ANIËL & You

ANIËL & You

Share

Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from ANIËL & You, Health/Beauty, Antananarivo.

26/03/2026

❌🚫⛔❌ clip vaovao be‼️‼️🚫🚫
Tsy Hita Rano Rija Rasolondeainibe ti fa
Rano fafara Detline

13/12/2025

⚠️💊 Antibiotika tsy kilalao !

🤒 Marary nify kely, Marary kibo ?
💊 Mihinana antibiotika avy hatrany tsy misy ordonnance AVY amin ny Mpitsabo 🚫‼️

👉 Diso tanteraka‼️ mampidi-doza izany.

🧬 Inona marina no ataon’ny antibiotika ?

🔬 Ny antibiotika dia mamono bakteria ihany
❌ Tsy miasa amin’ny viriosy
(sery, gripa, COVID…)

⏱️📏 Raha Mihinana antibiotika , ireto tsy maintsy hajaina :

✔️ Ny fatra marina (dose)
✔️ Ny elanelam-potoana (intervalle)
✔️ Ny isan ny andro tsy maintsy hinanana , na dia efa tsaratsara aza (oh: 5j )
✔️ Ny antibiotika mifanaraka amin’ny aretina

⚠️ Raha tsy arahina ireo → tsy mahomby ny fitsaboana.

🚨 Loza ateraky ny automédication

🦠 Bakteria lasa mahery "résistance" hainy ny miraro ny tenany am Antibiotiques izay nohaninao fahatany taloha
🤕 Aretina tsy sitrana
⚡ Allergy sy voka-dratsy
⏳ Tara ny fitsaboana Ka lasa mihombo

✅ Inona no tokony hatao ?

✔️ Manatona mpitsabo vao mihinina Antibiotiques
✔️ Manaraka tsara ny fatra (dose) sy ny faharetany (ex: 5 jours)
✔️ Tsy mizara na mamerina antibiotika taloha

❤️ Hafatra farany

Automédication anio, loza rahampitso.” ⏳⚠️

📢 Aoka isika hiaro ny fahasalamantsika !

09/12/2025

Androany isika dia hiresaka momba ny

💅 Angle Incarné

🔥 Inona izany?
Ny "angle incarné "dia hohon-tongotra midina ao anaty hodi-tongotra 😖, miteraka fanaintainana, fivontosana, ary mety hiteraka aretina raha tsy voakarakara. Matetika ny ankiben-tongotra no tratran'io matetika

⚠️ Antony mahazatra:

Fanapahana fohy loatra ny hoho (angofo)✂️

Kiraro tery loatra na tsy mifanaraka am tongotra 👟

Fanerena maharitra amin’ny rantsan-tongotra

Toe-pahasalamana manokana (toy ny diabeta) 💉

🛡️ Fisorohana:

Manapaka ny hoho amin’ny fomba mahitsy tsy atao fohy loatra

Mampiasa kiraro malalaka sy mifanaraka tsara

Mitandrina amin’ny fanadiovana isan’andro

Fanaraha-maso raha manana Aretina mitazona toy ny diabeta

💊 Fitsaboana azy:

Raha misy fivontosana na rà, mifandraisa amin’ny infirmière na dokotera 🏥

💡 Torohevitra
Aza avela haharitra ny angle incarné! Fitsaboana haingana + fiarovana tsara = tongotra salama ✅

Category

Website

Address


Antananarivo
101