Mes recettes pour bébé

Mes recettes pour bébé

Share

Miarahaba antsika. Natao hifampizaran-tsika sy hiseraserana ity pejy ity. Manasa anao fa mety hahasoa anao.

Natokana ho antsika Renim-pianakaviana, raim-pianakaviana, tanora, antitra, ... mety ho liana amin'ny toro-hevitra, fizarana, ...mikasika ny Zaza.

Photos from Mes recettes pour bébé 's post 14/06/2024

Ny sakafony hariva > courgettes sy hen'omby sy vary soa, hamaranako an'ity tontolo andro ity

Tsy nanao ankoatry ny légumes maitso aho androany. Rahampitso izany manenjika e.

Ny tena tsara mantsy dia mba maro lolo ny sakafon'ny Zaza na isika lehibe aza.

Mba fantratr'isika moa fa anisan'ny kely calories indrindra ny courgettes ?
Mety amin-tsika maman manao régime, mety ho an'ny olona manana olana amin'ny fandevonan-kanina, misy fibre ilain'ny vatana amin'ny mety ho an'ny Zaza.

Izay ary tafandria mandry daholo isika o. 😴

P.S: Ao amin'ny commentaires indray ary aloha ny mikasikan'i mme Courgette e! 😅

14/06/2024

Petits melons 😇☺️

Izaho manokana tsy mankafy fa Hay rehefa atao salade de fruits dia tsara ihany 😅.

Manasa anao hanandrana fa raha tsy tia ianao dia mety ho lasa tia ihany.

Mety amin'ny olona diabétiques, manampy amin'ny tsy fahampin-drano, mety amin'ny tsinay, ...

Misy an'ilay orange ohatran'ny papaye ny ao anatiny dia misy ihany koa ilay maintso tanora.
Ho ahy manokana aloha ilay orange no nampiasaiko fa sendra nahita mpivarotra aho.
Ny nahitako izao dia Ankadifotsy eo amin'ny devant an'ny EPP Ankadifotsy misy mpivarotra voankazo dia sendra nandalo dia teo Aho no nahita ho an'ireo te hividy 😅 (tsy manao dokam-barotra a 👌)

Ao amin'ny commentaires ary ny mikasika azy e 😇.

14/06/2024

Ny sakafony atoandro kosa?
>Vary nandrahona niaraka amin'ny ati-kenan'akoho gasy 😋.

Tsy dia nisy fikarakarana manokana.

Ny nilaina tamin'izany :
-Atikenan'akoho gasy
-Vary mena
-Sira

Ny fomba nandrahoko azy :
Nosasana tsara fotsiny ireo akoho dia narotsaka.
Nasina rano mety hahamasaka vary amin'ilay izy.
Nangotraka ny rano dia narotsaka ny vary.

Natao nahandro gasy e 🥰.

Tsotra 😉

Fa teo amin'ny 45mn kosa aloha vao vita e. 😅

Izay sy izay, vita ny sakafo atoandro 🎉

P.S: Ao amin'ny commentaires indray ary ny hoentin'ny akoho tsy misy zavatra chimique e (tahaka ny akoho gasy)! 😉
Mba hain-tsika moa fa betsaka ny hoentin'izy ity amin'ny vatan-tsika? Efa naheno ve isika fa toa hoe mety amin'ny hoditra hono izy ity?

14/06/2024

Ny goûter-any zanako androany maraina >BOUDOIRS sy Yaourt.

P.S: Mikipy kely amin'ny voalohany mividy fa sady afaka tehirizina no betsaka

Ny boudoirs hono tompoko dia misy sela hoentiny amin'ny vatan'ny Zaza fa tsy aingitraingitra fotsiny ihany.
Ankoatr'izay dia mety amin'ny hianifin'ny zana-tsika satria malefaka ka tsy atahorana.

Inona ny anareo no yaourt fividinareo ho an'ny sombiniaina kely?
Ny ahy izao na Yoplait pêche na yaourt socolait farilac na yaourt socolait nature

Rehefa mba misy vola kely ka mandeha grande surface dia mba mividy an'ireo Elle & Vire ireny 😋

Ao anaty commentaires indray izany ny antony nisafidianako ilay BOUDOIRS ✨

Photos from Mes recettes pour bébé 's post 14/06/2024

🫴Ndao hiresaka kely mikasika ny tongolo gasy sy ny gros oignons isika e! 😇☺️

Samy mahalala angamba isika fa betsaka tokoa ny singa hoentin'ireo zavatra roa ireo 🙂.

Ny ahy manokana ny zanako rehefa voan'ny sery na mikoaka dia sakaizako akaiky ny gros oignons 👌.

Ataoko rondelle dia ataoko amin'ny lovia dia ataoko manakaiky azy 😮‍💨.

Fonosiko miarakamin'ny bakiraro ao ambany vodi-tongony ny sasany 😅.

Ankoatry ny ara-pahasalamana dia betsaka tokoa izany no ilana azy 👌.

Mba omeo astuces maman sao dia mba misy manana hafa ankoatr'ireo a 🤗.

Mba fantratr'isika moa fa tena nahay ny gasy taloha fa efa voaporofo ara-tsiantifika taty aorina fa tena mahasoa izy 🧐.

Mirary fahasalamana ho an'ireo sombiniaina kely misedra tsy fahasalamana amin'izao 😇🙏🥰.

P.S: Ao anaty commentaires ary ny andinindininy e.

14/06/2024

>Vary amin'ny anana sy poireaux indray maman ny sakafon'ny sombiniaina keliko androany a.

Ny nilaiko tamin'izany:
-Poireaux
-Vary mena
-Sira
-Voatabia
-Tongolo gros oignons
-Tongolo gasy

Ny fomba nikarakarako azy:
1- Notetehina madinika ny hen'omby avy eo nosasana dia narotsaka tsy misy rano.
2- Rehefa niendiendy tamin'ny tenany teo ilay izy dia asina rano.
3- Rehefa mangotraka tsara ny rano dia arotsaka ny vary.
4- Rehefa manomboka mitady ho masaka kosa ireo dia tetehina ny poireaux atao madinika dia sasana dia afangaro miarakamin'ny vary sy hena.
5- Asorina kely aloha ilay vilany dia manao sauce Voatabia sy tongolo gros oignons sy tongolo gasy izay voatetika mialoha.
6- Atambatra amin'izay izy rehetra dia rehefa afa-po dia asorina.

Mazoto homana tsara izy mahazo matoky isika 😋

13/06/2024

Amiko, ny mahafehy ny atao hoe sakafo ara-pahasalamana ho an'ny Zaza 👇

13/06/2024

Fruit > pastèque 🍉

Ny zanako manokana ny ahy tena mankafy pastèque ary andaniany betsaka izy.
Tsy misy fotoana ny ahy rehefa io no hoaniny fa rehefa te ihinana izy dia omeko azy amin'ny fotoana rehetra.

Izaho manokana tsy tia manao azy io ao anaty frigidaire fa ny androtr'iny ihany ka rehefa tsy lany dia tsy omeko azy intsony ny ampitso.
Asorina ny voany dia arahina maso fotsiny izy mihinana azy. Ny zanako izao tsy tia fahanana amin'ny sotro fa izy ventiny iny no ataony izay ihinana azy.

Ataoko angamba fa mbola tsy nanandrana nahandro fa tsy tsara hono 🤢🤮
Ny zavoka no efa nandramako indray andro noheveriko ho mety hay tena limite poizina 😂🤣🤪

Izay sy izay ny voankazonay anio.
Ny anao kosa mba inona?
Mirary soa antsika reny rehetra.
Ao amin'ny commentaires hatrany ny soa hoentiny, ny mode de conservation, ny fomba fihinanana azy. 😉

13/06/2024

Purée > purée de pommes de terre
✨100 g de pomme de terre cuite contiennent en moyenne 1,96 g de fibres alimentaires.✨

Purée de pommes de terre + kotomila + kotomila + vache qui rit + atody akoho gasy

Très Facile et bon Marché

Ingrédients (Ny abetsahany izay tiana 😅)

Pomme de terre (chair tendre, variété pour purée)

Kotomila

La vache qui rit

Atody akoho gasy

Ustensiles

1 Couteau
Fourchette
Planche à découper
Casserole
Fatana (Fatapera tsotra, induction, rice cooker 😂, ... Izay maha masaka azy e 😉
Mixeur (Raha ilaina, ny ahy fourchette dia efa mety 🥴)

ÉTAPE 1

Epluchez et coupez les pommes de terre en morceaux.

ÉTAPE 2
Mettez-les à cuire dans un grand volume d'eau salée jusqu'à ce que la pointe d'un couteau rentre facilement dans la chair. Ne pas oublier de mettre l'oeuf sans le casser.
Et quelques minutes avant de sortir du feu, Découpez finement le kotomila (tsy aiko ny anarany amin'ny teny vahiny 😂) et incorporez

ÉTAPE 3
Passez-les alors au moulin à légumes.

ÉTAPE 4
Mélangez avec les fromages et décortiquez l'oeuf en ajoutant seulement le jaune

ÉTAPE 5
Rectifiez l'assaisonnement à température souhaitée.

P.S: Somary mavesatra ilay tapotsiny la tsy dia mety loatra raha toa ka mbola kely loatra ilay Zaza.
Izaho manokana mahita fa miova ny tsiron-tsakafo rehefa mixé-na, aleo potserina 😇

Izay sy izay. Mandra-piresaka indray. Zarao aminay ny façon anao sao mahasoa anay 🥰

👉Ao amin'ny commentaires indray ny voka-tsoa azo avy aminy sy ireo fomba hafa afaka hikarakarana azy. 👇

13/06/2024

Ny anareo koa ve ny nono vakivaky tamin'ny nampinono tamin'ny voalohany 🥺?
Hatramin'ny faha-3 volan'ny zanako ny ahy vao mba azoazo 😔. Fa ny nahagaga dia niverina vakivaky indray noho ny feno heritaona izy 😮‍💨😭.
Mba zarao anay ny expérience anao 🤗.
Ny ahy zaza voalohany 👶.
Ny nanaovako ny ahy manokana dia niaretako 😖.
Sasana madio tsara amin'ny coton fotsiny dia izay.
Manisa 3 aho rehefa manatsofoka ny vavany izy dia afaka 😅. Satry foana izy tsy hiala aloha fa afa-nenina vao asorina 😂.
Ny an'ny olona akaiky fantatro izao nosorana BIO-LAN, fa efa rupture de stock hono 🤧.
Ny an'ny olona iray fantatro koa izao nampiasa fanafody ihany dia ezahina atapy masoandro hono dia mora sitrana.
Izay sy izay ny fantatro.
Nanao ahoana kosa ny anao?
Ao amin'ny commentaires ny mety ho fanazavan'ireo manam-pahaizana.
P.S: Hialana tsiny hatrany noho ny mety diso tsipelina sy ny fanaovana bilingue 😅😉

Category

Website

Address


Tananarivokely
101

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Mes recettes pour bébé posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Subscribe

We will notify you when anything happens in Tananarivokely.