Teny Fiainana
Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Teny Fiainana, Tsiroanomandidy.
13/05/2026
Nijery azy Jesoa, ka tia azy ka nanao taminy hoe: Zavatra iray no tsy ampy aminao.
Amin'ny maha olombelona antsika dia tsy lavorary isika fa kosa miezaka ny ho masina. Tsy misy Jesoa hiteny mivantana intsony hoe: Gérard a! Tsy ampy fandeferana ianao.
Fa amin'ny alalan'ireo manodidina anao no handraisanao izany. Ka raha misy ny tsikera, mandeha ny basy atifi-kavana,... Dia aza malaky tezitra, eny, mahasosotra izy ireny, mahatezitra indraindray, fa mitonia dia mandehana ihany aloha mijery fitaratra (mandini-tena) fa Sao ny tsy fahaizanao mihaino no sakana tsy ahafahanao miroso amin'ny tsaratsara kokoa.
08/05/2026
08/05/2026
⛪𝗧𝗘𝗡𝗔 𝗞𝗔𝗧𝗢𝗟𝗜𝗞𝗔 𝗙𝗘𝗡𝗢 𝗡𝗬 𝗘𝗚𝗟𝗜𝗭𝗬 𝗞𝗔𝗧𝗢𝗟𝗜𝗞𝗔 𝗧𝗔𝗧𝗦𝗜𝗡𝗔𝗡𝗔𝗡𝗔. 𝗧𝗦𝗬 𝗢𝗥𝗧𝗛𝗢𝗗𝗢𝗫𝗔 𝗔𝗞𝗢𝗥𝗬.⛪
🟥Matetika isika rehefa miresaka Eglizy Katolika dia ny EKAR izay manaraka ny “𝐑𝐢𝐭𝐞 𝐋𝐚𝐭𝐢𝐧" na Eglizy Katolika tandrefana. Misy ihany koa ny Eglizy Katolika tantsinanana. Mety misy mihevitra fa io Eglizy katolika tatsinanana io dia tsy Katolika mitovy amintsika manaraka ny “𝐑𝐢𝐭𝐞" 𝐋𝐚𝐭𝐢𝐧𝐚. Tsara ho fantantsika fa ato amin’ny Eglizy Katolika Apostolika Romana dia ahitana "rite" samihafa.
🟧𝐄𝐠𝐥𝐢𝐳𝐲 𝐊𝐚𝐭𝐨𝐥𝐢𝐤𝐚 𝐭𝐚𝐭𝐬𝐢𝐧𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 dia misy “rites” na Eglise maro mizara isaky ny faritra toy ny: Eglise Maronite, Eglise Grecque-Catholique melkite, Eglise Syro-malabare...
♦️Ireo Eglizy ireo dia manana ny fiombonany feno amin’ny Eglizy Katolika tandrefana.
♦️Mankato an’i Papa Ray Masina, ara-dalana na ekena eo anivon’ny Eglizy katolika ny Sakramenta ankalazainy fa ny litorjia kosa dia manaraka ireo fomba tranainy indrindra.
♦️Ahitana ny litorjia: “Byzantine, syriaque, copte, armenienne.” Ny fiteny dia atao amin’ny fitenin’izy ireo ary mijanona amin’ny faritra “Oriental” ihany io. Fa ny “Rite Latin” no miparitaka maneran-tany izay arahintsika io.
♦️Ny Pretra ao aminy dia afaka misafidy hanambady mialohan’ny fanamasinana azy ho Pretra. Fomba tranainy teo amin’ny Eglizy katolika izany nolovaina tamin’ireo Apostoly (Mt.8,14). Ny Eveka kosa dia fidina avy amin’ireo Pretra misafidy ny tsy hanambady. Ny Pretra amin'ny Katolika tandrefana, manaraka ny "Rite" latina no tsy mahazo manambady izay tena fantantsika maneran-tany...
🟦Tena Katolika feno izy ireo ary isika ihany koa raha mipetraka amin’ny faritra antsoina “oriental” na “𝐌𝐨𝐲𝐞𝐧 𝐎𝐫𝐢𝐞𝐧𝐭” na firenena na faritra manaraka ireo “rite” ireo toy ny: Israel, Liban, Egypte, Syrie, Jordanie... dia afaka mivavaka sy mandray ny Sakramenta amin’ireo Pretra manambady ireo satria katolika feno izy ireo, ara-dalana ny Sakramenta ankalazainy.
🟥Ny Eglizy Katolika tatsinana dia 𝐭𝐬𝐲 𝐄𝐠𝐥𝐢𝐳𝐲 𝐎𝐫𝐭𝐡𝐨𝐝𝐨𝐱𝐚 akory na heverin'ny maro fa mitovitovy. Tena Katolika feno izy ireo fa ny mampiavaka azy dia eo amin’ny fomba fivavahanana sy ireo mety lalàna ananany manokana (Patriarka, ny Pretra afaka manambady...) nefa manana fiombonana feno amin’ny Roma.
◾Ny Orthodoxa kosa dia tsy misy fiombonana feno amin’ny Roma, tsy mankato ny fahefan’ny Papa sy fampianaram-pinoana sasany ihany koa. Amin’ny ara-tsakramenta dia tsy afaka mandray amin’ny Eglizy Orthodoxa isika ary mivadim-pinoana raha mivavaka any.
🟥Mety misy Eglizy mampiasa anarana hoe “Eglizy Katolika Orthodoxa” fantaro fa tsy misy fiombonany velively amin’ny Eglizy Katolika Apostolika Romana izany. Sady tsy Katolika tatsinanana. Heverina ihany koa tsy miombona amin’ny “Eglizy Orthodoxa” izay tranainy indrindra ihany koa.
◾◾◾◾◾◾◾◾◾
©️ Katolika Info.
Click here to claim your Sponsored Listing.
Contact the business
Telephone
Website
Address
Tsiroanomandidy
111