Ariel jascann

Ariel jascann

Share

Information

05/10/2022
21/07/2022
15/06/2022

😎🚫 HAZONY NY MAHA-VIRIJINY 🚫😎

Lazaina fa efa lamaody fahiny
Ny hoe tovovavy "madio virijiny"
Dia ireny ry bavy fa maika hiroso
Kevoka ery hoe : "hiray ara-nofo"

Hoy ny tenin'i Dada sy Neny hatrizay
"Mpisakaiza" tsy mbola mahazo miray
Fa rehefa voatampina vola ny maso...
Mariazy tsy vita dia hoe: "alefaso!"

Fa fitiavana matotra sa fanimbana?
Matoa ve mitia dia tsy maintsy filàna?
Omen'dry zalahy safosafo ry kiala
Dia bevohoka tsy tonga eo ambony alitara

Indrisy,
Vitsy dia vitsy no sisa mahandry,
'Lay "firaisana" atao aorian'ny mariazy
Hany ka..
Vatana "rava" sy rotiky ny ady
No "sisa" hatolotra ho an'ny vady

Tsy hay hoe adino sa efa nariana?
Ny fahamasinan'ny fanambadiana
Ry tanora mpamaky, ho anao 'zay mijery
Mijoroa ho filamatra sy ho modely

Ry tovolahy,
Tsy "firaisana ara-nofo" no antsoina hoe "mitia"
Fa "fiarahan'olon-droa" tsy misy fetra fa "doria"
Ka.. ny tokantrano aloha atsangana
Rehefa vita izay dia miteraha ataovy kambana 😉

Ry tovovavy,
Tambitambin-dehilahy ve no hamotika anao?
Tereo izy "hampakatra" izay vao "manao" (sahia 💪)

Saino anie e,
Ianao manambady no'atao sarisary
Sambatrambatra ery ao anaty voaly
Eo ambony alitara dia manao voady
Ianao virijiny no'atao mariazy (draiss)
Dia.. volatantely ianareo vao miroso
Mankafý, mankamamy "miray ara-nofo" (matsiro!!! 😉)

Nosoratan'i EQUI mba hiarovana anao 😉
**** 20 Jolay 2020 ****

Category

Telephone

Website

Address


Mahajanga
4422