Mireille la bella chanceuse

Mireille la bella chanceuse

Share

Bonjour à tous et a toutes 👋
j'aime le partage et l'échange, merci🥰

19/06/2026

ASIANTSIKA RESAKA MANARAKA ITY INDRAY NY MOMBA ZAREO ALAHASATY NA NY LION

🦁 LION / ALAHASATY (23 Juillet – 22 Août)
👤 TOETRANY ANKAPOBENY
Ny Lion dia olona:
Matoky tena sy sahy miatrika olana.
Manana toetra mpitarika sy tia mandray andraikitra.
Malala-tanana ary tia manampy ny hafa.
Tia haja sy fankasitrahana.
Matanjaka ara-tsaina, nefa indraindray mety ho be hambom-po na tia hibaiko.

💪 POINT FORT
Matoky tena: Sahy mandray andraikitra sy mitarika ny hafa.
Mpanome hery: Mahay mamporisika sy manentana ny olona manodidina azy.
Mahatoky: Tia namana sy fianakaviana, ary mijoro amin'izay tiany.
Be fo: Malala-tanana sy tia manampy.
Mamorona: Manana saina feno hevitra sy talenta amin'ny zavakanto na fitarihana.

⚠️ POINT FAIBLE
Mirehareha loatra indraindray: Mety te ho izy foana no ivon'ny sain'ny olona.
Mafy loha: Sarotra manaiky hadisoana na manova hevitra.
Mora tezitra rehefa tsy hajaina: Tena manome lanja ny voninahiny sy ny hajany.
Mety ho mpibaiko tafahoatra: Indraindray te hifehy ny zava-drehetra.
Mila fankasitrahana: Mety ho kivy rehefa tsy mahazo dera na fankasitrahana.

❤️ FITIAVANA
Tena tia amin'ny fo manontolo rehefa raiki-pitia.
Mitady fifandraisana matotra sy maharitra.
Tia aseho fitiavana sy hajaina.
Mpiaro sy mpiahy ny olon-tiany.
Mety ho saro-piaro rehefa mahatsapa tsy voakarakara.

💼 ASA MANAMBINA AZY
Mety hahomby amin'ny:
Fitarihana sy fitantanana orinasa
Politika sy fitondrana
Mpampianatra na mpanazatra
Mpanakanto, mpihira, mpilalao sarimihetsika
Varotra sy fandraharahana
Asa mifandray amin'ny serasera sy haino aman-jery

🎨 LOKO MANAMBINA
Volamena (Or), Mavo, Volomboasary
Fampiasana:
Akanjo amin'ny fotoana manan-danja.
Kojakoja na haingon-trano.
Fitaovana fiasana na poketra.
Ireo loko ireo dia heverina fa manamafy ny fahatokisan-tena sy ny hery anaty.

🔢 ISA MANAMBINA
1 – 3 – 9 – 19
Fampiasana:
Safidy laharana.
Daty fanombohana tetikasa.
Isa amin'ny lalao sy fifaninanana.

💕 OLONA MANAMBINA ARA-PITIAVANA
❤️ Bélier (Alahamady)
❤️ Sagittaire (Alakaosy)
❤️ Balance (Adimizana)
❤️ Gémeaux (Adaoro)
Ireo no matetika mifanaraka tsara amin'ny heriny sy ny toetrany.

🤝 OLONA MIFANAMBINA ARAK'ASA
Bélier
Sagittaire
Capricorne
Gémeaux
Mahavita miara-manangana tetikasa sy mahatratra tanjona iraisana.

📅 ANDRO MANAMBINA
☀️ Alahady (Dimanche)
Andro tsara hanaovana:
Fanapahan-kevitra lehibe.
Fanombohana asa vaovao.
Fivoriana sy fifampiresahana manan-danja.

🧿 ZAVATRA MITONDRA VINTANA
Vato Œil de Tigre (Tiger Eye)
Vato Citrine
Firavaka miloko volamena
Sarin'ny masoandro ☀️
Endrika liona 🦁

🕯️ TANJONA
Ny tanjon'ny Lion dia:
Ho mpitarika mendrika sy hajain'ny olona.
Hampiseho ny talentany sy ny fahaizany.
Hanampy ny hafa amin'ny alalan'ny heriny sy ny fahendreny.
Hanorina fiainana feno fahombiazana sy voninahitra.

✨ Teny manentana ny Lion:
"Mino ny heriko aho, ary mampiasa izany mba hitarihana ny tenako sy ny hafa ho amin'ny fahombiazana."

ANKASITRAHINA HATRANY ANAO IZAY MANARAKA HATRANY

23/05/2026

🔴RY LEHILAHY: KARAKARAO SY TOHANO TSARA NY VADINAO

Ry lehilahy,
Ny herinao dia tsy tokony hita amin’ny hozatrao fotsiny, fa indrindra eo amin’ny fomba ikarakaranao sy hanohananao ny vehivavy izay nofidinao ho vadinao.

Tsy hoe satria miantehitra anao irery izy no ilainy ianao, fa satria tinao izy, ary ny fitiavana dia EZAKA, FIFANOHANANA,FIFANAMPIANA.

❤️Aza adinoina:
Ny Lehilahy mahery dia izay lehilahy mahay mikarakara ny vadiny fa tsy hoe matanjaka eo ambony fandriana fotsiny.
Ny Lehilahy tena manan-kery dia izay lehilahy mahay manohana tsara ny vadiny amin'ny lafim-piainana rehetra mihitsy.
Ny Lehilahy tena mendrika ny anarana hoe “vady tsara”dia tsy hoe Ilay lehilahy "beau gauche" loatra na dia ilaina aza izany fa ny tena izy dia izay lehilahy mahay mandray andraikitra manandrify azy eo Amin'ny ankohonany sy ny vady aman-janany.

Nahoana no tsy maintsy mikarakara sy manohana ny vadiny ny lehilahy?

1. Satria ny vehivavy dia mpiara-dia, aminy fa tsy mpanompony akory.

Ny vehivavy dia fiainana, hery, ary ravaka sarobidy mandravaka ny tokatranonao.
Noho izany,tsy tokony hanao tsinontsinona ny vehivavy isika lehilahy satria tena ilaintsika izy ireo.
Isika lehilahy no sandry, fa izy ireo ilay soroka. Raha miara-miasa tsara ny roa tonta dia tsy misy tsy ho vitanareo.

❤️Tsarovy fa ny vehivavy izay voakarakara tsara dia toy Ilay voninkazo voakarakara tsara ao anjaridaina ao,Tonga mamelana Mahafinaritra,Sady manimanitra no mamiratra aok'izay,lavitry ny TOMANY.

Rehefa tsapany fa hajainao izy, arovan'ny fitiavanao izy, tohananao tsara ny vadinao ry lehilahy dia hotratrany mora foana ilay tanjony izay noventesiny aminao iny foana,
Ary mitombo fahatokisan-tena tanteraka io vadinao io fa andramo anie e.

❤️Ny Vehivavy iray voakarakara tsara manko dia lasa :

tia kokoa,

mahatoky kokoa,

mitsiky kokoa,

mahavita be kokoa,

ary mameno hery ny tokantranony ho soa.

Farany :Raha tena tianao ny vadinao ry lehilahy dia :

Toroy lalana izy ,aza ampijaliana izy,arovy izy,Karakarao izy
tolory Ilay tena fitiavana izy.

❤️Ny lehilahy mandresy dia tsy ilay lehilahy faly nahazo Ilay vehivavy tiany ho vadiny fotsiny , fa ilay lehilahy mahay mitazona sy mikarakara azy mandrakizay.

Zarao Raha nahasoa anao io.

Ary taggeo eto Ilay vadinao MBA ho hitany ity hafatra ity.

Azadino manaraka sy mi abonner ny pejy Mireille la bella chanceuse satria izahay de mikaroka hatrany ny mahasoanao 🥰❤️

22/05/2026

🔴NY CHARBON (arina)

Saribao sy sira dia fomba nentim-paharazana ampiasaina amin’ny finoana malagasy mba hanadiovana sy hanalana “sakasakana” na angovo ratsy, na amin’ny tena na ao an-trano. Tsy fitsaboana ara-siansa izy io fa fomba ara-kolontsaina sy finoana. Araka ny finoana, ny charbon dia misintona na mitroka angovo ratsy, ary ny sira kosa manadio sy miaro. Noho izany dia ampiasaina izy roa rehefa misy olona mahatsiaro tsy milamina, be ady ao an-trano, misy sakana amin’ny asa na vola, na rehefa vao nifindra trano.

🔹 Fandroana @ sira (fanadiovana tena)
Fitaovana:
• Sira fotsy 2–3 sotro
• Rano mafana na matimaty
Fomba fanaovana azy:
1. Afangaro amin’ny rano ny sira.
2. Rehefa avy mandro ara-dalàna dia araraka amin’ny vatana ilay rano misy sira, manomboka eny ambony midina.
3. Avela hilona 1–2 minitra, dia fafàna amin’ny servieta.
4. Tsy sasana rano madio intsony ny olona sasany.
5. Misy koa manao vavaka na mangataka fitahiana rehefa manao azy.
Fotoana tsara:
• Hariva alohan’ny hatory mba hialana amin’ny hery ratsy nandritra ny andro
• Na maraina be mba hanombohana andro vaovao madio sy maivana
Faharetany:
• Indray mandeha isan-kerinandro raha fanadiovana tsotra
• Afaka atao 3 andro misesy raha mahatsiaro tena mavesatra be

🔴Zavatra tsy tokony atao:
• Tsy tokony araraka na afangaro amin’ny rano maloto na tsy madio
• Tsy tokony hatao amin’ny toerana misy olona sy tsy te hanao izany
• Tsy tokony hatao ho fomba fanalana olana ara-batana mivantana (ohatra aretina, vola, ady tena) fa atao miaraka amin’ny finoana sy toe-tsaina tsara

🔹 Fanadiovana trano
❤️Fomba 1: Sira fotsiny
1. Mamafy sira kely eny amin’ny zoron-trano na eo am-baravarana.
2. Avela mandritra ny alina iray, dia ariana na fafàna ny ampitso.

❤️Fomba 2: Charbon sy sira
1. Potehina madinika ny charbon.
2. Afangaro amin’ny sira mitovy fatra.
3. Apetraka ao anaty lovia kely eo akaikin’ny varavarana na amin’ny zoron-trano.
4. Avela 1–3 andro.
5. Rehefa vita dia ariana any ivelan’ny trano.

❤️Fotoana tsara:
• Rehefa vao nifindra trano
• Rehefa avy nisy ady na korontana tao an-trano
• Amin’ny faran’ny herinandro na fiandohan’ny volana

❤️Faharetany:
• Avela 1–3 andro ny charbon sy sira
• Tsy tokony havelan-keloka ela loatra (mihoatra ny 3 andro)

❌Zavatra tsy tokony atao:
• Tsy tokony havelan-keloka ela loatra ny charbon sy sira ao an-trano
• Tsy tokony hikasika na afindra toerana raha tsy manana finiavana hanadio ny angovo ratsy
• Tsy tokony hampiasaina amin’ny faniriana hanao ratsy na hanao olana amin’olona hafa

✨ Vokatra antenaina (araka ny finoana)
• Fahatsapana ho maivana
• Filaminana ao an-trano
• Fisokafan-dalana amin’ny fiainana

🔴Tsara marihina fa finoana sy fomba nentim-paharazana izy ireo fa tsy voaporofo ara-siansa.

❤️ Azadino manaraka ny pejy Mireille la bella chanceuse satria izahay de mikaroka hatrany ny mahasoanao 🥰❤️

22/05/2026

🔴TOMBONTSOA NY RANO MAFANA MISY MANANASY 🍍

Ny rano mafana misy mananasy dia zava-pisotro voajanahary afaka manampy amin’ny fitandroana ny fahasalamana.
Raiso ny tapaka mananasy 2 na 3, teteho ary arotsahy anaty rano mafana iray kaopy. Avela hilona kely dia azo sotroina. Afaka sotroina isan’andro izy io.
Ny mananasy dia manankarena vitamina, acides aminés ary polyphénols, izay:
• manampy amin’ny fanatsarana ny fikorianan’ny rà,
• mety hanampy amin’ny fampihenana ny tosidra,
• miaro ny lalan-drà,
• ary manamafy ny hery fiarovan’ny vatana.
Izy io koa dia afaka manampy amin’ny fanadiovana ny vatana, amin’ny alalan’ny fanesorana poizina sy mikraoba, ary mety hanampy amin’ny olona manana allergie.

⚠️ FAMPITANDREMANA :
Zava-dehibe ny mahafantatra fa tsy fanafody manasitrana aretina lehibe toy ny homamiadana (cancer) ny rano mafana misy mananasy. Tsy misy porofo ara-tsiansa manamarina izany. Raha misy aretina, indrindra raha mafy, dia ilaina ny manatona mpitsabo.

Ny fisotroana azy dia atao ho fanampiana amin’ny fikarakarana ny fahasalamana ihany.

Tandremo ny fahasalamanao, fa izany no harena sarobidy indrindra🥰

❤️ Azadino manaraka ny pejy Mireille la bella chanceuse satria izahay de mikaroka hatrany ny mahasoanao 🥰❤️

22/05/2026

🔴𝙁𝘼𝙈𝘼𝙉𝙄𝙉𝙊𝙉𝘼 𝙉𝙊 𝘼𝙎𝙄𝙉𝘼 𝙎𝙄𝙍𝘼𝙈𝘼𝙈𝙔 1𝙆𝙂 𝙀𝙊 𝘼𝙈𝘽𝙊𝙉𝙔 𝙆𝙄𝘽𝙊𝙉'𝙉𝙔 𝙑𝙀𝙃𝙄𝙑𝘼𝙑𝙔 𝘼𝙑𝙔 𝙉𝙄𝙏𝙀𝙍𝘼𝙆𝘼❓

​Maro ny gaga sy manontany tena hoe:
“Fa misy fanafody inona ao anatin'ilay sachet 1kg no apetraka eo ambony kibo, indrindra ho an'ireo avy nodidiana (Césarienne)❓️” 🤔

​👉 Ny valiny: Tsy ny siramamy na lay fasika akory no manasitrana ao, fa ilay LANJANY (1kg) no tena ilaina‼️

​Inona no tena asan'io lanja io❓️
✅ Mampikaikona ny tranonjaza: Manampy azy hifintina tsara.
✅ Misoroka ny rà mandeha be: Izay no tena loza mitatao aorian'ny fiterahana (Hémorragie du post-partum).
✅ Mamerina ny tranonjaza amin'ny toerany: Mba hiverenany tsikelikely amin'ny habeny taloha.

​⚠️ Tsarovy anefa: Tetika fanampiana fotsiny ihany ilay zavatra 1kg. Ny tena fikarakarana fototra dia:
✔️ Ny fanaraha-maso akaiky ataon'ny mpitsabo.
✔️ Ny massage utérin
✔️ Ny fampinonoana dia (mandrisika ny vatana hampifintina ny tranonjaza).
✔️ Ny repos complet ho an'ilay reny.

​Fomba tsotra nefa mamonjy aina! 🥰

❤️ Azadino manaraka ny pejy Mireille la bella chanceuse satria izahay de mikaroka hatrany ny mahasoanao 🥰

06/05/2026

❤️ MASQUE MAHATANORA

🔴"Masque Éclat Jeunesse ✨ |

Mélangez 1 jaune d’œuf + 1 cuillère à café de curcuma + 1 cuillère à soupe de miel.

Appliquez 15 min et rincez. Peau lumineuse et éclatante en un seul masque ! 💛"

❤️ N'oubliez pas de suivre Notre page Mireille la bella chanceuse
Merci !

Photos from Mireille la bella chanceuse's post 31/03/2026

❤️Iza daholo tia voyages o?
Mentionneo lay namanao tia mivoages bé iny🥰

31/03/2026

🍺⚠️ TANDREMO ny fisotroana alikola diso TAFAOTRA ...

🥺 Ny fisotroana alikaola dia mety hiteraka izao toe-javatra hita amin'ny sary izao.

🔴Saingy tsy io ihany no antony, ka izany no maha-zava-dehibe ny fahalalana bebe kokoa momba ny fahasimban’ny aty 🩺. Ohatra, ity olona ity dia tsy mbola nisotro alikaola mihitsy nandritra ny fiainany, nefa jereo ny habetsahan’ny ranoka nesorina tao aminy.

🔴Matetika ny olona dia mihevitra fa raha misy olona manana kibo mivonto tahaka izao, dia voan’ny cirrhose izy ary mety ho mpisotro toaka. Ary amin’ny ankamaroan’ny tranga dia mety ho marina izany, saingy misy olona tsy nisotro alikaola mihitsy nefa tonga amin’izao toe-javatra izao ihany izy 😔.

🔴Noho izany dia ilaina ny mahafantatra fa ny cirrhose vokatry ny alikaola dia TSY izy irery no mahatonga ny ascite (izany hoe fitangoronana rano ao an-kibo) 💧. Raha ny marina, ny aty dia mety ho simba (cirrhotique) na dia tsy nisotro alikaola na indray mandeha aza ny olona.

🔴Ny zavatra atao amin’ity marary ity dia antsoina hoe paracentèse 🩹💉, izany hoe fampidirana fanjaitra ao an-kibo mba hanesorana ilay rano miangona, mba hahafahan’ilay marary miaina, misakafo ary mihetsika tsara kokoa.

🔴Satria raha misy rano 10, 15 na hatramin’ny 20 litatra ao an-kibo, dia manindry ny taova rehetra izany: ny havokavoka, ny vavony ary ny tsinay 😣.

🔴Tsy tsara raha atao amin’ny toerana tsy madio sy tsy voafehy tsara io fomba fitsaboana io, satria mety hisy fahasarotana rehefa esorina tampoka be ny rano ⚠️. Saingy indraindray dia atao maika izany, rehefa tena mila fanampiana haingana ilay marary, mba hanavotana fotoana alohan’ny handefasana azy any amin’ny hopitaly 🚑.

🔴Na izany aza, ny mampalahelo amin’izao toe-javatra izao dia hoe rehefa voasintona ilay rano dia tsy midika hoe vita ny olana. Mahazo fotoana kely fotsiny.

🥹Satria mety hiverina indray ilay rano… ary miverina indray ny olana, indrindra raha misy aretin’ny voa na aretin’ny fo koa ilay olona 💔.

Azadino manaraka ny pejy Mireille la bella chanceuse satria izahay de mikaroka hatrany ny mahasoanao 🥰

Santé Naturelle

13/03/2026

🚨 ⚠️ 80% NY OLONA TSY MAHAFANTATRA FA TSY MIKORIANA TSARA NY RÀNY ⚠️

🔴 FOMBA AHAFANTARANA FA MISY OLANA NY FIKORIANAN’NY RÀ Raha misy ireto soritr’aretina ireto dia aza atao tsinontsinona: ❄️ Tongotra mangatsiaka matetika ✋ Tanana mivonto 😵‍💫 Fanina tampoka 💢 Marary loha matetika 😮‍💨 Sempotra

⚠️ Mety ho famantarana: 🔸 Lalàn-drà tsentsina 🔸 Rà mivaingana 🔸 Rà tsy mikoriana tsara....

🚨 Raha tsy tsaboina dia mety hitarika: 💥 AVC 💥 Infarctus 💥 Paralysie

🌿 Misy astuce natoraly tsotra afaka manampy manadio ny rà sy manatsara ny fikorianany. 👇👇👇

👉 Azadino manaraka ny pejyMireille la bella chanceuse satria izahay mikaroka ny mahasoanao🥰

24/02/2026

❤️MPANDRESY IANAO

❤️Rehefa vita ny firaisana ara-nofo, ny lehilahy dia mametraka 200 ka hatr@ 300 tapitrisa Spermatozoïde.
Manomboka milomano miakatra makany ambony izy ireo MBA hiaonany amin'ny atody na ovule.
🚩300 tapitrisa no nandray Anjara fa 500 iany no tonga teo àkaikin'ilay atody àmin'ny farany fa ny sasany reraka andalana satria enjana be ny lalana.
🚩Ary tao anatin ireo 300 Tonga manodidin'ilay atody ianao, àvy eoiray ihany no tafatsofoka sy nitambatra taminy. TSY IZA IO MPANDRESY IO FA IANAO ! Efa MBA tao andohanao ve izany ?

🔺Nifaninana niazakazaka tsy nisy maso sy tongotra ianao nefa NANDRESY.
🔺Nifaninana niazakazaka tsy nisy fampianarana ianao nefa NANDRESY.
🔺Nifaninana niazakazaka tsy nisy diplôma ianao nefa NANDRESY.
🔺Nifaninana niazakazaka tsy nisy fanampiana ianao nefa NANDRESY.

IZA NO MILAZA AMINAO FA HO RESY IANAO IZAO !?

Izao ianao manana maso sy tongotra, fahalalalana, izao ianao manana paik'ady oetina miady amin'ny fiaianana, manana nofy sy tanjona.
Nateraka tsy hilavo lefona ianao, ary ianao io ilay tsy nanaiky resy hatr@ farany t@ andro voalohany, noho izany tsy afaka ny hijanona ianao izao, ny hiemotra @'izao dia toy ny manopa ilay Nahary anao.

Na inona miseho amin' ny fiainanao , RAISO TOY NY Tanjona IZANY,TADIDIO FOANA FA TAO ANKIBO IANAO DIA EFA MPANDRESY.
Ary amin'izao adinao izao dia mbola ivoka MPANDRESY ianao. . 👌

Mankahery anao aho.
💚

❤️ Azadino manaraka ny pejyMireille la bella chanceuse satria izahay de mikaroka ny tsara ho anao🥰

Want your business to be the top-listed Beauty Salon in Toamasina?
Click here to claim your Sponsored Listing.

Category

Website

Address


Toamasina
501