Sante rapide.
Ny SANTE RAPIDE dia mampahafantatra anao ireo aretina mpahazo patetika ny olona. Afaka manantona anao any an-trano ihany koa izahay raha toa ka ilaina izany.
12/01/2024
‼️ Manàna fahazarana MANASA TANANA MATETIKA amin'ny rano sy savony na mampiasa "Gel désinfectant" hisorohana ny fiparitahan'ny areti-maso mora mifindra.
👋 Mirary Fahasalamana ho anao hatrany ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka
Miara-mientana ho an'ny Fahasalamana
--------
Direction de la Promotion de la Santé
Be M’RAY Ofisialy PSI Madagascar
fans
(C): Comdps- Jan 2024
09/01/2024
Manantona tobim-pahasalamana raha misy ireo fambaran'aretina ireo ianao 🙏
Ny antony lehibe mahatonga ny INSUFFISANCE RÉNALE CHRONIQUE dia ny diabeta sy ny tosidra ambony.
💁 Ny atao hoe CARDIOLOGUE dia dokotera specialiste mpitsabo ny .
Azo atao foana ny manao firaisana ara-nofo mandritra ny vohoka.
⚠️ Olona misy na tosidra ambony: Mihinana fanafody mandrakizay. Tsy azo tapatapahina ⚠️
25/04/2022
Test de grossesse avec une application!
Mihazakazaka ny fivoaran'ny teknolojia.
13/07/2021
🎈NY TSY FAHITANA TORY(insomnie)😴
Maro ireo mitaraina fa tsy mety mahita tory na tsy ampy torimaso.
💥 Misy sokajy roa ny tsy fahitan tory:
-tsy fahitana tory mandalo(insomnie passagère):tsy dia miseho matetika
-tsy fahitana tory maharitra (insomnie chronique):matetika miseho,in-3 Alina isaky herin'andro farafahakeliny.
💥Inona avy ireo antony mety hahatonga ny tsy fahitan-tory?
-hasorena sy tezitra
-"dépression"
-be torimaso atoandro
-hafanana na hatsika be loatra
-fiovaovan'ny Ora fatoriana
-tsy fanaovana "sport"
fisotroana Toaka na café be loatra
-sigara sy ireo zava-mahadomelina hafa
-fanafody sasantsasany
💥 Inona avy ireo vokatry ny tsy fahampian 'ny torimaso?
-harerahana sy fahakizitinana
-very fitadidiana
-very fifantohana
-tsy fahaizana any am-pianarana
-hakamoana
-mety hiteraka "accident du travail ou accident de circulation"
💥 Inona avy ireo fisorohana azo hatao?
👉tandremo ireo voalaza ambony ireo
👉manaova "exercice"20 na 30 min isan'andro
👉halamino tsara ny fandriana hatoriana (confortable)
👉vonoy ny jiro rehefa hatory
👉matoria amin'ny hefitra mangina tsy misy tabataba
👉ataovy antoniny ny hafanan'ny vatana
👉tandremo ny misakafo tara loatra ny hariva
💥alohan'ny hatory :
✓manaova "relaxation"
✓makà rivodrivotra kely eny an-tokontany
✓manaova "massage"
✓mihainoa hira mampatory
✓mamakia boky mahafalifaly
✓vao mahatsapa te hatory Tonga dia mandehana matory
👆Matory Sy mifoha amin'ny Ora "fixe " isan'andro
✌aza mijanona eo ambony fandriana raha mbola tsy tapa-kevitra ny hatory
⛔⛔misy ihany koa ireo fanafody samihafa fa mila manatona mpitsabo hatrany alohan'ny hihinanana azy ireny
👉👉Partageo fa Sao mahasoa ny hafa
👉👉Santé Rapide
Akaiky anao hatrany👈👈
Click here to claim your Sponsored Listing.
Category
Contact the business
Telephone
Website
Address
Antananarivo
Opening Hours
| Monday | 08:00 - 18:00 |
| Tuesday | 08:00 - 18:00 |
| Wednesday | 08:00 - 18:00 |
| Thursday | 08:00 - 18:00 |
| Friday | 08:00 - 18:00 |