INSECT-safe Solutions
❌ Bye bye Kongona, bye bye stress
✨ Toro-hevitra hanadiovana sy hiarovana ny tranonao
02/12/2025
Azo atao koa ange ny misoroka mialoha amin’ny fiparitahan'ny fa tsy miandry hiseho be dia be vao taitra hitady fanafody e!
Matetika aza efa eny an-dalana ianao, eny am-piasana, eny am-pianarana, no mipetataka amin’ny akanjontsika ny kongona vao tonga saina hoe “Oay, tokony hitady fanafody kely angamba!” 😅
📍 Tsy aleo ve misoroka mialoha toy izay hitsabo e?
🛡️ ASTUCE Tokony atao hisorohana ny kongona ary e!
✨ 1. Ataovy madio sy maina foana ny zoro rehetra
Ny kongona dia miezaka mitady toerana mangina sy mando foana hialokalofany. Diovy sy fafao tsy tapaka ny sisin-dakozia, ambanin’ny fanaka, indrindra ny fandriana ary ny sisiny rehetra tsy hita maso.
✨ 2. Sokafy varavarankely isan’andro
Rivotra mivezivezy = tsy tian’ny kongona. Manala hamandoana, manampy hisorohana ny fiterahana.
✨ 3. Aza avela hisy poti-sakafo sy menaka miparitaka
Na menaka kely aza dia “sakafo” ho an’izy ireny. Diovy avy hatrany rehefa avy mahandro na mihinana.
✨ 4. Ataovy voahidy tsara ny kitapo sy kiraro rehefa tsy ampiasaina
Indraindray any no miafina sy mitondra azy ireny miditra an-trano.
✨ 5. Raha vao mahita 1–2 ianao dia tsy midika hoe kely ny olana
Matetika rehefa misy 1 hita… misy maro miafina tokony ialohavana mialoha.
📣 Momba ny produit
Ho an’izay mila ilay produit famonoana ato aminay :
📦 Ritra tanteraka ny stock noho ny commande maro tato ho ato.
⏳ Miandry ny entana vaovao ho tonga izahay.
Hilaza eto avy hatrany raha vao misy.
---
Aza adino ny manaraka ny pejy,
fa mbola betsaka ny torohevitra ho entina hanadiovana, hiarovana ary hanatsarana ny tranonao.
👉 Aoka tsy ho bibikely intsony no mifehy ny tranonao — fa ianao.
27/11/2025
🌿 Ny KONGONA dia bibikely tia toerana maizina, ary raha tsy voafehy dia mitombo haingana be.
Matetika dia tsy hita izy mandritra ny andro, fa rehefa hariva ianao vao mahita azy ireo mitangorona eo amin’ny sisim-pandriana, ka lasa tsy afaka matory, tsy milamina — lasa sorosorena mihitsy aza.
Indraindray aza dia gaga ianao: “Aiza foana no mivoaka ireny eh?” 😅
Andao ary hojerentsika ny tokony atao hisorohana aloha ny fiparitahany.
🔎 Toerana tena iainan’ny kongona
Ny kongona dia sakaizan’ny HAIZINA 😮💨 :
• eo ambanin’ny fandriana
• ao ambanin’ny latabatra
• ao ambadiky ny frigo sy fitoeran_drano
• eny amin’ny sisin-rindrina misy lavaka kely
⚠️ Voka-dratsiny
• Mampihetsika ny ASTHME, indrindra amin’ny ankizy
• Miteraka fofona ratsy ao an-trano
• Henatra: indraindray mandeha eny an-dalana ianao dia misy kongona manaraka tsy fantatrao akory 😅
• Ary rehefa be loatra… lasa tsy azo iainana ny efitrano
✅ Inona no tokony atao ?
• Diovy isan’andro ny trano, aza avela hisy poti-sakafo
• Ataovy maina foana ny efitra — tiany daholo ny toerana mando
📍 Ary indrindra Mampiasà fitaovana famonoana kongona.
Ato aminay dia misy vokatra manadio sy manala tanteraka ny kongona, haingana sy maharitra ary efa natao ho takatry ny rehetra ny vidiny amzay afaka manomboka matory tsara amzay ianao avy eo 😌
Aza adino ny manaraka ny pejy fa mbola betsaka ny torohevitra maimaimpoana omena anao ankoahatran'ireo.
Lazao ato amin’ny commentaire ny olana misy ao an-tranonao (kongona, moka, kadradraka, sns…) dia homenay vahaolana haingana sy mora arahana.
👉 Aoka tsy ho bibikely intsony no mifehy ny tranonao — fa ianao.
24/11/2025
Tongasoa eto amin’ny pejy INSECT-Safe Solutions! 🌿🛡️
Pejy natokana ho:
✨ Fiarovana ny tranonao
✨ Famononana bibikely amin’ny fomba azo antoka
✨ Toro-hevitra sy teknika hanadiovana ny tontolo
Eto ianao dia hahazo
✔️ Toro-hevitra maimaim-poana hifehezana ny biby kely toy ny kongona, moka, voalavo, fanenitra sns
✔️ Vokatra mahery nefa tsy mampidi-doza
✔️ Fomba hiarovana ny tranonao alohan’ny hisehon'ny olana
Ny TANJONAY dia hanampy anao hiala amin’ny bibikely sy ny adin-tsaina, amin’ny fomba madio sy mahomby. Satria ny tranonao dia tokony toerana fialan-tsasatra fa tsy toeram-pialokalofan'ny bibikely
Mankasitraka ny fitokisanao! 🙏
Aza misalasala manontany na mangataka toro-hevitra.
Click here to claim your Sponsored Listing.
Category
Website
Address
Antananarivo
101