Miz'Art Soa
"Fa amiko dia i Kristy no Fiainana."Filipiana 1. 21a
08/01/2026
Reprise lecture😊
Ela izay fa hamerina hamaky boky amin'izay
Reny aho,
Manefa ny adidiko arak'izay takatry ny saiko
Mitsiky mba ho azy, na dia reraka ny aiko
Reny aho,
Mety ho vizaka sy tola, miandrandra fanampiana
Nefa aho ho eo foana ho an'ireo silako sy tiana
Reny aho...mila Reny, nefa......
Reny aho dia zakaiko eny
Na marary ireo teny
Reny aho, ary Reny mendrika ho an'ireo zanako
Ka na iza hitsikera, na iza hanabanty
Dia alefaso faona, zakako, tantiko
Fa Reny aho, haiko ny ezaka ataoko, ny lalana nodiaviko
Tsy nierako taminao fa avy amin'ny Fitiavako
Olombelona aho, na Reny
Olombelona aho....fa Reny dia angoniko ny hery
Miatrika aho, Hiatrika
Fa mino aho fa Andriamanitra
Tsy mamela ahy ho irery
Napoina
03/01/2025
🤣😁🤣
Click here to claim your Sponsored Listing.
Category
Website
Address
Tsiroanomandidy