
Ary ny fahatelo farany nefa manandanja be dia ny fotoana lany hanaovana azy. Marihiko manokana ito farany ito satria misy minuteur izay izy io ka 60 minitra eo no hoe ampiasaina azy nefa ambetiteniko foana amin'ireo izay noraisiko rehetra fa dia mihoatra lavitra an'izay foana no fotoana lany.
Raha Mila torohevitra na fanazavana fanampiny dia aza misalasala miantso na mandefa hafatra.
Mandrampitafa indray
0320261149 / 0344384655
10/03/2025
Erinandro vaovao dia resaka épilation indray no hoentiko androany.
Misy karazany maro n'y fomba hanalana volo. Ao ny alana am pince ao Ilay atao am fil ihany koa Ary ao ny alana am cire ary na ny cire aza dia misy karazany ihany koa toa ny cire froide, ny cire chaude Ary ny cire tiède. Ny cire ampiasaina eto moa izany dia ilay cire tiède miaraka am bande jetable.
Io fanalana volo io dia atao eo amin'ny iray volana eo no elanelany. Ary rehefa afaka tsara hatramin'ny fotony izy dia ela vao maniry fa raha tapaka kosa dia ireny no mahatonga azy mitsimoka vetivety no mahatonga ilay maniry any anatiny ka miteraka mony avy eo.
Aleo misafidy foana Ilay manala amin'ny fotony.
Mirary erinandro mahafinaritra antsika rehetra.
0320261149 / 0344384655
Category
Contact the business
Telephone
Website
Address
Rue Rainandriamampandry
Antananarivo
101