Vonintsoa beauté
Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Vonintsoa beauté, Beauty, cosmetic & personal care, Itaosy.
11/09/2022
Tsy zaza intsony ianao rehefa mananika ny faha-25 taona.
Ny zaza no mbola miankina amin'ny Ray aman-dReny.
Ny zaza no minamana amin'ny olona rehetra.
Ny zaza no mbola miandry fanampiana foana.
Ny zaza no mbola manantena prince charmant.
Ary ny zaza no mitsiriritra olona.
Rehefa fantatrao fa mihoatrin'ny 20 taona ianao dia ajanony hatreo ny fahazazana fa ireto no ataovy mba hanananao hoavy mamiratra.
1. Mananà fidiram-bola.
Maro ny olona no milaza fa tsy tokony hitady vola mihintsy raha mbola mianatra satria mbola hiasa foana hono any aoriana any.
Tsy laviko izany nefa aza miandry mahavita fianarana vao hampidi-bola. Hafa ihany izany manana fahaleovan-tena tsy miankina amin'olona izany.
2. Manokafa compte m'vola na compte bancaire dia manangona.
Marina fa ny fahatanorana tsy indroa andalovana fa aza hadino fa ny fahatanorana koa dia fotoana fanararaotana hanomananao ny hoavinao. Manokafa compte dia fenoy vola ny compte-nao fa izany no zavatra mila ifantohana.
3. Mba manampia ny Ray aman-dReninao.
Mba manandrama anie ianao ilay mbola mipetraka ao na efa tsy mipetraka ao intsony aza, manome kely hoe ity ry Dada sy Neny mba misy vola kely hanampianareo ny sakafo na fianaran'ny ankizy.
Mino aho fa ho faly izy ireo.
Tsy ny vola nomenao no tena mahafaly azy fa ny toe-tsaina ananao satria vitsy ny tanora no manao izany amin'ny faha 25 taonany.
4. Mamorona hatrany fidiram-bola hafa.
Mba eritrereto hoe amin'ny faha 25 taonao io ianao no miezaka mamorona fidiram-bola hafa foana. Mino aho fa ho lavitra anao izany fahantrana izany amin'ny faha-30 taonanao. Na tsy 25 taona ianao ka efa miasa dia miezaha foana mamorona fidiram-bola hafa. Ka rehefa misy zavatra tsapanao fa tsy hainao dia ianaro, manaraha fiofanana, mamonje conférence fa tena ilaina izy ireny mba ahaizanao zavatra haingana.
5. Atsaharo ny famonjena fety matetika.
Raha te hanana hoavy mamiratra ianao dia mila miaritra kely mandritrin'ny 2 na 3 taona tsy mamonjy ity karazana fety rehetra ity.
Satria nahoana?
Satria mandany ny fotoana sy ny volanao ireny nefa tsy dia tena hitondra tombotsoa hoanao.
Nandritrin'ny fotoana nanovako ny fiainako dia 2 taona mihintsy aho tsy nanao izany fety izany fa niezaka niasa sy nianatra hatrany.
Ny olona mirevy manao fety isan-karazany, izaho kosa miasa satria tsy moramora izany te hiaina ny fiainana notsiriritina izany.
6. Atsaharo ity fanenjehana sipa sy bandy ity.
Izaho manokana dia mahita fa ny fiainan'ny olona mpanenjika sipa sy bandy dia tsy mety lasa lavitra mihintsy.
Fandaniam-potoana raha hanenjika ny sipa manja sy ny bandy bôgôsy eran'ny tanana no hataonao asa.
Mametraha tanjona dia iny no iezaho ifantohan'ny saina fa izany sipasipa izany misy foana. Fa raha toa ka efa manana olon-tina moa ianao ka tianao haharitra dia mametraha tanjona iraisana fa tsy ny hanao firaisana ara-nofo no hatao fialam-boly.
7. Atsaharo ity fitsiriritana olona tsy misy farany ity.
Manomboka amin'ity fotoana ahitanao ity ranty dia ataovy izay hitsiriritan'ny olona anao. Matetika isika rehefa mahita olona tafa na malaza dia manana faniriana ny hiaraka aminy foana nefa tsy hainao fa lalana feno vato no nolalovany vao tonga tamin'io toerana io izy.
Raha tianao ny mba hirin'ny maro tahaka azy dia mba miezaha fa tsy hoe rehefa mahita azy tafa vao te hiaraka aminy.
Mety ho tafita ihany koa anie ianao raha miezaka e!
Tokony ho reharehan'ny Ray aman-dReninao ianao amin'ny faha-25 taonanao fa tsy mbola ho vesatra ho azy ireo.
Raha misy zanakao na namanao manao Facebook any dia partageo na identifieo amin'ity sao mba hitondra fiovana eo amin'ny fiainany.
Araho foana ny pejy Réussir avec Martin
09/10/2021
❤️ mise en beauté pack mariage
à domicile ❤️
Cliente satisfaite 😍💅
Vonintsoa beauté dia vonona hanome fahafaham-po ho anao amin'i asa momba Tao - Volo amanen'drika koa aza misalasala ary manatona ahy
08/01/2021
Makeup et cheveux bouclés 😎❤️ à domicile 😋
Vous pouvez aussi nous rejoindre dans notre salon à Itaosy antanetibe près de l'église anglicane 😁😁❤️
Contacter le 0337485331😁
08/01/2021
Pack mariage à domicile 😍😍🌷
Cliente satisfaite 😋
N'hésitez pas à nous contacter 💕
06/01/2021
💕Coloration cheveux Ephena Beauté 12000ar 💕
22/12/2020
Pose vernis 💅😎💯 prix abordable 😋🌷
On fait aussi les faux ongles 😁😁💅
Alors n'hésitez pas à nous contacter 😁😘
22/12/2020
Première photo 😍❤️
Cheveux bouclés , et cliente satisfaite 😋😎💯
Venez en mp ou contactez rapidement le numéro 0337485331🌷
Manasa anareo izahay eto amin'ny Vonintsoa beauté hitsidika ity pejy ity fa maro ireo tolotra mahafapo izay ho zaraina eto😍😍❤️
Manao ny volo , ny tarehy , ny manucure et pédicure, sy maro isankarazany 😋😋
Eto Itaosy antanetibe , eto amin'ny kininina be no midina kely amin'ny lalana manivaka Ampasika , environ 100m 😁😁
Manasa anareo ary andalo , raha tsy hita Ilay toerana dia afaka miantso ny numéro 0337485331😁😁😘
Click here to claim your Sponsored Listing.
Category
Website
Address
Itaosy